Toko faha 14

1 Nagnety zahi dra nahita gny zanak'agnondry misanga teo amigny tendrombohisy Ziona. Nindray taminazy reo 144. olo izay nana gny agnarany vo gny agnaran'ny babany voasorasy eo amigny handriany ereo. Nahare reo avy agny an-dagnisy manahaky gny firohorohony rano maro vo kotroky fatrasy zaho. Gny feo avo koa dra manahaky gny mpitandry lokanga mitandry gny lokanga. 3 Niihira hira vaovao teo alohany seza fiandriana vo teo alohanyn'ireo zava- managnay efasy vo ireo loholo izy reo. Sy nisy na iza na iza afaky mianasy gny hira afa-sy reo 144. olo izay niviliny avy teo atany avo. 4 Reo dra olo izay sy nandoto gny vatany reo tamigny apela, fa nihazo gny vatany malio ara-nofo ereo. Izay dra nagnoriky gny zanak'agnondry na eza na eza handehanany. Izy raiky avo dra nivily avy tamigny olombelo manahaky gny voloham-bokasy ho an'izagnahary vo ho an'ny zanak'agnondry. 5 Sy nisy vandy hita eo amigny fagnevany ereo, sy manasigny ereo.[Fagnamariha:Gny dika-teny sasany magnampy ho:"teo alohany seza fiandrianan'izagnahary"] 6 Nahita azely hafa nitily agnabo zaho, izzy nana gny hafasy mandrakizain'ny vaovao mahafaly hozaka amin'ereo miay agnabony tany amigny firenena, foko, fizaka, dra gny olo aby. 7 Nitoka tamigny feo fatrasy izy ho:"Matahora an'iZagnahary dra magnomeza voninahisy anazy. Fa avy gny lelany fiarany. Mivavaha aminazy, gny raiky izay nanao gny lagnisy, gny tany, gny ranomasy, dra gny loharano." 8 Nidy azely hafa-NY azely faharo nagnoriky nizaka ho:"Nilavo, nilavo Babylona lahibe, izzy nandresy lahasy reo firenena aby ba hino gny divain'NY fitondra-tegna malotony." 9 Nisy azely hafa- azely fahatelo nagnoriky anazy ereo, nizaka tamigny feo fatrasy ho:"Gny misy mivavaky amigny bibidia vo gny sariny dra mangalaky gny mariky eo amigny handriany na eo amigny tagnany. 10 Dra hino gny sasany amigny divain'NY fahorian'iZagnahary avo koa izy, divay sy miharo izay nandrosaky tao agnatiny kapoakiny Harris. Gny olo izay mino izay dra ho apizaly amigny afo avo solifara eo alohan'ereo azely masin'iZagnahary vo eo alohany Zanak'agnondry. 11 Gny hoto avy amigny fifalian'ereo dra miakasy mandrakizay doria dra sy mana-pisahara andro vo hariva ereo, dra gny olon'aby izay mangalaky gny mariky gny agnarany. Itiky era toka ho an'ny fahareta maharis'ireo izzy masy, ireo zay makasitraky reo didin'izagnaharu dra mino an'i Jesosy." 13 Nahare feo avy agny an-dagnisy zaho nizaka ho:"Sorato izao:Sambasy gny maty izay maty ao amin'ny tompo." "ie", hoy gny fagnahy, " ba hahafahan'ereo miala sasasy amigny asan'ereo, fa gny vitan'ereo dra magnoriky anazy avo". 14 Nagnety zaho, dra nisy raho fosy. Nitoboky eo amigny raho gny raiky manahaky gny Zanak'olo. Nana satro-boninahisy volamena teo amigny lohany vo fiziza maragnisy egny atagnany izy. 15 Dra nisy azely hafa niboaky gny tepoly dra nitoka tamigny feo fatrasy gny mitoboky eo amigny raho nanao ho:"Takaro gny fiziza dra manomboky miziza. Fa avy gny fotoa hiziza, satria masaky gny vokasy gny tany." 16 Dra gny raiky izay nitoboky teo amigny raho hampandroso gny fiziza teto an-tany, dra miziza gny tany. 17 Nisy azely niboaky avy ao tepoly tagny an-dagnisy; nana fizalia maragnisy avo koa izay. 18 Bo nisy azely hafa koa niboaky gny alitara fagnoroa ditin-kazo magnisy, izy nana fahefana amigny afo. Nitoka tamigny feo mahery an'ereo izay nana fizalia maragnisy izy ho:"Takaro gny fizalia maragnisy dra dragona reo sapa-voloboky avy amigny voloboky gny tany, fa reo voloboky dra fa masaky izao." 19 Napandroso gny fizalia tamigny tany gny azely dra nagnoro gny vokasy gny voloboky gny tany. Natoraky ao agnaty famiaza-voloboky lahiben'gny Zagnahary izay. 20 Gny famiaza-voloboky dra nihisahy tagny ambalikin'gny tana igny, dra gny lio niily avy eo amizay dra avy hatragny amigny haabony lamboridy-sovala, izzy 1.600 stadio.