Toko faha 6

1 Gny hanokaky gny raiky tamin'ireo tombo-kase fito gny Zanak'agnondry dra nagnety zaho, dra nahare gny raiky tamin'ireo raha-managnay efasy tamigny feo manahaky gny hotriky zaho nizaka ho:"Avia! 2 Nagnety zaho dra nisy sovala fosy teo. Gny pitikisy izay dra nita sipiky, dra name satro-boninahisy izy. Niboaky manahaky gny mandresy izy ba handresy. 3 Gny fa nanokaky gny tombo-kase faharo gny Zanak'agnondry, dra nahare gny raha-managnay faharo zaho nizaka ho:" Avia!" Dra nisy sovala hafa niboaky mirehisy mena. Gny pitikisy izay gny name alalana hangalaky gny fiadagna amigny tany, ba hifamono gny olo. Io mpitikisy io dra nagnome sabasy lahibe. 5 Gny fa hanokaky gny tombo-kase fahatelo gny zanak'agnondry, dra nahare gny raha-managnay fahatelo zaho ho:" Avia!" Nahita sovala mety zaho, dra gny mpitikisy izay dra nita mizana tegny atany. 6 Nahare manahaky gny feotamigjy raha- managn'ay efasy zaho nizaka ho:" Gny vary toran'NY fatra-bary ho an'ny denaria raiky, era gny hordea itelon'NY fatra-bary ho an'ny denaria raiky. Fa ka manoka gny menaky vo gny divay." 7 Gny fa hanokaky gny tombo-kase fahefasy gny zanak'agnondry, dra nahare gny feon'ny raha- managn'ay fahefasy zaho nizaka ho:" Avia! 8 Dra nahita sovala hasasa zaho. Gny mpitikisy izay dra nitokavy ho Faty, dra ireo lolo dra nagnoriky anazy. Name fahefana amigny ampaha- efasy gny tany izy reo, ba hagnome sabasy, hanohagna co arety, dra amin'ireo bibidian'NY tang. 9 Gny fa hanokaky gny zanak'agnondry, dra hitako tao ambany alitara ireo fagnahin'ireo izay nivono noho gny zakan'Izagnahary vo gny fizoroa vavolombelo izay nizakan'ereo. Nikoraky tamigny feo fatrasy ereo ho:" Mandrakom-bia, dra panapaky agnabony aby, masina co marina, gny fisarana ireo izay miay eto atany, co hamalianao faty gny babany? 11 Dra nagnome akazolava gny kiraikiraiky avy tamigny ireo, dra nizakany izy ireo fa tokony nandigny selasela mandra-pahaloany gny isa fenon'ireo piaramanompon'izy oreo vo ireo rahalahy vo anabavin'izy reo izy tokony hovono izy reo, manahaky gny hamonoa anazy reo. 12 Gny fa hanokaky gny tombo-kase fahangina gny zanak'agnondry, dra nagnety zaho dra nisy horohoro- tang lahibe. Lasa mety manahaky gny lamba fandala gny masoandro, dra gny vola fagmomana era lasa manahaky gny lio. 13 Reo vasia tegny amigny lagnisy dra nilavo tetiky atany, manahaky gny aviavy magnisa gny tegnany mata gny fa fihesiky gny rivosy mahery. 14 Gny lagnisy dra nazavo manahaky gny horogna- taratasy izay nagnorogna. gny tendrombohisy co gny nisy aby dra nala teo amigny toerany. 15 Avy eo ereo mpazakagn'NY tany vo gny olo manan-daza, vo ireo generally, gny mpana-karena, gny mahery, dra gny hafa aby, andevo vo afaky, novotny tao agnatin'ereo lava-bato vô tamin'ereo vatolapinign'ny vohisy. 16 Nizaka tamin'ereo vohisy vô tamin'ereo vatolapy ereo hô: '' Milavoa aminay ! Ahazaho amign'ny tavagny raiky ze mipetreky eo amigny seza fiandria vô amigny fahahiriagn'ny zanak'agnondry zahay. 17 Fa avy gny andro lahibegn'ny fahorian'ereo. Iza gny hahavita haiharisy?