Toko faha 2

1 Magnaraky anizaho dra nanandrasy gny masony zaho vo nahita lelahy niaraky tamigny taly fandrefesa tany an-tanety. 2 Hoy Zaho ho: "Handeha ho eza hanao?" Dra hoy izy taminahy ho: "Handrefy an'i Jerosalema, hamarisy gny sakany vo gny halavany." 3 Dra nadeha gny azely ze nizaka taminahy dra nisy azely raiky hafa niboaky ba hisena anazy. 4 Hoy gny azely faharo taminazy ho: "Mihazakazaha vo mizaka aminigny tovolahy igny; zakao ho: 'Hitoby eo aminigny tana misokaky i Jerosalema nohonigny hamaroanigny olo vo reo biby ao aminazy. 5 Fa Zaho__zay gny fagnambaran'i Yaveh__dra ho avy manda afo magnodidin'anazy, dra ho voninahisy eo agnevony zaho. 6 Malaky! Malaky! Menga boak'agny aminigny tany avarasy__zay gny fagnambaran'i Yaveh__fa Zaho fa napiely andrareo manahaky gny rivosy efasy gny lagnisy! __Zay gny fagnambaran'i Yaveh. 7 Eh! Menga magnagny Ziona, handrareo ze mitoby mindray aminigny zanakapelan'i Babylona!"' 8 Fa tafaranigny nagnomezan'i Yaveh taponigny maro voninahisy anahy vo nandefasany anahy hanohisy reo firenena ze nandroba andrareo__fa na iza na iza mikasiky andrareo, dra mikasiky gny ana-kandriamason'Agnahary! __gny fa avy nanao anizay i Yaveh, dra hoy Izy ho: 9 "Zaho mihisy gny hignizisy gny tagnako amin'ereo, dra ho babo ho an'ireo andevony ereo." Dra ho fatandrareo fa i Yaveh taponigny maro gny nagniraky anahy. 10 "Mihira ho aminigny fifalia, ry zanakapelan'i Ziona, fa Zaho mihisy gny ho avy vo hitoby eo aminindrareo!__zay gny fagnambaran'i Yaveh." 11 Boak'eo reo firenen-dehibe hindray amin'i Yaveh amizay andro zay. Hoy izy ho: "Dra ho avy vahoako handrareo; fa hitoby eo agnevondrareo zaho," dra ho fatandrareo fa Yaveh toponogny maro gny nigniraky anahy ho eo amindrareo. 12 Fa Yaveh hapandova an'i Joda manahaky gny fanagnany ara-drariny agny aminigny tany masy dra hifily ndraiky an'i Jerosalema ho anazy. 13 Ka mizaka, eo agnatrehan'i Yaveh, ry nofo aby, fa nisanga boak'ao aminigny toerany masy Izy!