Toko 9

1 Napagneno gny trompetrany gny azely fahadimy.Nahita vasia bak'agny andagnisy zaho ze nilasaky tegny atany. Gny vasia gny nome gny fanalahilign'ny lavaky sy hita resy. 2 Nisofafiny gny lavaky sy hita resy,dra niakasy gny setroky niboaky tao amigny lavaky mitovy gny setroky bak'ao amy lafory lahibe. Nivaliky maloky gny masoandro vô gny sioky nohogn'ny setroky niboaky tao andavaky. 3 Baka amigny setroky gny nahavian'ireo valala teto agn'abony tany,dra nome hery tahaky gny agny maingoka teto agn'abony tany izy reo. 4 Nizaka ereo sy hanimba gny ahisy teto agn'abony tany na reo raha misiry meso na hazo,fa reo olo ze sy mana tombo-kasen'agnahary eo amigny handrin'ereo avô. 5 Sy nahazo alala gny hamono reo olo reo ereo ,fa hapizaly anazy reo mandrisy gny dimy vola avô. Gny fahatahoran'ereo dra ho tahaky gny sindrogn'ny maingoka gny fa mamely olo. 6 Amin'ireo andro reo dra hitalia fahafatesa gny olo,fa sy hahita anizay. Hagniry gny ho maty ereo,neda handositry anazy reo gny fahafatesa. 7 Mitovy gny sovala nomany tamigny aly reo valala. Tamigny lohan'ireo dra nisy raha mitovy gny satro-boninahisy volamena, dra gny vatan'ireo dra mitovy gny tarehin'olombelo. 8 Nana volo mitovy gny volonapela ereo, dra gny nifin'ireo dra manahaky nifin'ireo liona. 9 Nana fiarova-tratra mitovy gny fiarova-tratra vy ereo,dra gny feony elasin'ireo dra mitovy gny feony kalesy vô sovaly maro milomay ho agny amigny aly. 10 Nana rambo nisy fanindroma manahaky gny maingoka ereo ; ao amigny rambon'ireo gny misy gny hery hanimba gny olo mandrisy gny dimy vola. 11 Nana Pajaza ereo dra gny azelign'gny lavaky sy hita resy . Gny agnarany tamigny zaka Hebreo dra Abadona,dra gny agnarany tamigny zaka gruka dra i Apolyona . 12 Lasa gny loza volohany.Indro ! tafaran'izao dra bô hisy loza rô ho avy. 13 Napagneno gny trompetrany ilay anjely fahaenina, dra nahare gny feoniboaky tamigny tandroky gny alitara volamena ze fa nisy teto anatrehan'andriamanitra zaho. Dra nizaka tamign'ny anjely fahaeninagny feo monao ho: "Avasory reo anjely afasy ze mifehy agny amigny renirano lahibenigny Eofrata." Reo anjely efasy ze fa nomany tamizay lera zay, ize andro ize, ze volana ize dra ez taona ze, dra navotosy ba hamono gny ampahatelon'igny olombelo. 16 Gny isan'ereo miaramila nitikisy sovala dra 200,000,000. Nahere gny isa reo zaho. 17 Manahaky anizay gny fomba fahitako gny reo sovaly tao amigny fahitako vô reo ze nitikisy teo amin'ireo: Reo fiarova-tratran'ereo dra mirehisy mena, manga antisy dra solifara mavo.Nitovy tamigny lohan'ereo liona hmu lohan'ereo sovala ,dra gny niboaky boak'ao am-aban'ireo dra afo ,setroky,dra solifara. 18 Dra gny apahatelon'ereo olo dra matin'ireo Loza telo: gny afo,gny setroky ,dra gny solifara ze niboaky bak'ato ambavan'ereo. 19 Fa gny herin'ereo sovaly dra bak'ao amigny vatan'ireo vô tamigny rambon'ireo fa gny rambon'ireo dra manahaky gny bibilava,dra nana loha ze afaky mandrasy olo ereo. 20 Gny ambin'ereo olombelo ,reo ze sy matin'ereo Loza reo ,dra sy nibebaky Tamin'asa ze vitan'ereo ,na nizano nanopo gny devoly vô sapy volamena,volafosy,varahana, vato,dra hazo-nireo raha ze sy hita maso ,re,dre mandeha . 21 Ereo dra bô sy nibebaky tamigny asa famonoa,gny famosavinereo ,gny fizangazanga dra reo asa fangalaran'ereo.