Toko faha 3

1 Boak'eo Yaveh napiseho anahy an'i Josoa gny pisorombe ze nizora nagnoloa gny azelin'i Yaveh vo gny Satana nizoro teo atagnakavanany ba hepanga anazy ho nanota. 2 Hoy gny azelin'i Yaveh taminigny Satana ho: "Hizaka fatrasy aminao anie Yaveh, ry Satana, Yaveh, nisafidy an'i Jerosalema anie, hizaka fatrasy anao! Moa sy foroha nisariha taminigny afo ra ty?" 3 Nekazo fitafia maloto Josoa raha nizoro teo agnoloanigny azely. 4 Nizaka gny Azely vo nizaka tamireo ze nizoro teo agnoloany ho: "Alao aminazy reo fitafia maloto." Dra hoy izy tamin'i Josoa ho: "Ingo! Fa nalako taminao gny helokao dra hapekazoako akazo soa hanao." 5 Hoy izy ho: "Aoky ereo hanoby hamama malio eo andohany!" Dra nanoby hamama malio teo agnabo lohany lohan'i Josoa ereo dra napekazo anazy taminigny akazo malio raha nizoro teo agnilany teo gny azelin'i Yaveh. 6 Boak'eo gny azelin'i Yaveh nibaiko apahamatora an'i Josoa dra nizaka ho: 7 "Zao gny zakan'i Yaveh taponigny maro: Raha handeha aminigny lalako hanao, dra raha hitandry reo didiko hanao, dra hifehy gny tragnoko hanao dra hiamby gny koazako, akory hangako handeha vo hizoso eo amireo ze mizoro manolon' anahy reo hanao 8 Tenoy, ry Josoa pisorambe, hanao vo reo namanao ze mony mindray aminao! Fa famataranan'ireo olo reo, akory Zaho mihisy gny hapiakasy gny panopoko gny Rasa. 9 Dra atio gny vato ze natobikoeo agnoloan'i Josoa. Misy maso fito ao amin'io vato tokan'io, dra hanao sokisy sorasy Zaho__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro__dra hangala gny fahota amity tany tihoky ao agnatinigny andro raiky zaho. 10 Amizay andro zay__zay gny fagnambaran'i Yaveh toponigny maro__gny olo sirairay dra hanasa gny piara-belon'aminazy ba hitoby ambaninigny voaloboky vo ambaninigny hazon'aviaviny."