Toko faha 8

1 Fa gny nilisy laha tegny an-tendrombohisy Jesosy, dra vahoaky maro gny nagnaraky anazy. 2 Indro, nisy boka raiky nagnato anazy dra nandaly teo anoloany, nanao ho:''Topo, raha sitrakao, dra afaky magnalio anahy Ianao.'' 3 Nagnisy gny tagnany Jesosy dra nihasyu anazy, nanao ho:''Sitrako.Mahaliova.''Teo no ho eo dra nalio tamy fahabokany izy. 4 Hoy Jesosy taminazy ho:''Ao ba sy hizaka dre ino dre ino na amin'iza na amin'iza anao. Mandehana amy lalanao, dra asehoy amy pisoro gny vatanao dra atolory gny fagnatisy ze nididian'i Mosesy, ba ho fizoroa vavolombelo amin'ireo.'' 5 Fa gny nilisy tao Kapernaomy Jesosy, dra nagnato anazy gny Kapiteny raiky dra nagnotany anazy, 6 nanao ho:''Topo,mandry ao an-tragno gny panopoko fa malemy dra ao agnatigny faharariam-be.'' 7 Hoy Jesosy taminazy ho:''Ho avy Zaho dra hagnasita anazy. 8 Namaly gny kapiteny dra nanao ho:''Topom sy mendriky zaho gny tokony hiliranao ao ambany tafo-tragnoko, zakao avo gny zaka dra ho sitrany gny panompoko. 9 Fa zaho avo koa dra lelahy ze napetraky ao ambany fahefa,dra mana miaramila ze feheziko zaho. Mizaka amy raiky zaho ho:'Mandehana,'dra mandeha izy, dra amy hafa raiky ho:'Avia,dra magnato izy, dra amy panopoko ho:''Atovy zao,'dra ataony zay.'' 10 Fa gny ren'i Jesosy zay,dra lasa (gaga) Izy dra nizaka tamin'ereo ze nagnaraky anazy ho:''Zakako mary amindrareo, fa sy bo nahita olo nanam-pinoa manahaky anizay zaho teto Israely. 11 Zakako amindrareo, fa maro gny laha tagny asignana vo laha tagny andrefa gny ho avy, dra ereo dra hipetraky eo an-databasy miaraky amin'i Abrahama, Isaka dra Jakoba, agny amy fazakany gny lagnisy. 12 Fa reo zanaky gny fazaka dra hatoeaky agny ambaliky gny mezy lavisy agny, ze hisy fitomagnia vo fikitroha-nify.'' 13 Hoy Jesosy taminigny kapeteny ho:''Mandehana! Araky gny ninoanao, dra ao zay ho atao ho anao.''Dra sitrany tamin'izay lera zay mihisy gny panopo. 14 Fa gny nilisy tao an-tragnon'i Petera Jesosy, dra nahita gny rafozam-bavin'i Petera nandry narary gny tazo Izy. 15 Niharan'i Jesosy gny tagnany, dra niala taminazy gny tazo. Dra nisanga izy dra nanomboky nandroso sakafo anazy. 16 Fa gny avy gny hariva, dra maro reo nifehezy gny devoly nandesin'olo teo amin'i Jesosy. Nandroaky reo fagnahy taminy tegny Izy dra nagnasitra an'ireo iaby ze narary. 17 Manahaky anizay gny nahatateraky ze nambara tamin'Isaia paminany, nanao ho:''Izy vatany nangalaky gny faharariasika vo ninday reo aretisika.'' 18 Dra gny fa hitan'i Jesosy reo vahoaky napalipalisy anazy, dra nagnome toromariky ba hiala ho egny andafiny ranomasy Galilia Izy. 19 Laha teo gny panoran-dala raiky nagnato anazy dra nanao ho:'' Ry mpampianasy, hagnaraky anao zaho dre eza dre eza handehanano.'' 20 Hoy jesosy taminazy ho:''Gny amboahaolo manan-davaky,dra reo voro gny lagnisy mana akany. fa gny Zanak'olo sy mana dre eza dre eza ampandria gny lohany.'' 21 Raiky hafa tamin'ireo mpianasy nizaka taminazy ho:''Topo, angao zaho andeha aloha dra andevy gny rako.'' 22 Fa hoy Jesosy taminazy ho:''Magnaraha Anahy, dra angao gny maty andevy gny maty ao aminazy manoka.'' 23 Fa gny nilisy tao amy sambokely raiky Jesosy, dra nagnaraky Anazy tao agnatin'ireo mpianany. 24 Indro, nisy tafio-drivosy mahery niseo teo amy ranomasy. dra rakoky gny morony gny sambo.Fa tafandry Jesosy. 25 Nangneo aminazy reo mpianasy dra namoha anazy, nanao ho:''Vozeo isika, Topo; ho maty isika!'' 26 Hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Nanao akory andrareo gny matahosy, ry masaiky finoa?''Dra nisanga Izy laha teo dra nizaka fatrasy gny sioky vo gny ranomasy. Dra nisy fizanogna laha teo. 27 Latsa (gaga) reo lelahy dra nizaka ho:''Fa karaza lelahy ino tiho, fa dre dra gny sioky vo gny ranomasy aza magneky anazy ?'' 28 Fa gny avy tegny andafiny vo teo amy tanan'i Gadarenesa Jesosy, dra nisy lelahy ro zay nifeheny devoly nifakato taminazy. Izy reo dra niboaky laha tagny amin'ireo lolo dra tena nahery setra, noho zay dra sy nisy mpandeha afaky niriosy gny lala zay. 29 Indro, nikoraky fatrasy ereo dra nanao ho:''Moa mpifagnino seky izahay vo ianao, ry Zanak'Agnahary? Avy eto se ianao hampatahosy anay mialoha gny fotoa voatondro?'' 30 Dra nisy andi-koso maro nihina teo, sy dra lavisy anazy reo. 31 Bo niangavy an'i Jesosy avo reo devoly dra nanao ho: ''Raha mandroaky anay Ianao, dra alefao ao agnatin'ereo andi-koso reo zahay.'' 32 Hoy Jesosy tamin'ereo ho: ''Mandehana !''Dra niboaky reo devoly dra nangao amin'ireo koso; dra indro,reo andiany aby nenga nizoso gny vohisy mideza nagnagny an-dranomasy dra maty tao agnaty rano ereo. 33 Reo ze nikarakara reo koso dra nilomalomay dra nagnagny amy tana nereo dra nitao gny raha aby, dra indrindra zay nisanga tamin'ereo lelahy zay nifehen'ereo devoly. 34 Indro, niboaky reo tao an-tana iaby ba hifakahita amin'i Jesosy. Fa gny hitan'ereo Izy , dra nangataky anazy ba hagnenga gny faritanin'ereo.