Toko faha 11

1 Dra gny fa avy nampianasy reo mpianany ro ambiny folo Jesosy, dra niala laha teo Izy hampianasy vo hitory agny amy tanan'ereo. 2 Gny fa ren'i Jaona tao am-pigandra gny momba reo asan'i Kristy,dra nandefa hafasy tamy alalan'ireo mpianany izy 3 dra nizaka anazy ho:''Anao se gny ra ze ho avy, sa tokony hitalia hafa zahay?'' 4 Jesosy namaly dra nizaka anazy reo ho: ''Mandehana dra zakao amin'i Jaona zay hitandrareo vo rendrareo.'' 5 Mahazo fahita reo poaky, mandeha reo olo malemy,liovy reo boka, mahare draiky reo olo maregny,asangako velo reo olo maty,dra agnambara reo vaovao mahafaly gny mizaly. 6 Sambasy ze sy fatitohy noho gny aminahy.'' 7 Raha nandeha tegny amy lalany reo lelahy reo,dra nanomboky nizaka gny momban'i Jaona tamin'ereo vahoaky Jesosy ho:''Hagnety ino gny hiboahandrareo agny agn'efisy- volotara sofiny sioky? 8 Nefa hagnety ino gny niboahandrareo-lelahy manao akazo lafo? Indro,reo ze manao akazo lafo dra mipetraky ao an-tyragnon'ereo pazaka. 9 Nefa hagnety ino gny niboahandrareo mpaminany? Eka, mizaka amindrareo zaho,dra mihoasy lavisy n0oho gny mpaminany. 10 Izy gny voasorasy ho:'Hatio, magniraky gny rako hialoha gny tarehindrareo Zaho, ze hagnoma gny lalandrareo mialoha andrareo.' 11 Zakako mary amindrareo, fa amin'ireo ze nateraky ampela dra sy misy lahibe mihoasy noho Jaona mpanao Batisa. Nefa gny olo sy manan-daza indrindra eo amy fazaka gny lagnisy dra lahibe noho izy. 12 Nanomboky tamy andron'i Jaona mpanao Batisa dra hatramin'izao, dra miarisy amy herisetra gny fazakany gny lagnisy,dra reo olo mahery setra dra mangalaky mandrava anazy. 13 Fa reo mpaminany aby vo gny lalana dra fa naminany hatramin'i Jaona; 14 dra raha sitrakindrareo gny haneky anizay,dra Izy gny Elia gny ho avy. 15 Zay mana sofy andesy hiteno,ao izy hiteno. 16 Amign'ino gny tokony hampitahako itiho taranaky itiho? Zay dra manahaky gny mota mihira egny amy tsena, zay mipetraky vo mifampitokatoka 17 dra mizaka ho:'Nitsoka sodina ho andrareo zahay, fa sy nisizaky iandrareo. Nanao atsa fisaora zahay,fa sy nitomagny andrareo.' 18 Fa Jaona dra sy avy hihina mofo dre hino divay,dra ho izy reo ho:'Mana devoly izy.' 19 Gny zanak'olo dra avy hihina vo hino dra ho izy reo ho: 'Hatio,lelahy tia-hany vo mpimamo izy,naman'ereo mpamory hetra (mpangataky) vo reo mpanota!'Fa gny fahendre dra voamary tamin'ereo asany.'' 20 Laha teo Jesosy nanomboky nizaka fatrasy reo tana ze nanovany gny akamaroany gny asany mahalatsa, satria sy nibebaky ereo. 21 ''Loza ho andrareo,ry Korazina! Loza ho andrareo,ry Betsaida! Raha natao tagny Tyra vo Sidona reo asa mahalatsa ze natao teto amindrareo,dra fa ela gny nibebaky tamy lamba fandala vo lavenoky ereo. 22 Nefa ho moramora koa gny agny tyra vo Sidona amy androgny fisara mihoasy noho gny andrareo. 23 Andrareo, ry Kapernaomy, mihevisy se andrareo fa hasandrasy agny an-dagnisy? Haha, andesy hizoso agny amy helo andrareo. Satria raha tagny Sodoma gny natao reo asa mahalasa ze natao teto amindrareo,dra bo ho tavela zay mandrak'androany. 24 Nefa mizaka amindrareo Zaho fa ho mora koa agny tanin'i Sodoma gny androny fisara noho gny ho amindrareo.'' 25 Tamin'izay fotoa zay Jesosy nizaka ho:'' Midera Anao Zaho,ry Ray,Topony gny lagnisy vo gny tany,satria Ianao gny nagnavony reo raha reo tamy hendry vo gny mahay,dra nagnambrara reo tamin'ereo ze sy mahay,manahaky reo mota madiniky. 26 Eka, ry Ray,satria zay dra nahafinarisy teo amasonao. 27 Gny raha iaby nahakiny taminahy dra laha tamy Rako;dra sy misy mahay gny zanaky afa-sy gny Ray dra sy misy mahay gny Ray afa-sy gny zanaky,vo ze filiny gny zanaky hagnambrara anazy. 28 Mandehana atiho aminahy, andrareo aby ze miasa vo minday mavesasy , dra omeko fisahara andrareo. 29 Andeso gny ziogako dra mianara aminahy,fa malemy fagnahy vo manendry tegna am-po Zaho,dra hahita fisahara ho an'ereo fanahindrareo andrareo. 30 Fa mora gny ziogako dra meva gny vatako.''