Toko 8

1 Gny fa nivahany zanak'agnondry gny tombo-kase fahafito, dra nisy fahangina tagny andagnisy teo amy asasaky gn'ora teo . 2 Bak'eo dra hitako reo azely fito ze nisanga teo alohan'agnahary, dra nome trompetra fito ereo. 3 Nisy azely hafa avy,nita finga volamena fagnoroa litin-kazo magnisy, nisanga teo agn'abony gny alitara. Litin-kazo magnisy maro gny nome anazy bâ hanolorany anizay bâmign'ny vavaky gny pino eo agn'abony alitara volamena fagnoroa litin_kazo magnisy eo alohany seza-boninahisy. 4 Gny setroky gny ditin-kazo magnisy ,bâmbagny vavak'ereo pino,dra niakasy teo alohan'agnahary baka amigny azely. 5 Nangalaky gny finga fagnoroa litin-kazo magnisy gny azely dra nameno ze tamigny afo Bak'eo amigny alitara. Bak'eo natorany tamigny tany, dra nisy kotro- barsky, helasy mdra horohoro-tany. 6 Reo azely ze nana reo trompetra fito dra nioma hisioky anizay. 7 Nisioky gny trompetra gny azely volohany ,dra nisy havandra vô afo mifangaro lio. Natorany tegny atany ze bâ ho may gny apahatelon'izay ,may gny apahatelogn'ny hazo,dra may avôkoa reo ahi-meso . ( fanamariha : Gn'ilany amin'ereo litin-kazo taloha dra mangalaky gny hô: '' bâ ho may gny apahatelon'izay.'') 8 Nisioky gny trompetranygny azely faharô,dra nisy raha manahaky gny vohisy lahibe nirehis'afo natoraky tany an-dranomasy. Lasa ra gny apahatelogny raha-managn'ay tao an-dranomasy, dra rava gny apahatelon'ereo sambo. 10 Nisioky gny trompetrany gny azely fahatelo ,dra nisy vasia lahibe nilasaky bak'agny andagnisy, mirehisy manahaky gny fanilo, tamigny apahatelon'ereo ony vô loharano. 11 Raha mafaisy gny agnarany vasia.Lasa mafaisy apahatelogn'ny rano ,dra olo maro gny maty tamigny rano ze lasa nafaisy . 12 Nisioky gny trompetra gny azely faha-efasy,dra niova gny apahatelogny masoandro ,manahaky gny apahatelogny vola vô gny apahatelon'ereo vasia.Noho zay dra lasa mezy gny apahatelon'ereo ; sy nisy hazava gny apahatelogny andro vô gny apahatelogny hariva. 13 Nagnety zaho ,dra nahare voro-mahery ze nitily tegny agnevogn'ny lagnisy,nitoka tamigny feo fatrasy hô: ''' Loza, loza , loza , ho an'ereo ze mony egny amigny tany,nohogn'ny feony trompetra sisa ze fa ho sor fin'ereo azely telo."