Toko faha 23

1 Ho Balama tamin'i Balaka:''Magnoregna alitara fito eto ho anahy dra magnomana agn'ombilahy fito vo agn'ondry fito.'' 2 Koa dra nanao araky zay nangatahinin'i Balama i Balama. Dra nanolosy agn'omby raiky vo agn'ondry raiky teo amin'ereo alitara aby i Balaka vo Balama. 3 Dra ho Balama tamin'i Balaka ho:''Misangana mariny eo gny fagnatisy doranao dra handeha zaho. Mety ho avy hihao asehony anahy dra ho zakako aminao. ''Koa dra lasa nagnagny amy tampon-kavoa sy nisy hazo izy. 4 Raha teo aminigny tampon-kavoa izy , dra nihaona taminazy Zagnahary, dra ho Balama taminazy:''Fa nagnory alitara fito zaho, dra fa nanolosy agn'ombilahy raiky vo agn'ondry raiky aby teo amy kirairaiky.'' 5 Nametraky hafasy teo am-bavan'i Balama i Yaveh ka nizaka ho:''Miharegna agny amin'i Balaka ka miresaha aminazy. '' 6 Koa dra nihery tagny amin'i Balaka i Balama , zay nisangana mariny gny fagnatisy dora teo, dra gny mpitariky an'i Moaba aby dra niaraky taminazy. 7 Dra nanomboky nizaka gny faminaniany i Balama ka nizaka ho:''Fa ninday anahy laha tagny amin'i Arama, mpazakan'i Moaba laha tagny amy tendrombohisy asignana i Balaka. ' Avia, ozony ho anahy Jakoba, 'ho izy . 'avia , mihasia an'Israely.' 8 Amy fomba manao akory gny hagnozonako reo ze sy bo nozinin'Agnahary? Amy fomba manao akory gny hanoherako reo ze sy notoherin'i Yaveh? 9 Avy eo an-tamponigny vatolampy gny ahitako anazy; avy egny havoana gny hagnatiako anazy. Indro, misy vahoaky ze mipetraky raiky dra sy mihevisy gny vatany ho firenena sotra. 10 Iza gny afaky magnisy gny bony i Jakoba na magnisa na dra gny ampahefasin'Israely aza?Ao ho maty amy fahafatesanigny olo-mary zaho , dra ao gny fahataperany gny aiko ho tahaky gny anazy!'' 11 Ho Balaka tamin'i Balama :''Inoitiho nataonao taminahy?Nandesiko hagnozo gny fahavaloko ianao, nefa indro, nitahianao izy reo.'' 12 Namaly i Balama ka nizaka ho:''Sy tokony hitandry gny hizaka ze apetrak'i Yaveh eo am-bavako avo seky zaho?'' 13 Koa ho Balaka taminazy:''Ba miaraha aminahy ho agny an-toeran-kafa ze hahafahanao mahita anazy reo. Ho hitanao mariny indrindra amin'ereo , fa sy izy aby. Agny gny hagnozonanao anazy reo ho anahy.'' 14 Koa dra nandesiny tao amy sahan'i Zofima i Balama, teo an-tamponigny tendrombohitr'i Pisga, dra nagnory alitara fito hafa izy. Nanolosy agn'ombilahy raily vo agn'ondry raiky teo amy alitara kirairaiky izy. 15 Avy eo dra ho Balama tamin'i Balaka:''Misangana mariny gny fagnatisy doranao eto, raha bo mifakahita amin'i Yaveh egny agnabony egny zaho.'' 16 Koa dra nihao tamin'i Balama i Yaveh dra nametraky hafasy teo am-bavany. Ho Izy ho :''Miharegna agny amin'i Balaka dra halefao aminazy gny hafaso.'' 17 Nihery tagny aminazy i Balama, dra indro , nisanga mariny teo amy fagnatisy dorany izy, dra niaraky taminazy reo mpitarik'i Moaba. Dra ho Balaka taminazy:''Ino gny nizakan'i Yaveh?'' 18 Natombok'i Balama gny faminaniany. Ho izy ho:''Misangana, ry Balaka, dra mabdrenesa. Mitenoa anahy, ianao ry zanak'i Zipora. 19 Sy olo Zagnahary, ka ho havandy, na olombelo, ka ho hiova hevisy. Fa nampanatena raha ka sy nanao anizay seky Izy?Fa nizaka seky Izy fa hanao raha ka sy nitaterahiny zay? 20 Indro, fa nididiany zaho ba hitahy. Fa nagnome fitahia Zagnahary, dra sy afaky hamaliky anizay zaho. 21 Sy nahita aly saroay tao amin'i Jakoba na fahoria tao amin'Israely Izy. Momba anazy reo Yaveh Zagnaharin'ereo gny hikoraky ho agny mpazakany. 22 Zagnahary gny ninday anazy reo laha tagny Egypta taminigny hary tahaky gny agn'ombidia. 23 Sy misy mosavt ze mihasy amin'i Jakoba, dra sy misy zara-vita hagnisy rasy an'Israely. Fa, ao ho zaka gny amin'i Jakoba vo Israely ho:''Atio ze nataon'Agnahary!'' 24 Indro, misanga tahaky gny liom-bavy gny olo, tahaky gny fivoaha gny liona ka mamely. Sy mandrimandry izy raha sy fa mihinana gny hazany dra mino gny liony novonony.'' 25 Dra ho Balaka tamin'i Balama:''Ka magnozo anazy reo na mitahy anazy reo vasa.'' 26 Fa namaly Balama ka nizaka tamin'i Balaka ho:''Sy fa nizaka taminao seky zaho fa sy maisy mizaka ze asan'i Yaveh zakako?'' 27 Koa dra namaly an'i Balama i Balaka ho:''Avia dra, handesiko agny amy toera-hafa ianao. Vasa mety hahafaly an'Agnahary gny hagnozonanao anazy reo ho anahy agny.'' 28 Koa nandesin'i Balaka tegny amy loham-bohisy Peora, ze mahatalaky gny tany efisy i Balama. 29 Ho Balama tamin'i Balaka:''Magnoregna alitara fito eto dra manoma agn'ombilahy fito vo agn'ondry fito.'' 30 Koa dra nanao araky ze nizakan'i Balama i Balaka; nanolosy agn'ombilahy raiky vo agn'ondry raiky teo amy alitara kirairaiky izy.