Toko faha 5

1 Dra nahita gny tagna-kavanagn'ny raiky ze nipetraky teo amigny seza fiandriana zaho, horo-taratasy voasorasy eo agnoloa vô ao afara.Dra nifeheziny tamign'ny tombo-kase fito zay . 2 Nahita azely mahery nagnambara tamign'ny feo fatrasy zaho ,nizaka hô: '' Iza gny mendriky gny hanokasy gny horogna-taratasy dra hamoha gny tombo-kasen'izay?'' 3 Sy misy olo baka andagnisy na eto an-tany na ambanin'gny tany ka afaky hanokasy gny horonan-taratasy dre hamaky anizay. 4 Nitomagny fatrasy zaho satria sy nisy olo hita mendriky gny hanokaky gny horogna taratasy na hamaky izay. 5 Kanefa gny raiky tamin'ere nizaka taminahy ho :"la mitomagny. ingo! gny liony fokon'i Joda, gny solofon'I Davida, dra nandresy. Afaky gny hanokaky gny horogna taratasy vo reo tombo Kasey fito izy . 6 Nahita zanak'agnondry misanga eo agnelagnelan'NY seza fiandrianana vo reo raha managn'ay efasy dra eo agnevon'ereo loholona zaho. Manahaky gny olo vono izy. Nana tandroky fito voo maso fito izy;izy reo gny fagnahy fiton'Andriamanitra nalefa nanera gny tany. 7 Nandeha izy dra nangalaky gny horogna taratasy tegny amigny tagna-kavananigny daily izy nitoboky teo amigny seza fiandrianana. 8 Gny fa tinakany gny zanak'agnondry gny horogna-taratasy, reo raha-managnay efasy vo reo loholony. Samy nana lokanga vo ampondra volamena feno emboky magnisy avy gny kiraikiraiky tamigny reo, izzy vavak'ireo mpino. 9 Nihira hira vaovao izy reo:"Mendriky gny handray gny horogna-taratasy hanao dra hanokaky gny tombo-kasen'izay.Fa hanao dra nivono, dra tamigny lionel gny miviliana an'ireo olon'izagnahary avy tamigny foko, fizaka, olo, dra firenena aby. 10 Nataaonao fanjakana co pisoro izy reo ba hanompo an'i Zagnahary, dra hazaka eto vatany." 11 Avy eo zaho dra nahita vo nahare feon'azely maro nagnodidy gny seza fiandrianana vo ireo raha-managnay dra reo loholona. Gny fitambaran'ny izy reo dra amihariva. 12 Nizaka tamigny feo fatrasy izy reo ho:"Mendriky anie gny zanak'agnondry izay nivono ba handray fahefana, harena, fahendrena, hery,laza,voninahisy, dra dera." Nahare reo raha voafora aby izay tagny an-dagnisy vo teto atany dra an-dranomasina zaho- gny raha aby tao agnatin'ireo-nizaka ho:"Ho any iray izay nitoboky eo amigny seza fiandrianana vo ho any zanak'agnondry, anie gny dera, gny laza,gny voninahisy,dra gny fahefana hikomandy, mandrakizay doria." 14 Ireo raha-managnay efasy, nizaka ho:"Amena!"dra reo loholona niakohoky vo nivavaky.[fagnamariha:Gny sasany amin'ereo dika-zaka taloha dra mivaky ho:"Ireo loholo ro amby efa polo dra niakohoky vo nanompo any izay velo mandrakizay doria."]