Toko faha 24

1 Dra raha hitan'i Balama fa sitrak'i Yaveh gny hitahia an'Israely, dra sy nandeha nanao sikily, tahaky gny tamy andro taloha izy. Fa dra nagnety nagnagny amy tany afisy. 2 Nampiandra gny masony izy ka nahita fa nitoby isaky gny fokony aby gny Israely, dra avy tao aminazy gny Fagnahin'Agnahary. 3 Naharay zao faminania zao izy dra nanao ho :''Fa hizaka i Balama zanadahin'i Beoro, gny lelahy ze midiridiry maso. 4 Mizaka vo mahare gny zakan'Agnahary izy. Mahita fahita aby amy Sitoha izy, Zay eo anoloany gny hiankohofany amy masony magnety. 5 Andrey gny hakatony lainao,ry Jakoba, gny toera ze itoeranao, ry Israely! 6 Tahaky gny lohasaha gny fielezan'ereo, tahaky gny saha egny amorony renirano, tahaky gny vaho ze nambolen'i Yaveh, tahaky gny sedera amoron-drano. 7 Miroro laha tao asinin'ereo gny rano, dra reo tegnany nafafiny dra soa tondraky. Gny mpazakan'ereo dra ho avo noho i Agaga, dra gny fazakan'ereo dra home-zaza. 8 Zagnahary gny minday anazy miboaky an'i Egypta, aminigny tazaky tahaky gny agn'omby. Hitely reo firenana ze manohisy anazy reo Izy. Hanorotoro gny tolan'ereo Izy. Hitifisy anazy reo amy sipikany Izy. 9 Mamisaky tahaky gny liona Izy, tahaky gny liona vavy. Iza gny ho sahy hanelignely anazy? Zay mitahy anazy dra voatahy; ze magnozo anazy dra voaozo.'' 10 Nirehisy tamin'i Balama gny hahorian'i Balaka dra namoky gny tagnany tamim-pahohoria izy. Ho Balaky tamin'i Balama:''Mitoka anao ba hagnozo gny fahavaloko zaho, fa indro m fa intelo nitahy anazy reo ianao. 11 Koa angao zaho amizao ka molia. Nizaka gny hagnome valisoa lahibe anao zaho, kanefa Yaveh fa nagnalaky anao tamy fahazoa valisoa.'' 12 Dra ho Balama namaly an'i Balaka ho:''Nizakako tamin'ereo mpanday hafasy ze nalefanao taty aminahy fa: 13 'Na dra nagnome gny lapany feno volafosy vo volamena anahy aza i Balaka, dra sy afaky hihoasy gny zakan'i Yaveah vo gny raha rasy na soa, na gny raha tiako hatao . Zay nizakan'i Yaveh anahy avo gny azoko zaka.'Sy nizakako tamin'ereo seky zay? 14 Koa indro amizao , hihery agny amy vahoakako zaho. Kanefa mamela anahy ianao hampitandry anao ze hataon'ereo vahoaky reo amy vahoakinao amy andro ho avy.'' 15 Nanomboky zao faminania zao i Balama. Ho izy ho :''Balama zanak'i Beora gny mizaka, gny lelahy ze mahitasy . 16 Zao gny faminania gny olo ze mahare tegny aby amin'Agnahary, ze mana fahalala bavy aminigny Avo indrindra, ze mana fahita avy aminigny Sitoha , zay ei anoloany gny iankohofany amy fagnatiany. 17 Mahita anazy zaho , fa sy eto Izy zao. Magnety anazy zaho, fa sy maruny eto Izy. Hisy vasia hiboaky avy amin'i Jakoba, dra tehim-pazaka hisandrasy avy amin'Israely. Hanorotoro gny mpitarik'i Moaba izy dra hamotiky gny taranak'i Seta aby. 18 Dra ho lasa fagnanan'i Israely i Edoma. dra Seira avo koa ho lasa fanagnan'ereo, reo fahavalon'Israely, ze ho resen'i Israely amin-kery. 19 Avy amin'i Jakoba gny hiaviany gny mpazaka ze hana gny fanapaha, dra hamotiky reo ze tavela sy maty amy tananan'ereo Izy.'' 20 Dra nagnety an'i Amaleka i Balama dra nanomboky gny faminaniany. Ho izy ho:''Amaleka dra fa lahibe indrindra teo amin'ereo firenena tahola, kanefa dra ho fahapoteha gny ho fiafarany.'' 21 Avy eo dra nagnety amin'ereo Kenita i Balama dra nanomboky gny faminaniany. Ho izy ho:''Gny toera ze ipetrahandrareo dra mahery, dra gny akaninandrareo dra ao amy harambato. 22 Na dra zay aza dra ho hotoro i Kaina raha minday anao ho babo i Asyria.'' 23 Dra nanomboky gny faminaniany faraby i Balama. Ho izy ho:''Loza! Iza gny ho velo raha hanao anizay Zagnahary? 24 Hisy sambo ho avy agny aminigny sisin'i Kitima; hanafiky an'i Asyria vo handresy an'i Ebera izy reo, kanefa , dra ho fahatorotorony avo koa gny hiafaran'ereo.'' 25 Avy eo dra niakasy i Balama dra lasa. Noly tagny an-tragnony izy , dra lasa avo koa i Balaka.