Toko faha 26

1 Gny fa vitan'i Jesosy ze zaka zay,dra nizaka tamin'ereo mpianany Izy ho: 2 ''Fatasindrareo fa afaky ro andro dra ho avy gny Pasaka,dra hatolosy homboa amin'gny hazofizalia gny Zanak'olo.'' 3 Laha teo gny lehiben'gny pisoro vo gny loholo niara-nivory tao amin'gny lapan'gny pisorom-be,ze nitokavy ho Kaiafa. 4 Niara-nanao tetiky ereo ba hanambosy mangyky an'i Jesosy dra hamono Anazy. 5 Fa ho ereo ho:''Sy amin'gny fety,ba sy hisian'gny korota eo amin'gny olo.'' 6 Dra Jesosy gny fa tao Betania tao an-tragnon'i Simona boka, 7 raha nipetraky nihina teo amin'gny latabasy,dra nisy ampela raiky nana botela alabastara feno menaky lafo vily nagnato Anazy,dra nandraraky anizay tamin'gny lohany. 8 Fa gny hitan'ereo pianany zay,dra ory ereo dra nanao ho:''Ino gny aton'izao fandania zao? 9 Afaky navily sarosy dra nome reo mizaky io.'' 10 Fa Jesosy,nahafatasy anizay,nizaka anazy reo ho:''Nanao akory andrareo gny manahira-say rapela?Fa raha soa gny nataony taminahy. 11 Eo amindrareo mandrakizay gny mizaly,Fa zaho dra sy ho eo amindrareo mandrakariva. 12 Fa gny nandraraky anizay menaky magnisy zay tamin'gny vatako izy,dra nataony ho agny fandevegna Anahy zay. 13 Zakako mary amindrareo,dre eza dre eza hitoria gny filazasara eto amin'izao toto zao aby,ze nataon'itiho ampela itiho dra ho zaka avo koa ho fahasiarova anazy.'' 14 Laha teo gny raiky tamin'ereo ro ambiny folo,ze nitokavy ho Jodasy Iskariota, nagnagny amin'gny lahiben'gny pisoro 15 dra nanao ho:''Omeondrareo hotrino zaho hanolorako Anazy amindrareo?''Nandaza volafosy maliniky telopolo ereo ho anazy. 16 Tamin'izay fotoa zay dra nitalia fahafaha izy ba hanolora Anazy amin'ereo. 17 Tamin'gny andro volohan'gny mofo sy misy lalivay dra nagnato an'i Jesosy reo pianasy dra nizaka ho:''Eza gny tianao hanomananay ho anao hihina gny hanin'gny Pasaky?'' 18 Namaly Izy ho:''Milira ao an-tana misy lelahy raiky dra zakao izy ho:'Hoy gny mpampianasy ho:''Fa mariny gny fotoako.Ato an-tragnonao Zaho gny hanao gny pasaky miaraky amin'ereo mpianasy.'''''' 19 Nataon'ereo pianany araky ze nampanovin'i Jesosy zay,dra nagnoma gny sakafon'gny pasaky ereo. 20 Gny fa avy gny hariva,dra nipetraky nihina niaraky tamin'gny pianany ro ambiny folo Izy. 21 Gny fa nihina ereo,dra ho Izy ho:''Zakako mary amindrarro fa hisy raiky amindrareo hamaliky Anahy.'' 22 Nalahelo ereo dra nanomboky nagnotany Anazy kirairaiky ho:''Sy ho zaho mihisy ,ry Topo?'' 23 Namaly Izy ho:''Ze niaraky nampisoboky gny tagnany taminahy tao agnaty finga gny raiky hamaliky Anahy. 24 Handeha gny Zanak'olo,araky ze fa voasorasy momba Anazy.Nefa lozan'gny olo ze hamaliky gy Zanak'olo! Soa avo ho an'izay olo zay gny sy teraky .'' 25 Jodasy,ze hamaliky Anazy nizaka ho:''Izaho se zay,Raby o?''Ho Izy taminazy ho:''Voalazanao.'' 26 Raha bo nihina ereo,dra nangalaky gny mofo Jesosy,nisaosy,dra nanapaky anizay.Nomeny reo pianasy izay dra nizaka ho:''Rambeso,hano.Itiho gny Vatako.'' 27 Nandray gny Kapoaky Izy dra nisaosy dra nagnome anizay reo dra nizaka ho:''Andrareo aby,nomy itiho. 28 Fa itiho gny lion'gny fanekem-pihavaha arosaky ho agny maro ho famela-keloky. 29 Fa zakako amindrareo,fa sy ba hino gny vokasy gny voloboky sasy Zaho, mandra-pihavinin'gny fisotroa vaovao hiarahako amindrareo agny amin'gny fazakan'gny Rako.''' 30 Gny fa niatsa asa fidera ereo,dra nandeha tagny amin'gny lohambohisin'i Oliva. 31 Laha teo hoy Jesosy tamin'ereo ho:''Andrareo aby dra hiriosy Anahy nohon'gnuy amimahy amiza hariva za, fa voasorasy ho:''Hamarosy gny mpiaraky agn'ondry Zaho dra hibarakay gny agn'ondry.' 32 Fa tafarany gny fisanganako amin'gny maty,dra handeha aloha gny lala drareo agny Galilia .'' 33 Fa Petera nanao ho Taminazy ho:''Dra hagnenga nohon'gny aminao avo gny maro,zaho sy ba hagnenga mihisy.'' 34 Hoy Jesosy taminazy ho:''Zakako mary aminao,fa anizao hariva zao raha bo sy magneno gny akoho,dra handa Anahy itelo anao.'' 35 Petera nizaka taminazy ho:''Dre dra sy maisy ho maty miaraky aminao avo zaho,dra sy hagnenga anao.''Manahaky anizay avo koa gny nizakan'ereo pianasy hafa. 36 Dra Jesosy nandeha niaraky tamin'ereo nagnagny amy toera atao ho Getsemane dra nizaka tamin'gny pianany ho:''Mipetraha eto raha bo handeha eriho hivavaky Zaho.'' 37 Ninday an'i petera bamin'gny zanak'i Zebedio ro lahy Izy dra nanomboky nalahelo vo ory. 38 Laha teo ho Izy tamin'ereo ho:''Fadiranovana gny fagnahiko,manahaky gny fa ho maty. Mitoera eta dra mihambena miaraky aminahy.'' 39 Nisitaky Izy, nandohaliky dra nivavaky.Ho Izy ho:''Ry Rako,raha azo atao,dra ao alao aminahy itiho kapoaky itiho.Nefa,ao sy araky gny sitrapoko ,fa gny sitraponao.'' 40 Nagnato reo pianany Izy dra nahita anazy reo te-handry,dra ho Izy tamin'i petera ho:''Ino,sy mahavita miamby miaraky aminahy dre dra lera raiky avo se andrareo? 41 Miambena dra mivavaha ba sy ho azon'gny fakam-panahy andrareo.Mety avo gny fagnahy,fa gny nofo gny malemy.'' 42 Bo nandeha fanindrony Izy dra nivavaky.Ho Izy ho:''Ry rako,raha toa sy azo ala aminahy itiho raha sy mino Zaho,dra ho atao seky gny sitraponao.'' 43 Nihery draiky Izy dra bo nahita anazy reo nandry,fa navesasy gny mason'ereo. 44 Dra nagnenga anazy reo draiky Izy,lasa dra nivavaky fanitelony,nizaka gny zaka reo avo. 45 Laha teo Jesosy nagnato reo pianasy dra nanao tamin'ereo ho:''Bo mandry vo manalaky havozaha seky andrareo?Hatio,fa mariny gny fotoa,dra gny Zanak'olo dra hatolosy eo an-tagnan'ereo panota. 46 Misangana,andeha isika.Hatio,fa mariny gny hamaliky Anahy.'' 47 Raha bo nizaka Izy,dra avy Jodasy,raiky amin'ereo ro ambiny folo.Nisy vahoaky maro avy niaraky taminazy laha tamin'gny lahibenympisoro vo reo loholo.Avy niaraky tamin'gny lefo vo langilangy ereo. 48 Dra nagnome famatara anazy reo gny lelahy hamaliky an'i Jesosy,manao ho:''Ze horohako,gny Izy.Sambory Izy.'' 49 Teo no eo avo dra nagnato an'i Jesosy izy dra nizaka ho:''Finarisy,Raby!''Dra nagnoriky Anazy izy. 50 Hoy Jesosy taminazy ho:''Ry sakaiza,atovy ze lianao eto.''Laha teo avy izy reo,nanondrosy tagna tamin'i Jesosy,dra nisambosy Anazy. 51 Indro,gny raiky tamin'ereo niaraky tamin'i Jesosy nananga gny tagnany,nagnapotaky gny lefony,nikapa gny panopon'gny mpisorom-be,dra nahafaky gny sofiny. 52 Laha teo hoy Jesosy taminazy ho:''Hahireno gny toerany gny lefonao,fa reo ze nandray lefo dra ho vono amy lefo. 53 Mieriserisy se andrareo fa sy afaky mitoka gny Rako Zaho,dra Izy dra afaky mandefa ho Anahy tafik'azely mihoasy noho gny ro ambiny folo? 54 Fa atao nanao akoryzay gny hahatateraky gny Sorasy Masy,ze mizaka fa sy maisy hisanga zay?'' 55 Tamin'izay andro zay Jesosy nizaka tamin'gny vahoaky hô:''Avy miaraky amy lefo vo langilangy hanambosy Anahy tahaky gny malaso se andrareo?Isan'andro dra nipetraky napianasy teo amin'gny fengona Zaho,fa sy nisamborindrareo. 56 Fa zay aby zay dra nisanga ba hahatateraky ze voasorasin'ereo paminany.''Laha teo niriosy Anazy reo mpianasy iaby dra nilomay. 57 Nandesin'ereo nanambosy anazy tagny amin'i Kaiafa pisorom-be Jesosy,ze nivorian'ereo panora-dalana vo loholo. 58 Fa petera nagnaraky Anazy laha tagny nagnagny amin'gny kiazany pisorom-be.Nilisy tao anagnatiny izy dra nipetraky niaraky tamin'ereo mpiamby raharaha ba hahita ze hiafarany. 59 Dra gny lahiben'gny pisoro vô ereo Synedriona aby dra nitalia anova anazy sy mary manohisy an'i Jesosy, ba mety ahafahan'ereo mamono Anazy. 60 Sy nahita dre ino dre ino ereo,dre dra nisy pijoro vavolombelo maro sy mary avy avo teo.Dra masaiky laha teo dra nisy ro avy nagnato teo 61 dra nizaka hô:''Io lelahy io dra nizaka hô:'Afaky mandrava gny fengonan'Agnahary Zaho dra mananga anizay draiky afaky telo andro.''' 62 Nisanga gny mpisorom-be dra nanao taminazy hô:''Sy mana-kavaly se anao?Ino zay rasy nanamboran'ereo Anao zay?'' 63 Fa sy nizaka Jesosy.Hoy gny pisorom-be taminazy hô:''Mandidy Anao amin'gny alalan'Agnahary velo zaho,zakao aminay raha anao gny Kristy,Zanak'Agnahary.'' 64 Jesosy namaly anazy hô:''Voalazanao.Fa zakako amindrareo,manomboky zao dra ho hitandrareo gny Zanak'olo hipetraky eo an-tagna ankavanan'gny Hery,dra ho avy eo amy rahon'gny lagnisy.'' 65 Laha teo gny pisoro nangitikitiky gny akazony dra nizaka hô:''Nizaka rasy Izy! Nanao akory isika gny bo mila pizoro vavolombelo?Indro,rendrareo gny zakany rasy zao. 66 Ino gny hevisindrareo?''Namaly ereo dra nanao hô:''Mendriky gny ho maty Izy.'' 67 Laha teo ereo nandrora gny tamy tarehiny vô nazera Anazy,dra nanapify Anazy , 68 dra nanao hô:''Maminania aminay,ry Krisy.Iza gny nazera Anao?'' 69 Dra Petera ambaliky gny kiaza,dra nisy mpanompo ampela avy nagnato anazy nizaka hô:''Anao avô koa dra niaraky tamin'i Jesosin'i Galilia.'' 70 Fa nanda anizay teo anoloan'ereo izy,manao hô:''Sy fatako ze gny zakanao.'' 71 Gny fa niboaky gny vavahady izy,dra nisy mpanopo ampela hafa nahita anazy dra nizaka tamin'ireo ze teo hô:''Itiho lelahy itihô avo koa dra niaraky tamin'i Jesosy laha tagny Nazareta.'' 72 Bo nanda draiky izy niaraky tamin'gny fianiana ho:''Sy fatako ze lelahy zay!'' 73 Nony afaka tselatsela dra nagnato reo ze nisanga teo dra nizaka tamin'i Petera hô:''Ianao avo koa dra tena raiky amin'ereo,fa gny fomba fizakanao dra miampanga anao.'' 74 Laha teo nanomboky nagnozo vo ninia dra nanao hô:''Sy fatanao ze lelahy zay.''Dra teo no eo dra nagneno gny akoho. 75 Tadidin'i Petera gny zaka nambaran'i Jesosy hô:''Bo sy magneno gny akoho dra handa Anahy itelo anao.''Laha teo izy niboaky dra nitomagny fatrasy.