Toko faha 4

1 Boak'eo nitoliky dra nanaisy anahy manahaky gny olo taisy aminigny torimaso gny ajely ze nizaka taminahy. 2 Hoy izy taminahy ho: "Ino gny hitanao?" Dra hoy zaho ho: "Mahita fanova-ziro vita aminigny volamena tateraky zaho, mindray aminigny pisy dililo eo atapony. Misy lela fanova ziro fito eo amizay dra misy fasiky fito eo amizay dra misy fasiky fito eo ataponigny loha-ziro sirairay. 3 Misy hazon'oliva ro eo agnilan'izay, dra eo aminigny ilany aminigny tagnakavananigny ilany akavia." 4 Noho zay dra nizaka taminigny azely ze nizaka taminahy ndraiky zaho. Hoy zaho ho: "Ino gny dikan'ireo raha reo, ry topoko?" 5 Namaly anahy gny azely ze nizakako vo nanao aminahy ho: "Sy fatasao ra gny dikan'ireo raha reo?" Dra hoy zaho ho: "Aha, sy haiko ry topoko." 6 Noho zay dra hoy izy taminahy ho: "Zao gny zakan'i Yaveh tamin'i Zerobabela: Sy ami-kery na aminigny tazaky, fa aminigny Fagnahiko, hoy Yaveh toponigny maro. 7 Ino moa hanao io, ry tendrombohisy lahibe? Ho lasa tany lemaky eo anolon'i Zerobabela hanao, dra hinday gny vato atao tendrony izy ba hihiaky ho: "Fahasoava! Fahasoava ho amizay!"' 8 Avy taminahy gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 9 "Nanoby gny fotos'ity tragno tihoky gny tanan'i Zerobabela dra hamita anizay gny tagnany. Dra ho fatandrareo fa Yaveh toponigny maro gny nignirany anahy ho aminao. 10 Iza gny nanao sinosino gny andron'ireo raha madiniky? Hiravo reo olo reo hahita gny vato pilao egny atagna'i Zerobabela. (Reo laha-ziro fito reo gny mason'i Yaveh ze magnety an'izao totlo izao.) 11 Boak'eo dra nagnotany anigny azely zaho ho: "Ino reo hazon'oliva ro ze misangan'eo akavia vo akavananigny fanova ziro reo?" 12 Nagnotany anazy ndraiky zaho ho: "Ino reo sapa-kazon'oliva ro agnilan'ireo fasiky volamena ro ze misy dililo volamena miraraky boak'eo aminazy reo?" 13 Boak'eo dra hoy izy taminahy ho: "Sy fatanao ra ho ino reo?" Hoy zaho ho: Aha, ry topoko." 14 Noho zay dra hoy izy ho: "Reo gny zana-dililo vaovao ze misanga manoloa gny topon'izao totolo aby zao."