Toko faha 9

1 Nilisy tao an-sambo Jesosy, nisaky, dra avy tao amy tanany. 2 Indro, nisy lelahy marary gny paralysisa nandry teo am-pandria nandesin'ereo teo aminazy. fa gny nahita gny finoan'ereo , dra hoy Jesosy taminy lelahy marary gny paralysisa ho:''Anaka, ao ianao hifaly. Fa voavela gny helokan.'' 3 Indro, gny sasany tamin'ireo panora-dalana nanao ampo ho: ''Mizaka rasy io lelahy io.'' 4 Fatasin'i Jesosy gny eritserin'ereo dra nizaka ho:''Nanao akory ndrareo gny mieritseri-drasy ao am-pondrareo? 5 Fa iza gny moramora gny mizaka anazy ho:'Voavela gny helokao,'sa gny mizaka ho:'misangana dra mandehana?' 6 Fa ba ho fatandrareo fa gny zanah'olo dra mana fahefa hamela heloky eto agn'abony paraliysisa ho:''Misangana, hozony gny fandrianao dra mandehana agny an-tragnonao.'' 7 Laha teo nisanga gny lelahy dra nagnagny an-tragnony. 8 Fa gny nahita anizay gny vaohakyu, dra gaga ereo dra nidera an'Agnahary, zay nagnome fahefana mitovy anizay ho agn'olo. 9 Dra raha niala laha teo Jesosy, dra nahita lelahy nitokavy ho Matio Izy, zay nipetraky teo amy lainy famoria-ketra. Ho Izy taminazy ho:''magnaraha anahy.''Nisanga iay dra nagnaraky Anazy. 10 Dra raha nipetraky hihina tao an-tragno Jesosy, indro, pamory hetra vo olo mpanota maro avy dra niaranihina tamin'i Jesosy vo reo mpianany. 11 Fa gny nahita anizay reo fariseo, dra nizaka tamin'ireo mpianany reo ho:''Nanao akory gny mmpimpianasindrareo gny miara-mihina amy olo mijaly (mpamory hetra) vo gny olo mpanota?'' 12 Gny fa nahare anizay Jesosy , dra ho Izy ho:''Gny olo matazaky ara-bata dra sy mila mpisabo, fa reo ze marary avo. 13 Tokony mandeha mianasy andrareo gny dikany ho: 'famindram-po gny iriko fa sy soro.'Fa avy zaho, sy hitoka reo mary hibebaky , fa reo mpanota.'' 14 Laha teo nagnato anazy reo mpianasin'i Jaona dra nizaka ho; ''Manao akory zahay vo reo fariseo gny mifaly hany matetiky, fa reo mpianaso koa sy ba mifaly?'' 15 Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Mety alahelo se reo havany mpangalaky ,raha bo miaraky eo amin'ireo gny mpangalaky? Fa ho avy gny andro hangala gny mpangalaky eo amin'ereo dra amin'izay ereo vao hifaly hany. 16 Sy misy olo manampy akazo rota amy tapa-damba vaovao, fa gny tampy handrota gny lamba, dra hisy triasy rasy lavisy. 17 Sy misy olo magnisy divay vaovao ao agnatiny siny holisy rota. Raha manao anizay ereo, dra ho triasy gny siny holisy, ho raraky gny divay dra ho vaky gny siny holisy. Fa magnisy divay vaovao ao agnaty siny holisy vaovao ereo, dra voaza izy ro.'' 18 Raha bo nizaka reo raha reo tamin'ereo Jesosy , dra indro, nisy manam-pahefana raiky avy dra nandohaliky teo aminazy. Mizaka izy ho: ''Maty amizao gny zanakapelako, fa avia dra apetraho eo aminazy gny tagnanao, dra ho velo izy.'' 19 Laha teo nisanga Jesosy dra nagnaraky anazy, dra nanao manahaky anizay koa reo mpianany. 20 Indro, nisy ampela zay fa nandeha lio nandrisy gny ro ambiny folo tao, nagnao afaran'i Jesosy dra nikasiky gny moron'akazony. 21 Fa hoy izy tamy vatany ho:''Raha mahavoakasiky gny lambany avo zaho, dra ho sitrany.'' 22 Fa nitoliky Jesosy dra nahita anazy, dra nizaka ho:''Ry zanakapela, mahereza;gny finoanao gny nahasitrany anao.''Dra sitrany gny ampela nanomboky tamin'io lera io. 23 Gny fa avy tagny amy tragnony gny manam-pahefa Jesosy, dra nahita reo mpisioky sodina vo reo vahoaky nareviky Izy. 24 Dra hoy Izy ho:''Mandehana, fa sy maty gny zazapela fa mandry izy.''Fa nihomehy anazy tamy fandasa ereo. 25 Gny fa naboaky tagny ambaliky gny vahoaky, dra nilisy tao agn'efisy Izy dra nandray anazy tamy tagnany, dra nisanga gny zaza ampela. 26 Niely nanera gny farisy aby gny vaovao mbomba anizay. 27 Dra raha niala teo Jesosy, dra nisy poaky ro lahy nagnaraky anazy. Sy nizano nitoka ereo sady nizaka ho:''Mamindra fo aminay, ry zanak'i Davida!'' 28 Gny fa avy tao an-tragno Jesosy, dra nagnato tamin'ireo ho:''Mino se andrareo fa mahay manao anizay Zaho?''Dra hoy ereo taminazy ho:''Eka, Topo.'' 29 Laha teo nikasihin'i Jesosy gny mason'ereo dra nizaka ho:''Ho tateraky amindrareo araky gny finoandrareo anie zay,'' 30 dra nahirasy gny mason'ereo. Laha teo Jesosy nandidy fatrasy anazy reo dra nizaka ho:''Ao ba sy hisy olo ahafatasy momba anizao.'' 31 Fa nandeha reo ro lahy dra nampiely gny vaovao momba anizay nagnera gny farisy . 32 Dra raha nandeha reo ro lahy, dra indro, nisy lelahy moana nipetrarany devoly nandesy teo amin'i Jesosy. 33 Dra gny fa vaboaky gny devoly, dra nizaka gny lelahy moana. latsa gny vahoaky dra nizaka ho:'Sy bo fahita hatrizay tamin'Israely zao!'' 34 Fa hoy reo fariseo ho:''Tamigny fanapahan'ireo devoly gny namoahany reo devoly.'' 35 Nandeha nizaka reo tanan-dehibe vo reo vohisy iaby Jesosy. Nanohy nampianasy tagny amin'ireo synagogan'ereo Izy, nitory gny filazasara gny fazaka, dra nagnasitrany reo karazan'arety aby vo reo karaza fahararia iaby. 36 Gny fa nahita reo vahoaky Izy, dra nana fangoraham-po tamin'ereo,satria niahiahy vo kivy ereo. Manahaky gny agn'ondry sy misy mpiamby reo. 37 Dra hoy izy tamin'ereo mpianany ho:''Maro gny vokasy , fa reo piasa gny keliky. 38 Noho zay mivavaha malaky amy Topo gny vokasy, ba andesany piasa egny amy vokasiny.''