Toko faha 33

1 Tahoky avy reo toera nandehananigny vahoakan'Israely tafaranigny nagnangan'ereo gny tany Egypta taminigny antoko mitam-pialian'ereo teo ambany fitarihan'i Mosesy vo i Arona. 2 Nanorasy reo toera nialan'ereo hatranizy nandehan'ereo i Mosesy, araky gny nandidian'i Yaveh> Tahoky aby reo lin'ereo, toera nifindrafindran'ereo. 3 Niala laha tao Ramesesa izy reo nandrisy gny volana volohany, tamy andro fahadimy ambiny folo gny volana volohany. Gny maray tafaranigny Paska, dra nandeha malalaky gny vahoakan'Israely, teo amasony Egyptiana aby. 4 Nitranga zay raha mbo nandevo gny lahimatoan'ereo aby, reo ze nivonon'i Yaveh teo amin'ereo gny Egyptiana, fa Izy avo koa dra nampagnety famezigna gny Zagnaharin'ereo. 5 Niala tao Ramesesa gny vahoakan'Israely dra nitoby tao Sokota. 6 Niala tao Sokota izy reo dra nitoby tao Etama, tegny amoronigny tany efisy. 7 Niala tao Etama izy reo dra nihery tao Pihirota, ze amitan'i Balazefona, zay mifanandrify amin'i Migdola nitobian'ereo. 8 Avy eo niala avy tegny apitan'i Pi Hahirota izy ireo dra niriosy tegny agnevo-dranomasina ho agny agnefisy. Nandeha nadrisy gny telo andro tagny agnefisy Etama izy ireo dra nitoby tao Mara. 9 Niala tao izy ireo dra avy tao Elima. Tao Elima dra nisy liharano ro amvbin'ny folo dra hazo rofia fitopolo. Tagny gny nitobian'izy ireo. 10 Niala tao Elima izy ireo dra nitoby tegny agnilan'i Ranomasy Mena. 11 Niala avy tao amigny Ranomasy Mena izy ireo dra nitoby tagny agnefisy Sina. 12 Niala avy tao amigny tany agnefisy Sina izy ireo dra nitoby tao Dopka. 13 Niala tao Dopka izy ireo dra nitoby tao Alisy. 14 Niala avy tao Alosy izy ireo dra nitoby tao Refidima, izay nahita rano ho nomin'ny vahoaky. 15 Niala avy tao Refidima izy ireo dra nitoboky tao amigny tany efis'i Sinay. 16 Niala avy tao amigny tany efis'i Sinay izy ireo dra nitoboky tao Kibrota Hatava. 17 Niala avy tao Kibrota Hatava izy ireo dra nitoboky tao Hazerota. 18 Niala avy tao Hazerota izy ireo dra nitoboky tao Ritma. 19 Niala avy tao Ritma izy ireo dra nitoboky tao Rimona Pareza. 20 Niala avy tao Rimona Pareza izy ireo dra nitoboky tao Libna. 21 Niala avy tao Libna izy ireo dra nitoboky tao Risa. 22 Niala avy tao Risa izy ireo dra nitoboky tao Kehelata. 23 Niala avy tao Kehelata izyireo dra nitoboky tao amigny Tedrombohosy Sepera. 24 Niala avy tao amigny Tedrombohisy Sepera izy ireo dra nitoboky tao Harada. 25 Niala avy tao Harada izy ireo dra nitoboky tao Makelita. 26 Niala avy tao Mekelota izy ireo dra nitoboky tao Tahata. 27 Niala avy tao Tahata izy ireo dra nitoboky tao Tera. 28 Niala avy tao Tera izy ireo dra nitoboky tao Mitka. 29 Niala avy tao Mitka izy ireo dra nitoboky tao Hasmona. 30 Niala avy tao Hasmona izy ireo dra nitoboky tao Moserota. 31 Niala avy tao Moserota izy ireo dra nitoboky tao Bene Jakana. 32 Niala avy tao Bene Jakana izy ireo dra nitiboky tao Hora Hagidgada. 33 Niala avy tao Jagidgada izy ireo dra nitoboky tao Jotnata. 34 Niala avy tao Jotbata izy ireo dra nitoboky tao Abrona. 35 Niainga avy tao Abrona izy ireo dra nitoby tao Eziona Gebera. 36 Niainga avy tao Eziona Gebera izy ireo dra nitoby tao Kadesy. 37 Niainga avy tao Kadesy izy ireo dra nitoby tao amigny tedrombohisy Hora, tegny amoron'i Edoma. 38 Niakasy tegny amigny Tedrombohisy Hora i Arona pisorona araky gny didin'i Yaveh dra maty tagny tamigny fahefapolo tao tafaran'ny niboahany vahoakin'Israely tao Egypta, tamigny fahadimin'ny volana, tamigny andro volohan'ny volana. 39 123 Tagny amigny tedrombohisy Hora. 40 Gny Kananita, ilay pazakan'i Arada, izay nitoboky tagny amigny tany efisy asimo tao amigny tanin'i Kanana, dra nadre gny fahavian'ny vahoakin'Israely. 41 Niainga avy tao amigny Tedrombohisy HOra izy ireo nitoby tao Zalmona. 42 Niainga avy tao Zalmona izy ireo dra nitoby tao Ponona. 43 Niainga avy tao Ponona izy ireo dra nitoby tao Obota. 44 NIainga avy tao Obota izy ireo dra nitiby tao Lay Abarima, tegny amigny sisin-tanin'i Moaba. 45 Niainga avy tao Lay Abirima izy ireo notoby tao Dibon-gada. 46 Niainga avy tao Dibon-gada izy ireo dra nitoby tao Almon-diblataima. 47 Niainga tao Aimon-diblataima izy ireo dra nitoby tao amigny tedrombohis'i Abarima, tadrifin'i Nebo. 48 Niainga avy tao amigny tedrombihis'i Abarima izy ireo dra nitoby tao amin'ireo tagny hain'i Moaba agnilan'i Jordana agny izy ireo, avy agny Beta Jesimota hatragny Abela Sitima tao amin'ireo tany hain'i Moaba. 50 Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh tagny amigny lemak'i Moaba tegny agnilan'i Jordana tao Jeriko dra nanao ho: 51 ''Mizaka amigny vahoakin'Israely dra zakao aminazy ireo ho: ''Gny misaky an'i Jordana ho agny amigny tany Kanana hadrareo, 52 Dra sy maisy roahidrareo eo agnatrehadrareo ireo ponina aby ao amin'ilay tany. Sy maisy pototorondrareo reo sari-draha voasokisy avy an'ereo dra ravandrareo fitoera avony aby. 53 Aoka haladrareo ho adrareo gny tany dra mipetraha ao amin'izay, satria fa nameko ho fanagnadrareo ilay tany. 54 Sy maisy lovadrareo amigny alalan'ny loka tany, araky gny foko kiraikiraiky avy. Ho an'ny foko lahibe dra sy maisy amedrareo zara lahibe amigny tany, dra gny foko masaiky dra amedrareo gny zara masaiky amigny tany. Na iza na iza hilasahan'ny asapaky amin'ireo foko kiraikiraiky avy, izay tany izay dra hon'azy. Handova ilay tany araky gny fokon'ny razambedrareo hadrareo. 55 Fa raha sy voaroakireo eo anoloandrareo reo ponigny tany, dra ho avy tahaky gny fitova eo amy masondrareo dra silo eo amy tehezandrareo reo vahoaky zay nanga ndrareo hizano. Hanasarosy gny fiaignandrareo eo aminigny tany zay hipetrahandrareo izy reo. 56 Dra ataoko amindrareo avo koa zay kasaiko ho atao amin'ereo vahoaly reo.'''