Toko faha 14

1 Ingo! Ho avy gny andon'i Yaveh gny fa hozaran'eo agnevondrareo gny babondrareo. 2 Fa havoriko hanohisy an'i Jerosalema aminigny aly gny firenena aby dra ho voababo gny tana. Reo tragno dra ho voababo gny apela ho voaola. Gny asasaky gny tana dra ho voababo, fa gny sisa tavela amireo olo dra sy halan'eo aminigny tana. 3 Fa i Yaveh dra hiboaky dra hialy amireo firenena manahak'anazy aby mialy aminigny andronigny aly. 4 Amizay andro zay gny tombony dra hisangan'eo agnabonigny Tendrombohis'i Oliva, ze eo agnilan'i Jerosalema agny asignana. Gny Tendrombohis'i Oliva dra hotriaty ro dra ho sarahinigny lohasaka lahibe dra gny asasaky gny tendrombohisy dra hihery manoloa gny avarasy dra gny asasaky manoloa gny asimo. 5 Boak'eo hanao hienga hizoso gny lohasaka eo agnelagnelan'ireo tendrombohis'i Yaveh, fa gny lohasaka eo agnelagnelan'ireo tendrombohisy dra hipaky hatragny Azela. Hienga manahaky gny nenganao taminigny horohoro-tany tamireo andron'i Ozia, pazakan'i Joda hanao. Dra ho avy i Yaveh Zagnahariko dra hindray Aminazy avokoa reo olomasin'aby. 6 Amizay andro zay dra sy hisy hazava, fa sy hisy na hasiaky na fanala. 7 Amizay andro zay, andro zay Yaveh raiky avo gny mahafatasy, dra sy hisy andro na hariva sasy, fa gny hariva dra ho lasa fotoanigny hazava. 8 Amizay andro zay gny rano velo dra hikoria hiboaky an'i Jerosalema. Gny asasak'ireo dra hikoria aminigny ranomasy asignana dra gny asasany aminigny ranomasin'andrefa, aminigny fahavarasy vo aminigny ririny. 9 Ho pazaka aminigny tany aby i Yaveh. Amizay andro zay dra hisy Yaveh, Gny Zagnahary vatany, dra gny agnarany raiky avo. 10 gny tany aby dra hanaky an'i Araba, manombok'ao Geba dra hatragny Rimona asimon'i Jerosalema. Hasandrasy hatragny i Jerosalema dra hitoby aminigny toerany manoka, hatragny aminigny Vavahadin'i Benjamina dra hatragny aminigny toera ze nisy gny vavahady volohany, hatragny aminigny Vavahady azorony, dra hatragny aminigny Tilikambon'i Hananela dra hatragny amireo famiazam-boaloboky gny pazaka. 11 Gny vahoaky dra hipetrak'agny Jerosalema dra sy hisy faharava tateraky boak'amin'Agnahary hanohisy anereo sasy. Hiay sy amin'ahiahy i Jerosalema. 12 Zao gny ho loza ze hamelezan'i Yaveh an'ireo vahoak'aby nialy nanohisy an'i Jerosalema: gny nofon'ereo dra ho lo na dre misanga aminigny tombony aza ereo. Gny mason'ereo dra ho lo ao aminigny faladian'ereo dra gny lelan'ereo ho lo ao am-bavan'ereo. 13 Amizay andro zay gny tahosy lehibe boak'amin'i Yaveh dra ho avy amin'ereo. Gny sirairay dra hihazo gny tagnanigny hafa, dra gny tagnanigny raiky dra hisandrasy hamely gny tagnanigny raiky hafa. 14 Joda avo koa dra hialy hanohisy an'i Jerosalema. Hamory gny haren'ireo firenena magnodidin'aby ereo__volamena, volafosy, dra fitafia soa maro be. 15 Gny loza avo koa dra ho amireo sovala vo reo apondra, reo rameva vo reo boriky, dra reo biby aby ao amireo toby reo avo koa dra hizaly amizay loza zay avo. 16 Dra izao gny heseho, ze tavela ao amireo firenena ze avy manohisy an'i Jerosalema dra hiakasy isa-tao koa ba hidera gny pazaka, dra i Yaveh toponigny maro, dra hitandry gny Firavoravoanigny Felofa. 17 Raha sy mandeha miakasy ho agny Jerosalema ba hidera anigny pazaka, dra i Yaveh toponigny maaro, gny olo boak'amireo firenenanigny tany, dra sy hinday ora amin'ereo i Yaveh. 18 Raha sy miakasy gny firenen'i Egypta, dra sy hahazo ora ereo. Hisy areti-mandringa boak'amin'i Yaveh ze hamely reo firenena ze sy hiakasy ba hita gny Firavoravoanigny Fialofa. 19 Zay gny ho famaiza ho an'i Egypta dra famaiza ho anigny firenena aby ze sy miakasy ba hita gny Feravoravoanigny Felofa. 20 Fa amizay andro zay, gny lakolosin'ireo sovala dra hizaka ho: "Atokany ho an'i Yaveh," dra reo koveta ao aminigny tragnon'i Yaveh dra hanahaky gny apondra boribory eo agnetrehanigny alitara. 21 Fa gny vilagny tanimanga aby ao Jerosalema vo Joda dra hataoko ho an'i Yaveh toponigny maro dra ze minday soron'aby dra hihina amin'io dra hapangotraky ao agnatin'ireo. Amizay andro zay reo pivarosy dra sy ho ao atragnon'i Yaveh toponigny maro sasy.