Toko faha 10

1 Nitokavin'i Jesosy niaraky reo pianany ro ambiny folo dra nagnome anazy reo fahefa amin'ireo fagnahy maloto, ba handroaha anazy reo, vo hagnasitrana reo karazan'arety vo karaza fahararia iaby. 2 Dra tahoky aby gny agnaran'ireo apostoly ro ambiny folo. Gny volohany, simona ( zay tokavy avo koa ho: Petera). dra Andreo rahalahiny; jakoba zanadahin'i Zebede, vo i Jaona rahalahiny; 3 Filipo, vo i Barteleomy; Tomasy, vo i Matio gny mpamoro hetra; Jakoba zanadahin'i alfeosy,dra Tadeosy; 4 Simona gny Zelota,dra Jodasy Iskariota, gny hamaliky anazy. 5 Nirahin'i Jesosy izy ro ambiny folo.Nanoro anazy reo Izy dra nizaka ho:''Ka mandeha agny amy toera ze hitoera gny zetilisa andrareo, dra ka milisy amy renivohin'ereo Samaritana. 6 Fa mandehana koa agny amin'ereo agn'ondry levo amy taranak'Israely; 7 dra gny fa mandeha andrareo,dra mitoria dra ambarao ho:'Fa mariny gny fahaviany Fazahanigny lagnisy.' 8 Sitrano gny marary, asangano gny maty liovy reo boka, dra roaho reo devoly. Araky gny nahazoandrareo maimaimpoa, dra magnomeza avo koa maimaimpoa. 9 Ka mandesa volamena, volafosy, dre varahina ao amy kitapom-bolandrareo. 10 Ka mandesa kitapom-basy amin'izay andehanandrareo, dre akazo hafa, dre kiraro,dre tehy, fa gny mpiasa dra mendriky hahazo gny sakafony. 11 Dre ino dre ino tana-lahibe dre tana masaiky hilindrareo, taliavo ze mendriky ao, dra mitoera ao mandra-pialandrareo. 12 Raha vao milisy ao amy tragno andrareo, dra miarahaba gny ao. Raha mendriky gny tragno, dra ao gny fiadanandrareo ho avy ao. 13 Fa raha sy mendriky koa zay, dra ao gny fiadanandrareo hihery amindrareo. 14 Ho an'ereo ze sy mandray andrareo dre sy miteno gny zakandrareo, dra ahisagno gny botany amy tombondrareo, gny fa miala amin'izay tragno dre tanan-lahibe zay andrareo. 15 Zakako mary amindrareo, fa ho moramora koa gny agny tanin'i Sodoma vo Gomora amy andro fisara noho zay tana-lahibe zay. 16 Indro, handefa andrareo manahaky gny agn'ondry eo agnevo gny amboa zaho, koa mihendrea tahaky gny menarana dra sy manasigny tahaky gny voromailala. 17 Mitandrema gny amy olo! Hanolosy andrareo eo amy fila-kevisy ereo, dra hazera andrareo ao amy sinagogan'ireo. 18 Laha teo dra andesy manoloa gny governora vo gny pazaka andrareo noho gny Aminahy, ba ho vavolombelo ho anazy reo vo ho an'ereo zetilisa. 19 Gny fa manolosy andrareo ereo, dra ka mana ahiahy gny amy ho dre ino gny ho zakandrareo, fa home andrareo amun'io lera io ze tokony ho zaka. 20 Fa sy andrareo gny hizaka , fa gny Fagnahiny gny Randrareo gny hizaka ao amindrareo. 21 Gny rahalahy dra hanolosy gny rahalahy ho amy fahafatesa, dra gny ray dra gny zanany. Gny zanaky dra hisanga hanohisy gny ray mandren-dreniny ka hahavy gny fahafatesan'ereo. 22 Ho halagn'oloiaby andrareo noho gny amy agnarako.Fa dre iza dre iza miharisy hatramigny farany,dra ho voavozy zay olo zay. 23 Gny fa magneziky andrareo ao amin'io tanalahibe io ereo,dra milomesa agny amy magnaraky,fa zakako mary amindrareo, fa st hahatapisy reo tanan'Israely mialoha gny hiavian'i Zanak'olo iandrareo. 24 Gny mpianasy dra sy lahibe noho gny mpampianasy,dre gny mpanopo ho agn'abony noho gny topony. 25 Apy ho agny mpianasy raha avy gny mpampianasy izy,dra gny mpanompo mitovy gny zeboba gny topogny tragno, dra ho rasy lavisy manahaky gny akory reo agnara hitokavan'ireo gny isam-piakohoana! 26 Noho zay ka matahosy anazy reo, fa sy hisy tako sy hiseho,dra raha-mivony zay sy ho fatasy. 27 Zay zakako andrareo ao amy hezy,dra zakao amy andro mazava,dra ze bisibisisika rendrareo amy sofindareo,dra torio egny agn'abony tafin-tragno. 28 Ka matahosy an'ereo ze mamono gny vata kanefa sy afaky mamono gny fagnahy.Fa matahora an'izayagny amy helo. 29 Moa se sy vola madiniky gny hamarota foly ro? Fa sy bo misy dra raiky amin'ereo ho nilavo amy tany raha sy misy gny fahalalagny Randrareo. 30 Fa dre gny volon-dohandrareo aza voaisaky avo koa. 31 Ka matahosy . Manan-daza avo gny foly maro andrareo. 32 Noho zay aby magneky anahy eo anatreha gny olo,dra ho ekeko avo koa eo anatrahany Rako zay agny an-dagnisy. 33 Fa zay manda Anahy eo anatrehany gny olo koa,dra handagnako avo koa eo anatrehany gny Rako ze agny an-dagnisy. 34 Ka mieritseritsy fa izaho dra avy handay fiandagna eto an-tany.Sy avy ba handay fiadana Zaho,fa sabasy. 35 Fa avy zaho hagnasaraky gny zanadahiny amy rany, vo gny zanakapelany amy reniny, dra gny vinatovavy amy rafozam-bavy. 36 Reo ze ao an-tokatragnony avo gny ho hazary fahavalony gny olo. 37 Zay tia gny rany dre gny reniny mihoasy Anahy dra sy mendriky Anahy; dra ze tia gny zanadahiny dre zanakapelany mihoasy anahy dra sy mendriky Anahy. 38 Ze sy manday gny hazofizaliany dra magnaraky anahy dra sy mendrky Anahy. 39 Ze mamozy gny gnainy dra hahalevo zay.Fa ze mahalevo gnainy noho gny aminahy dra hahita anizay. 40 Ze mandramby andrareo dra mandramby Anahy, dra ze mandramby Anahy dra mandramby gny nagniraky anahy avo koa. 41 Ze mandramby gny mpaminany satria mpaminany izy dra ze mandramby gny olo-mary satria olo-mary izy dra hahazo gny valisoa gny olo-mary. 42 Dre iza dre iza magnome gny raiky amin'ereo madiniky indrindra io,dre dra rano mangasiaky raiky finga ho hominy avo,satria izy mpianasy ,dra zakao mary amindrareo fa sy ho levo gny valisoany.''