Toko faha 11

1 Name volotara ba hapesa manahaky gny they zaho. Nizaka taminahy ho:"Misangana era refeso gny tempolin'izagnahary vo gny alitara, dra reo izay mivavaky ao. fa ka refesy gny kiaza eo ambaliky gny tempoly, fa name an'ereo zetilisa izay. Hagnisaky gny tana masy mandrisy gny ro amby efapolo volohany izy reo. 3 Hameko reo vavolombelo ro gny fahefana naminany gny 1,260 andro, nagnisy lamba fandala." 4 Reo vavolombelo reo dra hazon'oliva roa vo gny fittboha-ziro roa izay nisanga teo agnatrehany tompon'ny. 5 Gny misy olo misafily handrasy anazy reo, dra miboaky afo gny vavan'izy reo. Na iza na iza magniry gny handrasy anazy reo dra sy maisy hovono Amin'izay fomba izay. 6 Reo vavolombelo reo dra mana fahefa hagnisy gny lagnisy ba sy hilasahany ora mandrisy gny andro haminanian'izy reo.Manafahefa izy reo hagnova gny rano ho lio vo hamely gny tany aminigny karazany loza aby na ombia na ombia irin'ereo. 7 Gny ho vita gny fizaroan'izy reo vavolombelo, dra miakasy avy agny agnaty lavaky sy hita resiresy gny bibidia hialy hanohisy anazy reo. Handresy anazy reo izy dra hamono anazy reo. 8 Hiampasy egny amigny lalan'ny raha-lahibe gny fatin'izy reo (izy tokavy avo koa ho Sodoma vo Egypta) izzy namasiha gny tompon'izy reo. 9 Hagnety gny fatin'izy reo mandrisy gny telo andro vo tapany gny olo, gny foko, fizaka, dra gny firenena aby. Sy ho angan'ero hametraky ao an-dolo se. 10 Ireo izy miay eo agnabony tany dra hifaly amin'ereo dra hakalaza. Hifandefa fagnomeza vatany aza ereo satria mampifaly reo zay miay agnabony tany reo zay paminany ro reo. 11 Fa afaky telo andro go tapany dra hilisy ao amin'ereo gny fofogn'ainy avy Amin'izagnahary, dra nizoro amigny tombony izy reo. Nilasaky amin'ereo izay mahita anazy reo gny tahosy lahibe. 12 Avy eo dra Handre feo mahery avy agny an-dagnisy izy reo mizaka anazy reo ho:"Magnaniha eto!"Avy do dra hiakasy ho agny an-dagnisy so agnaty raho izy reo, gny bo magnety tany reo fahavalon'izy reo. 13 Amizay ora izay dra hisy horohoro-tany fatrasy, dra hosola gny ampahafolon'ny tana.Fito rivo gny olo ho maty amigny horohoro-tany, dra ho hatahosy reo olo sisa sy maty dra hame voninahisy an'i Zagnahary gny lagnisy. 14 Lasa gny loza faharo. Ingo! avy malaky gny loza fahatelo. 15 Avy eo dra nampagneno gny trompetra gny azely fahafito, dra nisy feo fatrasy nizaka tagny an-dagnisy nanao ho:" Ho lasa fazakan'ny Toposika vo gny Kristiny gny fazakan'izao rotolo zao. Izy gny hazaka mandrakizay doria." 16 Avy eo ereo loholo efasy amby ropolo izay nitoboky teo amigny seza fiandrian'ereo teo agnatrehan'izagnahary dra nampiankohoky gny vavan'izy reo. Nakalaza an'iZagnanahary izy reo. 17 Hoy izy reo:"Magnome fisora Anao izahay, ry tompo Zagnahary sitoha, gny amizao vo taloha, satria nangalaky gny herinao lahibe hanao dra nanomboky nazaka.(fagnamariha:Gny sasany amin'ireo dika-teny taloha dra mivaky ho:" gny panapaky gny aby, gny amizao vo taloha, dra gny ho avy, fa gny dika-teny amizao fotoa sy manahaky izay.) 18 Ory fatrasy reo firenena, kanefa avy gny fahorianao. Avy gny fotoa hisara gny maty vo hamalianao soa reo paminany panoponao, reo izay pino, vo reo izay natahosy gny agnaranao, na gny sy manalaza na gny mahery. Avy gny fotoa handringananao reo izay manoka gny tany." 19 Bak'eo dra Nisioky gny fiangonan'Agnahary tagny andagnisy dra hita gny fiarany fanekeny ao agnatin'gny fiangonany.Nisy hela-panazavana,hotroky,orambe, horohorotany,dra havandra lahibe ato.