Toko faha 32

Dra ereo taranak'i Robena Gada dra nana biby teza marobe. raha hitany ereo gny tanin'i Jazara sy Gileada, dra toera soasoa ho an'ereo biby teza gny tany. 2 Dra avy nizaka tamin'i Mosesy, tamin'i Eleazara mpisoro, dra tamin'ereo mpitariky gny fivoriany ereo taranak'i Gada sy Robena. Hoizy ereo ho: 3 ''Ity gny lisitr'ereo toera ze fa nihadihadiny: Atarota, Dibona, Jazera, Nimra, Hesbona, Elale, Sebama, Nebo, dra Beona. 4 Ereo avy ereo tagny zay nitafihin'i Yaveh teo alohany fivondranan'Israely, dra toera soa ho an'ereo biby fiteza ihoky. Izahay, mpanomponao, dra mana biby fiteza maro dra maro.'' 5 Hoizy ereo ho: ''Raha mahita sitraky eo amasonao zahay, dra aoka ba ho fanagna tihoky tagny. Katao misaky amin'i Jordana zahay.'' Nagnenga an'ereo taranak'i Gada sy Robena i Mosesy ho: ''Tokny handeha ba hialy se ereo rahalahidrareo raha drareo dra nagnorim-ponenana eto? 7 Nanao akory gny hakiviany sy handeha agny amy tany zay namen'i Yaveh anazy ereo gny fonereo vahoakin'Israely? 8 Ereo razambedrareo dra nanao manahaky ze aby nalefako avy agny Kadesi-barnea mba hisafo gny tany anaze ereo. 9 Niakasy tagny izy hoky dra avy eo. Nahita gny tany izy ereo dra avy eo magnakivy gny fon'ereo vahoakan'Israely ba handavan'izy ereo sy hidisy ao amy tagny zay namen'i Yaveh anazy ereo. 10 Nirehisy gny haorian'i Yaveh tamin'io andro io. Gnivoady izy dra nanao ho: 11 'Azo atoky fa sy hisy amin'ereo olo zay niakasy avy tagny Egypta, manombaky amy ropolo tao gny ho miakasy, hahita gny tany zay gnanizanako tamin'i Abrahama, tamin' Isaka, dra tamin'i Jakoba, satria sy nagnaraky anahy tateraky izy ereo, fa sy 12 Kaleba zanaky lahin'i Jefone Kenizita, dra Josoa zanaky lelah'i Noa. Kaleba sy Josoa zay gny nizaka nagnaraky anahy tateraky.' 13 Dra nirehisy tamin'Israely gny hatezeran'i Yaveh. Nataony nirerirery magnodidy gny tany efitra nadrisy gny efapolo tao dra disiky naha-rava ereo taranaky aby zay nanao rasy teo amasonao izy hoky. 14 Ihoky,nisandrasy teo amy toera gny razambenandrareo iandrarei, tahaky gny olo mpanota maro, Yaveh amin'Israely. 15 Raha mivily amy fanaraha anazy ndrareo, dra hamela an'Israely agny amy tagny efasy draiky Izy dra handringa gny vahoaky aby ndrareo.'' 16 Dra nagnato teo agnilan'i Mosesy izy ireo dra nizaka ho: ''Angao izahay hagnory fefy ho an'ireo biby fiopinay vo tana ho an'ireo akohonanay eto. 17 Dre izay aza , izahay dra ho vono dra hita-pialia ba handeha midray amigny tafik'Israely madra-pametrahanay anazy ireo amigny toeran'izy ireo. Fa ireo akohonanay koa dra hipetraky agny amin'ireo tana voaaro fatrasy noho ireo vahoaky hafa izay bo monina amin'itiky tany tiky. 18 Sy hihery agnyamigny fonenanay izahay mandra-pahazoany sikiraidraiky amigny vahoak'Israely gny lovany avy. 19 Sy handova gny tany miaraky amin'izy ereo any an-dafin'i Jordana izahay,satria gny lovanay dra eto amigny lafy asignanan'i jordana.'' 20 Dra namaly anazy ireo i Mosesy ho: ''Gny manao izay zakadrareo, gny magnoma gny tanadrareo handeha eo agnatrehan'i Yaveh ba hialy hadrareo, 21 Dra gny kira amin'ireo lelahidrareo mita-pelia dra sy maisy misaky an'i Jordana eo agnatrehan'i Yaveh, mandra-padroahany ireo fahavalony sy ho eo agnatrehany 22 Dra gny tany resy eo agnatrehany. Gny afaky izay dra afaky mihery hadrareo. Ho sy mana-signy manoloana an'i Yaveh vo manoloana an'Israely hadrareo. Itihoky tany itihoky dra ho fanagnadrareo eo agnatrehan'i Yaveh. 23 Fa gny sy manao izay hadrareo, ingo, hanota amin'i Yaveh hadrareo. Fataro soa fa hahita adrareo gny helokidrareo. 24 Magnoregna tana ho an'ireo akohonadrareo dra vala ho an'ireo agnondridrareo; avy eo dra atovy izay nizakadrareo.'' 25 Nizaka tamin'i Mosesy ireo taranak'i Gada vo Robena dra nizaka ho: ''Hanao araky izay nandidianao gny panoponao, ry tomponay. 26 Ireo zanaky madinikay, ireo valinay, ireo agnondry miaraky amigny Osy, dra ireo biby fiopinay aby dra hitoetra ao amin'ireo tanan'i Gileada. 27 Na izay aza, izahay, panoponao, dra hisaky eo agnatrehan'i Yaveh ba hialy, gny lelahy aby azay mita-pelia ho amigny aly, araky izay nizakanao, ry tomponay.'' 28 DRa nagnome torolala mahakasiky anazy ireo tamin'i Eleazara pisoro, tamin'i Josoa zanaky lahin'i Nona, dra tamin'ireo pitariky ireo fokon'ny razambe tao amin'ireo fokon'ny olon'Israely i Mosesy. 29 Hoy i Mosesy tamin'izay ireo ho: ''Gny misaky an'i Jordana midray amidrareo ireo taranak'i Gada vo Robena, gny lelahy aby izay mita-pialia ba hialy eo agnatrehan'i Yaveh, dra gny resy eo agnatrehadrareo gny tany, dra homedrareo anazy ireo ho fanagnany gny tanin'i Gileada. 30 Fa gny sy misaky eo amidrareo mita-pelia izy ireo, dra agny amigny tanin'i Kanana izy ireo gny hahazo gny fanagnan'izy ireo eo amidrareo.'' 31 Koa namaly ereo taranak'i Gada vo ribena ho: ''Araky izay nizakan'i Yaveh taminay, mpanomponao, dra izao gny ho ataonay. 32 Hisaky mitam-piadia eo agnilan'i Yaveh agny amigny tanin'i Kanana izahay,fa gny lova azaranay dra hizano aminay amity lafin'i jordana ity.'' 33 Dra namen'i Mosesy an'ireo taranak'i Gada vo Robena, dra an'ny asasaky gny fokon'i Manase zanak'i Josefa gny fazakan'i Sihona, pazakan'ireo Amorita, vo Oga, pazakan'i Basana. Nameny anazy ireo gny tany, dra nizarany tamin'izy ireo gny tany, dra nizarany ramin'izy ireo gny tananan'izay midray amin'ireo faritaniny, dra ireo tanan'ny tany magnodidy ireo 34 Ereo taranak'i Gada dra nagnery nagnory an'i Dibona,atarota, Aroera, 35 Atrota-sofana, Jazera, Jagbeha, 36 Beti-nimra, aryBeti-harana ba ho tana voaaro fatrasy miaraky amin'ereo vala ho an'ny agnodry. 37 Ireo taranak'i Robena dra nagnery nagnory an'i Hesbona, Elale, Kiriataima, 38 Nebo, Bala-meona, Sibma___nisokaky gny agnaran'ireo tatiky afara. namen'izy ireo agnara hafa ireo tana izay naherin'izy ireo naory. 39 Ireo taranak'i Makira zanaky lahin'i Manase dra nagnagny Gileada dra nagnafaky izay tamin'ireo Amorita izay tao amin'izay. 40 Avy eo dra namen'i Mosesy an'i Makira zanaky lahin'i Manase i Gileada, dra nagnori-ponenana teo gny vahoakiny. 41 Nandeha i Jaira zanaky lahin'i Manase dra nababo ireo renivohis'izay dra nitoka anazy ireo ho:Havota-Jaira. 42 Nandeha i Noba dra nababo an'i Kinata vo ireo zana-bohiny, dra nitokavony ho:Noba, araky gny agnarany avo koa izay.