Toko faha34

1 Nizaka tmin'i Moosesy i Yaveh dra nanao anizahoky ho: 2 '' Didio gny vahoak'Israely dra zakao ereo ho:' Gny hisisy gny tany Kanana handrareo vo gny farisy gny taniny, 3 hihitasy hatragny agnefis'i Zina magnaraky gny sisiny asignana aminigny sisiny asimo dra ho eo aminigny sikiky ze mifaran'ao amigniny fiafarany asimonigny Ronomasy Sira. 4 Gny faritandreo dra hihody magnasimonigny havoan'i Akrabima dra mandeha mamakivaky gny afis' i Zina. Boak'agny, gny mandeha magnasimon'i Kadesi-barnea zay dra mitohy agnagny Hazara-adala dra magnagny Azmona. 5 Boak'agny, gny sisitany dra hialoky boak'ao Azomona magnagny aminigny lohasakan'driak'i egypta dra magnaraky anizay gisikany andranomasy. 6 Gny morosiraky andrefa gny ho sisitaninigny Ranomasy lahibe. Io gny ho fari-tany andrefandrareo. 7 Gny faritanindreo avarasy hihitasy magnaraky gny sipiky ze havahandrareo hatragny aminigny Ranomasy lahibe dra hatragny aminigny tendrambohisy Hora, 8 Dra ko boak'agny aminigny tendrombohisy Hora dra hatragny Lebo-hamata, boak'eo dra hatragny Zedada. 9 Boak'eo gny fari-tany hitohy hatragny Zifrona dra mifaran'ao Hazar-Enana. Zay gny ho fari-tany avarandrareo. 10 Boak'eo mariho gny fari-taninao asignana hatragny Hazar-enana asimo dra hatragny Sefama. 11 Afaranizay gny faritany asignana hiziso boak'agny Sefama dra hatragny Rible, ao aminigny farisy asignanan'i Aina. Gny fari-tany hitohy magnaraky gny farisy asignananigny Ranomasy Kinereta. 12 Boak'eo gny fari-tany dra hitohy magnasimo magnaraky gny Ony Jordana dra hatragny aminigny Ranomasisira. Zay gny ho tanindrareo, magnaraky gny sisiny magnodidy aby.''' 13 Dra nandidy gny vahoakn'Israely i Mosesy dra nanao ho:'' Itiho gny tany zay ho azondrareo aminigny filokagna, ze fa nididin'i Yaveh home ho an'ereo foko sivy vi gny asasaky gny foko. 14 Gny fokonigny taranak'i Robena, araky gny fanendrem-panagna ho anigny fokon-drazanereo, dra gny fokonigny taranak'i Gada, araky gny fanendrem-panagna ho anigny fokondrazanereo, dra gny asasa fokon'i Manase aby fa nitakasy gny zakandreo. 15 Reo foko ro vo gny asasa foko fa nitakasy gny azaratany gny andafinigny Jordana magnasignan'i Jeriko, manandrify gny fiposahanigny masoandro.'' 16 Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh ka nanao ho: 17 '' Tahoky aby gny agnaran'ereo lelahy ze hizara gny taninigny lovandrareo: Eleazara pisiro vo Jospa zanak'i Nona. 18 Ao hanao hifily pitariky raiky isaky gny foko ba hizara gny tany ho anigny fianakaviamben'ereo. 19 Tahoky aby agnaran'ereo lelahy reo: Boak'aminigny fokon'i Joda, dra Kaleba zanak'i Jefone. 20 Boak'aminigny fokonigny taranak'i Simeona, dra Semoela zanak'i Amihoda. 21 Boak'aminigny fokon'i Benjamina, dra Elidada zanak'i Kislona . 22 Boak'aminigny tanarak'i Dana pitariky raiky, dra boky zanak'i Jogly . 23 Boak'aminigny taranak'i Josefa, boak'aminigny fokonigny taranak'i Manase pitariky raiky , dra Haniela zanak'i Efoda. 24 Boak'aminigny fokonigny taranak'i Efraima pitariky raiky, dra Kemoela zanak'i Siftana. 25 Boak'aminigny fokonigny taranak'i Zebolona pitariky raiky, dra Elifaza zanak'i Parnaka. 26 Boak'aminigny fokonigny taranak'Isakara pitariky raiky , dra Paltiela zanak'i Azana. 27 Boak'aminigny fokony taranak'i Asera pitariky raiky, dra Ahihody zanak'i Selomy. 28 Boak'aminigny fokony taranak'i Naftaly pitariky raiky, dra Pedahela zanak'i Amihoda. '' 29 Yaveh nandidy reo lalahy reo ba hizara gny tany Kanana vo hagnome gny isam-pokon'Israely gny azaranereo.