Toko faha 22

1 Nandeha mandra-pitobin'ereo tao amin'ereo lemak'i Moaba marin'i Jeriko, tegny andafinigny reniranon'i Jordana moala eo amy tana gny vahoakan'Israely. 2 Nahita ze nataon'Israely tamin'ereo Amorita i Balaka zanak'i Zipora. 3 Natahosy fatrasy gny vahoakan'Israely i Moaba satria maro loasy izy reo, ka nihorohoro taminigny vahoakan'Israely i Moaba. 4 Nizaka tamin'ereo loholony Midiana gny mpazakany Moaba ho:''Hihina anazy aby ze magnodidy asika tahaky gny agn'omby mihinam-bilona egny an-tanimboly reo maro reo. ''Dra i Balaka zanak'i Zipora gny mazakan'i Moaba taminizay fotoa zay.'' 5 Nandefa iraky agny amin'i Balama zanak'i Boeora, tao Petora ze mariny Reniranon'i Epfrata, tao amy taniny fireneny vo vahoakany izy. Nitoka anazy izy ka nanao ho:''Indro, misy firenena laha tagny Egypta avy eto. Mandrakosy gny tany izy reo dra eto mariny anahy zao. 6 Ka miavia ra amizao ka ozany ho anahy ze firenena zay, satria mahery loasy aminahy izy reo. Vasa b afaky hanafiky anazy reo vo handroaky anazy reo amy tany zaho. Fatako fa naiza na iza tahianao dra ho voatahy, dra na iza na iza hozoninao, dra ho voaozo.'' 7 Dra lasa reo loholon'i Moaba vo reo loholon'i Midiana, ninday gny sarany gny sikily.Laha teo amin'i Balama izy reo ka nizaka taminazy reo zakan'i Balaka. 8 Ho Balama tamin'ereo :''Mitoboa eto amizao hariva. Hizaka amindrareo ze zakan'i Yaveh aminahy zaho.''Dra nitoboky tao amin'i Balama tamy hariva zao reo mpitarik'i Moaba. 9 Laha teo amin'i Balama Zagnahary ka nanao ho:''Iza reo lelahy ze avy eto aminao reo?'' 10 Namaly an'Agnahary i Balama ho:''Balaka zanak'i Zipora, mazakan'i Moaba, gny nagniraky anazy reo hagnatiho aminahy. Ho izy: 11 'Indro, gny vahoaky ze avy laha tagny Egypta dra mandrakosy gny velarany gny taniko. Amizao miavia dra ozony izy reo ho anahy. Vasa hahavita hialy amin'ereo vo handroaky anazy reo zaho.'' 12 Namaly an'i Balama Zagnahary ho:''Sy handeha miaraky amin'ereo lelahy reo ianao. Sy hagnozo gny vahoakin'Israely ianao satria fa voatahy izy reo.'' 13 Nisanga i Balama gny maraindray ka nizaka tamin'ereo mpitarik'i Balaka ho:''Miharegna agny amy tanindrareo satria manda gny hamela anahy hiaraky amindrareo Yaveh,'' 14 Dra lasa reo mpitarik'i Moaba ka nihery tagny amin'i Balaka. Ho Izy reo :''Nanda sy hiaraky aminay i Balama.'' 15 Nagniraky mpitariky maro be voninahisy koa noho gny vondro voalolany draiky i Balaka. 16 Laha tagny amin'i Balama izy reo ka nanao taminazy ho:''Zao gny zakan'i Balaka zanak'i Zipora:''Ao ra sy hisy na ino na ino hanaka anao sy hiaraky aminay, 17 satria handoa soa lavisy vo hagnome voninahisy lahibe ho anao zaho, dra hanao anizay aby ze zakanao ataoko. Koa ka miavia ra ka ozony ho anahy anizay vahoaly zay.''' 18 Namaly Balama ka nanao tamin'ereo lelahin'i Balako ho:''Na dra hagnome anahy gny lapany feno volafosy vo volamena aza i Balaka , dra sy hihoasy gny zakan'i Yaveh, Zagnahariko, ka andasaky na ampitombo ze zakany aminahy zaho. 19 Koa amizao , ba mandignisa eto avo koa ra amizao hariva zao, ba ahafatarako gny raha maromaro ze zakan'i Yaveh aminahy.'' 20 Avy tamin'i Balama gny hariva Zagnahary ka nanao taminazy ho:''Satria avy ba hitoka anao reo lelahy reo, dra misangana ka miaraha amin'ereo. Nefa ze zakako anao ho ataonao avo gny atovy.'' 21 Nifoha maraindray i Balama, nagnisy lasely gny borikiny,ka nandeha niaraky tamin'ereo mpitarik'i Moaba. 22 Nefa nandeha iozy, dra nirehisy gny mazeky gny hahorian'Agnahary. Nipetraky teo an-dala tahaky gny mpifahavalo amin'i Balama, ze nitikirany gny borikiny gny azelin'i Yaveh. Niaraky taminazy avo koa gny mpanompon'i Balama ro. 23 Nahita gny azelin'i Yaveh nisanga teo an-dala gny boriky dra nisy sabasy voasoaky tegny an-tagnany. Niala tamy lala gny boriky ka nagnagny an-tanimboly. Nikapoky gny boriky ba hamery anazy amy lalany i Balama. 24 Dra nisanga teo amy farisy tery taminigny lala agnelagnelany gny tanimboaloboky maro gny azely, dra nisy fefy teo andany dra fefy raiky hafa teo agnilany. 25 Nahita gny azelin'i Yaveh draiky gny boriky.Nivoadosy gny rindry izy ka nanery gny tambon'i Balama taminizay nizeran'i Balama draiky izy. 26 Nandroso avo gny azelin'i Yaveh nisangana teo amy toera tery hafa ze sy misy lala ihovigna gny andany sy gny agnilany. 27 Nahita gny azelin'i Yaveh gny boriky, ka nilavo yamy tany tao ambanin'i Balama. Nirehisy gny fahorian'i Balama. Nirehisy gny ffahorian'i Balama, ka nizerany tamy angira gny boriky. 28 Dra nanokasy gny vavanigny boriky i Yaveh ba hizaka izy. Ho izy tamin'i Balama:''Ino gny ataoko anao ka nahavy anao hazera anahy ze intelo zay?'' 29 Namaly gny boriky i Balama ho:''Satria niamolamola taminahy ianao. Tokony ba nisy sabasy tetiho an-tagnako. Fa raha nisy, dra fa matiko ianao amizao.'' 30 Ho gny boriky tamin'i Balama:''Moa seky sy zaho gny borikinao ze nitikiranao nadrisy gny fiaignanao aby mandraky amizao nanao raha tahaky zao taminao zaho taloha?''Ho Balama ho:''Aha'' 31 Dra nisokafin'i Yaveh gny mason'i Balama, a nahita gny azelin'i Yaveh nijoro teo amy lalana dra misy sabasy voasoaky tegny an-tanimboly izy. Nagnondriky gny lohany ka niankohoky i Balama. 32 Ho Gny zaelin'i Yaveh ttaminazy:''Nanao akory gny nizerany gny borikinao ze intelo zay?Indro, avy tahaky gny mpifahavalo aminao zaho satria rasy gny raha nataonao teo anoloako. 33 Nahita anahy gny boriky ka naila anahy intelo zay. Raha sy niala anahy izy, dra fa nivonoko tokoa ianao fa hamelo anazy zaho.'' 34 Ho Balama taminigny azelin'i Yaveh:''Nanota zaho. Sy fatako fa nisanga teo anoloako teo an-dalana ianao. Koa amizao, raha sy mahafaly anao zay, dra hihery zaho. '' 35 Nefa ho gny azelin'i Yaveh tamin'i Balama:''Mandroso miaraky amin'ereo lelahy. Nefa reo tegny ze zakako anao zvo gny hozakanao.''Dra niaraky tamin'ereo mpitarik'i Balaka i Balama. 36 Raha ren'i Balaka fa tamy i Balama, dra niboaky hiseza anazy tao an-tanan'i Moaba tao Arnona izy, ze tao amy faritany. 37 Ho Balaka tamin'i Balama:''Moa seky sy nagniraky lelahy ba hitoka anao zaho? Nanao akory ianao gny sy avy teto aminahy? Moa seky sy afaky magnome voninahisy anao zaho?'' 38 Dra namaly an'i Balaka i Balama ho:''Indro, fa avy eto aminao zaho. Moa seky mana fahefana hizaka raha zaho amizao?Reo tegny ze apetrak'i Yaveh ao am-bavako avo gny azoko zaka.'' 39 Niaraky tamin'i Balaka i Balama., dra avy tao Kiriata-hozota izy reo. 40 Dra nanao soro agn'omby vo agn'ondry i Balaka ka nagnome hena ho an'i Balama vo reo mpitariky ze niaraky taminazy. 41 Gny maraindray , dra ninday an'i Balama niakasy tagny amy toera avon'i Bala i Balaka. Gny ampahan'ereo Israelita tao an-tabin'ereo avo gny hitan'i Balama avy tegny.