Toko faha 12

1 Famatara lahibe gny hita tagny an-dagnisy: apela nagnisy gny masoandro, va gny volana teo ambanin'ny tombony, vo gny satro-boninahisy vita tamign'ny vasia ro ambin'ny gny teo amigny lohany. 2 Bevoka izy, vo nihiaky fatrasy fa ho teraky ao agnatiny fihesehan- jaza. 3 Dra eo nisy famatara hafa niseho tagny an-dagnisy: Indro! Nisy dragona mena goavam-be izay nana loha fito vo tandroka fola, Vo nisy satro-boninahisy fito teo amin'ireo lohany. 4 Gny hoiny dra nifaoky gny ampahatelon'ny kitana tagny an-dagnisy sady nagnabitrosy anazy ereo tegny amigny tany.Gny dragona nisanga teo alohany apela faho teraky, gny fa teraky izy, dra afaky hamono gny zanany izy. 5 Niteraky zazalahy izy, izy hanapaky firenena aby mindray amigny tehiny.Gny zanany dra nala amizao ho egny Amin'izagnahary vo ho eo amigny seza fiandrianany, 6 Dra gny apela nandososy nagnagny agnefisy, say nisy toera fa nomagnin'iZagnahary ho anazy, dra ho voakarakara mandrisy gny 1260 andro izy. 7 Dra nisy aly an-dagnisy. Mikaela co reo azely dra nialy tamigny dragona; dra gny dragona vo gny azely dra namaly aly. 8 Fa sy matazaky gny dragona dra sy maharesy. dra sy nisy toera ho nazy vo reo azely sasy tagny an-dagnisy. 9 Gny dragona lahibe____izay menarana fahiny nitokavy hoe devoly na Satana, gny namitaky an'izao totolo zao___ dra natoraky egny agnabony tany, dra reo azely dra natoraky nindray taminazy 10 Avy nahare feo fatrasy avy agny an-dagnisy zaho:" amizao dra avy gny famozena, gny hery, gny fazakan'izagnaharisika dra gny fahefan'I Kristiny. Fa gny mpiampanga gny rahalahisika dra natoraky tagny ambany, gny raiky izay miampanga anazy reo andro amihariva eo agnatrehan'izagnahary. 11 Izy reo dra maharesy anazy tamign'ny liony Zanak'agnodry vo tamigny zaka fizoroan'ereo vavolombelo, fa sy nagnamamy gny fiaignany sasy izy reo ba dre ho maty aza. 12 Noho izay, mifalia, handrareo ry lagnisy, izay aby toboky ao aminazy. Fa mitandrema gny amigny tany vo gny ranomasina satria gny devoly dra nizoso tegny amindrareo. Feno fahatezera izy, satria fatany fa fotoana boribory sisa gny hanagnany. 13 Gny fa nahafatasy gny dragona fa nalavo tamigny tany izy, dra nagnoriky gny apela niteraky zazalahy izy. 14 Fa gny apela dra name elasy Ron'ny voromahery lahibe, dra afaky nitily nagnagny amigny toera nikarakarany ho nazy agnefisy. Io gny toerana hisizova anazy, mandrisy gny telo tao vo tapany___ ba sy ho hitan'ny menarana. 15 Nagnaboaky rano manahaky gny renirano tamign'ny vavany gny menarana, izay handay andrapela. 16 Fa guy tany nagnampy andrapela. Nisokafiny tagny gny vavany dra natolony izay naboakin'NY vavanigny dragons. 17 Dra ory tamin-dravehivavy gny dragona dra niala nitalia aly tamigny sisan'ireo taranany, izay makato gny didin'izagnaharu dra mita gny fizoroa vavolombelo momba an'i Jesosy. Avy eo nisanga teo agnabony fasy gny ranomasy gny dragona.