Toko 7

1 Tarafan'izay dra nahita azely nisanga teo amy zoro tany efasy zaho, nagnohisy fatrasy gny sioky efasy gny tany,bâ sy hisy sioky amigny tany ,amigny ranomasy, na hifanohisy amy hazo aby. 2 Nahita azely hafa zaho niakasy baka amy tany asignana, ze nana gny tombo-kasen'agnahary velo. Nikoraky tamigny feo fatrasy tamin'ereo azely efasy ze nahazo alala hanimba gny tany vô gny ranomasy izy hô: 3 ''Ka simba gny tany ,gny ranomasy,dre reo hazo mandra-panisisika gny tombo-kase eo amigny handrin'ereo panopon'agnaharisika." 4 Nahare gny isan'ereo ze voatombo-kase zaho: 144,000,gny voatombo-kase tamign'ny fokogny olon'Israely iaby: Rôa arivo vô ray aly gny voatombo-kase baka tamigny fokon'i Joda ,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Robena,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Gada, 6 rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Asera,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Naftaly,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Manase. 7 rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Simeona, rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Levy ,rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Isakara, 8 rôa arivo vô ray aly baka fokon'i Zebolona, rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Josefa,dra rôa arivo vô ray aly baka tamigny fokon'i Benjamina gny voatombo_kase. 9 Tafaran'ereo raha reo dra nagnety zaho ,dra nisy olo maro be ze sy tambo isaky avy tamigny firenena,foko ,olo,dra fizaka iaby nisanga teo alohany seza fiandriana vô teo alohany zanak'agnondry. Nanao akazo lava fosy vô mita sapa-drofia tegny amigny tagnan'ereo, 10 dra nitoka fatrasy tamigny feo mahery ereo nanao hô: ''Gny famozena dra an'Agnaharisika ze mipetraky eo agn'abony seza fiandriana, vô agny zanak'agnondry! '' 11 Gny azeliny any nisanga magnodidy gny seza fiandriana vô magnodidy reo loholo vô gny raha-managnay efasy ,dra ereo dra napandohaliky gny tavan'ereo teo alohany seza fiandriana. Nivavaky tamin'Agnahary ereo 12 nanao hô :'' Ameny !Dera ,voninahisy ,fahendrena,fisaora,fahefa,dra gny hery anie ho an'agnaharisika mandrakizay doria! ameny !'' 13 Bak'eo gny raiky tamin'ereo loholo nagnontany anahy hô: ''Iza reo,mekazo akazolava fosy,dra bak'eza ereo ?'' 14 Hô zaho taminazy : ''Topoko,anao mahafatasy ,'' dra hô izy taminahy:'' Reo gny hiboaky baka amigny Fahoria lahibe .Nisasan'ereo gny akazolavany dra nifosiany tamigny liogn'ny zanak'agnondry. 15 Noho zay atony zay,dra alohan'gny seza eo fiandrian'agnahary ereo ,vô mivavaky aminy andro vô hariva ao amign'gny fiangonany. Gny raiky ze nipetraky teo amigny seza fiandriana dra hamelasy gny fandriany amin'ereo. 16 Sy ho resy sasy ereo ,dre hangetaheta draiky.Sy hamely anazy gny masoandro,dre gny hafana magnoro. 17 Fa gny Zanak'agnondry eo agnevogn'ny seza fiandriana gny ho piamby anazy reo vô hitari-dala anazy reo agny amigny loharanogn'ny rani velo,dra hofafan'agnahary gny ranomaso amign'ereo aby.''