Toko faha 4

1 Tafaran'izay raha zay dra nagnety zaho,dra nahita vatrangara raiky nisokasy tegny amigny lagnisy . Gny feo volohany ze reko dra niresaky taminahy manahaky gny trompetra ,nanao hô: '' Miakara etihô,dra ho aboako anao ze sy maisy hisy afaran'ereo .'' 2 Nisy fotoa zaho voatariky gny fagnahy,dra nahita fa nisy seza fiandriana nipetraky tegny amigny lagnisy ,nisy olo nipetraky teo agn'abonin'izay. 3 Gny raiky ze nipetraky teo agn'abony dra miendriky tahaky gny jaspa vô karneola. Nisy avana nagnodidy gny seza fiandriana , Gny avana dra miendriky manahaky gny emeraoda. 4 Nisy seza fiandriana efasy amby rôpolo nagnodidy gny seza fiandriana ,dra loholo efasy amby rôpolo gny nipetraky teo agn'abon'ereo seza fiandriana,niakazo fosy,niaraky tamigny satro-boninahisy volamena tegny amigny lohan'ereo . 5 Baka tamigny seza fiandriana gny nisy helasy fahazava, kotroka, dra kotro-barasy . Nisy ziro fito nirehisy teo alohany seza fiandriana ,ziro ze fagnahy fiton'agnahary 6 Teo alohagn'ny seza fiandriana dra nisy ranomasy fitarasy ,manahaky gny kristaly. Reo raha-managn'ay efasy dra teo agnevogn'ny seza fiandriana vô nagnodidy anizay ,feno maso ,teo agnoloany vô tao an-damosiny. 7 Gny raha-managn'ay volohany dra manahaky gny liona ,gny raha -mahagn'ay faharô manahaky gny zanak'ambomby,gny raha managn'ay fahatelo dra manahaky gny olo,dra gny raha managn'ay fahefasy manahaky gny voro-mahery mitily. 8 Reo raha-managn'ay efasy dra samy mana elasy enina aby, feno maso gny agn'abony vô gny ambany. Andro vô hariva ereo dra sy mizano mizaka hô:'' Masy ,masy, masy gny Topo zagnary sitoha ze nisy, vô misy, dra bô ho avy." 9 Dre ombia dre ombia gny raha managn'ay dra hagnome voninahisy ,laza,dra fisaora agny raiky ze mipetraky eo amigny seza fiandrianana , gny raiky ze velo mandrakizay doria, 10 reo loholo efasy amby rôpolo dra nampiankohoky gny vatan'ereo eo anoloagn'ny raiky ze mipetraky eo amigny seza fiandrianana. Mandohaliky eo amign'ny ze velo mandrakizay doria ereo, sady nanoraky gny satro-boninahisin'ereo teo agnoloagn'ny seza fiandrianana, mazaka hô: 11 '' Mendriky anao,toponay vô Zagnahary, handray gny voninahisy vô gny laza sady gny hery . Fa anao gny namoro gny raha iaby,sady tamign'ny alalagn'ny sitraponao,dra nisy tinezà nereo.''