Toko faha 3

1 Sorato ho anigny azelinigny fengona agny Sardisy ho: 'Izao gny zakanigny mitàna gny Fagnahy fiton'Agnahary vo reo kita fito. "Fataso ze nataonao. Malaza ho velo hanao, nefa hanao maty. 2 Mifohaza vo hatazaho ze tavela, fa ho maty, akory sy hitako tateraky reo asanao eo amason'Agnahary. 3 Tadidio, noho izay, ze nitakarindrareo vo rendrareo. Akatoavo zay, dra mibebaha. Fa raha sy mifoha handrareo, dra ho avy manahaky gny pangalasy zaho, dra sy ho fatandrareo gny ora heviako amindrareo. 4 Fa misy agnaran'olo visivisy agny Sardisy ze sy nandoto gny akazon'ereo. Handeha hiaraky aminahy ereo, mekazo fosy, akory mendriky. 5 Gny raiky ze maharesy dra hapekazo fosy,dra sy hamafa gny agnarany ao amigny Bokinigny fiegna mihisy zaho, dra hizaka gny agnarany eo agnatrehanigny Rako, vo eo agnatrehan'ireo azeliny. 6 Aoky ze mana-sofy hiteno ze zakanigny Fagnahy amireo fengona.""' 7 "Soraty ho agny azelign'gny fiangonana agny Filadelfia hô: ' Izao gny zakagn'ny raiky ze masy vô mary izy gny mità gny fanalahilign'gny Davida, izy gny mamoha sady sy misy dre iza dre iza magnily ,izy gny magnily dra sy misy dre iza dre iza afaky mamoha . 8 '' Fatasiko ze vatandrareo. Indro , nametrahako vatrangara mivoha eo agnoloandrareo ze sy afaky hilin'iza dre iza . Fatako fa mana hery andrareo ,ka nagneky gny zakako sy sady sy nandà gny agnarako. 9 Indro ! reo ze agny synagogagn'ny Satana, reo ze mizaka fa Jiosy ereo nefa sy izy akory;fa mavandy koa ereo . Hataoko avy dra handohaliky eo antombonao ereo ,dra ho avy ereo ,dra ho avy ereo bâ ahafatasy fa nitia anao zaho. 10 Satria fa nitandry gny didiko tamign'ny fahareta andrareo , dra hiaro andrareo amigny andro fisapa ze fa ho avy amin'izao totolo zao iaby avô koa zaho, bâ hisapa reo ze miay eo agn'abony tany. 11 Ho avy sy ho ela zaho.Tano fatrasy ze hanagnanao bâ schist afaky hangalaky gny satro-boninahinao. 12 Ataoko andry eo amign'ny fiangonagn'Agnahariko ze mandresy,dra sy hiala eo mihisy izy . Ho soratako eo aminazy gny agnaran'Agnahary , gny agnaran'ny tanan'agnahary ( gny Jerosalema vaovao ,zay bak'any andagnisy baka amigny zagnahariko),vô gny agnarako vaovao. 13 Aoka ze mana-sofy hiteno ze zakagn'ny Fagnahy amin'ereo fiangona.''''' 14 '' Sorato ho agny azelign'gny fiangonana agny Laodikia hô: '' Izao gny zakagn'ny Amena, gny vavolombelo mahatoky vô mary ,gny panapaky gny raha-boaarin'agnahary. 15 '' Fatako ze nataon'ereo, dra sy mangasiaky na mafana andrareo . Magniry zaho bâ ho mangasiaky na mafana andrareo ! 16 Noho zay ,satria andrareo matimaty -sady sy mafana gny sy mangasiaky dra fa laloagn'ny vavako andrareo. 17 Fa hô andrareo hô: 'Mana-karena zaho,nana fitaova maro ,ka sy mila na ino na ino . ' Saiky sy fatasindrareo fa andrareo gny tena ôry ,mampahonena, mizaly , poaky sady mitazaky . 18 Tenoy gny torohevisiko: Miviliana volamena voalio tamign'ny afo aminahy bâ ho avy pagnarivo andrareo ,sady akazo fosy manjopiaka bâ ho afaky mampiakazo gny vatandrareo andrareo ka sy hapiboaky gny hegnasy gny fitanandrareo,dra hagnososy gny masondrareo bâ hahitandrareo. 19 Apiofagniko gny sirairay ze tiako aby, dra hapenariko anereo gny fomba tokony hiegnan'ereo. Noho izay, mazotoa vo mibebaha. 20 Ingo, mizoro eto amigny vatrangara zaho dra mandondo. Raha misy mahare gny feoko dra mamoha gny vatrangara, dra ho avy ao atragnony zaho dra hihina miaraky aminazy, dra izy miaraky aminahy. 21 Gny raiky ze mandresy, hatoloso anazy gny zo hipetraky miaraky aminahy eo amigny seza fiandrianako, manahaky gny nandresako koa dra nipetrahako niaraky tamigny Rako teo amigny seza fiandrianany. 22 Aoky ze mana-sofy hiteno ze zakanigny fagnahy amireo fengona.""'