Toko faha 13

1 Dra nahita bibi-dia zaho niakasy avy tamigny ranomasina. Nanana tandroky folo zay dra loha fito. Teo amigny tandrony dra nisy diadema folo, dra teo amigny lohany dra nisy agnara fizaka-drasy avy. 2 Gny bibi-dia ze hitako dra manahaky gny leoparda. Dra tombony dra manahakigny vavan'ny liona. Gny dragona nagnome anazy gny heriny, gny seza fiandrianany, dra gny fahefany lahibe hanapaky. 3 Gny lohanigny bibi-dia raiky dra toa fa maty, kanefa sitrany gny marasy faho mahafaty anazy. Dra gaga gny tany aby dra nagnoroky gny bibi-dia. 4 Dra gny niondriky koa teo amign'ny bibi-dia, dra, izy reo nizaka ho: "Iza gny manahaky gny bibi-dia?" dra"Iza gny afaky mialy aminazy?" 5 Name vava afaky hizaka firehafa vo fizakan-drasy gny bibi-dia. Nome alalana izy mba ham-pihasy fahefa zisikagny efesy ambi-efapolo volana. 6 Dra 6Dra namoaky gny vavany hizaka rasy an'Andriamanitra gny bibi-dia: nizaka rasy gny agnarany, gny tany ze hipetrahany dra reo izay mipetraky ao an-dagnisy. 7 Nangany hitalia tamin'ereo mpino dra handresy anazy reo gny bibi-dia. Dra koa, gny fahefa dra name anazy menara gny foko, gny olo fizaka, dra gny firenena aby. 8 Handohaliky eo aminazy reo aby izay mitoboky agnabony tany, reo zay sy voasorasy agnara, mandrisigny famorogna izao totolo izao, so amigny Bokin'ny Fiegna, izzy an'ny zanak'agnondry, izay fa nivono. 9 Gny misy manasfy, angao izy hizaka. 10 Gny misy nala babo, dra handeha amigny fahababoana izy. Gny misy nivono tamigny sabasy, amigny sabasy gny hamonoa anazy. itiky guy aso ho an'ny fahareta dra finoa ho an'ereo izay masy. 11 Dra nahita bibi-dia hafa zaho niakasy avy tamigny tany. izay dra nana tandroky to manahakigny zanak'agnondry., dra nizaka manahaky dragona. 12 Napihariny aby gny fahefa aby an'gny bibi-dia volohany eo agnatrehany, dra gny tany vo reo izay mitoboky eo aminazy dra asny mandohaliky eo amigny bibi-dia volohany___ gny raiky izay sitrany tamigny rasy saiky nahafaty anazy. 13 Nanao fahagaga maro lahibe izy. Nampizoso ago avy agny an-dagnisy ho amigny tany teo alohany olo. 14 Tmigny alalan'ny famatara dra name alalana anao izay, namitaky an'ireo izay mitoboky agnabony tany izay. Nizaka tamin'ereo izy ba hagnamboasy sary ho voninahisy gny bibi-dia izay voasorasy gny sabasy nefa velo. 15 Nanga hasina at gny tamin'ny bibi-dia ba ahafahanigny sary mizaka dra izay aby sy magneky mandohaliky amigny bibi-dia dra nivono. Nanery gny kiraikiraiky avo koa izy, na gny masaisaiky na gny lahibe, na gny manakarena na gny mahatra, na gny sy andevo na gny andevo, dra mandry gny mary eo amigny tana akavana na eo amigny handriany. Sy hisy olo mahazo mivily na mamarosy mandra-pahaviny gny mariky gny bibi-dia, izzy dra gny isany fanehoany gny agnarany. 18 Izao dra miaraky fahendre. Gny misy olo manan-say,aoka izy hagnysaky gny hitanigny gny bibi-dia. Fa izao dra isanigny olo. Izao isa said 666.