Toko faha 27

1 Dra fa niamary gn'andro,dra nitetiky hanohisy an'i Jesosy ba hamono Anazy reo lahiben'gny pisoro vo gny loholo aby. 2 Izy reo namafehy Anazy,nitariky Anazy ambaliky agny ,dra nanolosy Anazy tamin'i Pilato gevernora. 3 Dra Jodasy,gny namaliky Anazy,gny fa nahita fa voaheloky Jesosy,dra nibebaky izy dra nagnery gny volafosy telopolo tamin'ereo lahiben'gny pisoro vo reo loholo,dra nizaka hô:''Nanota zaho tamin'gny namalihako lio sy manasigny.''Fa izy reo nizaka hô:''Ataonay ino?Anao zay.'' 5 Dra natorany tao ampengona gny volafosy,dra nagnenga vo niboaky vo namehy gny vatany Izy. 6 Reo lahiben'gny pisoro nangalaky reo volafosy dra nizaka hô:''Sy ara-dala gny mametraky itiho ao amy fignazam-vola,satria itiho dra vilan-dra.'' 7 Niaraky niresaky gny olana ereo dra nivily gny tanin'gny panao vilagny tanimanga ze handevegna reo vahiny tamin'ereo vola. 8 Dra zay gny atony nitokava anizay tanimboly zay hô:''Tanimbonin'gny Lio''mandrak'androany. 9 Dra tateraky ze nivoazaka tamin'gny mpampianany Jeremia,manao hô:''Nangalaky gny volofosy telopolo ereo,vily nanombanan'ereo vahoakin'Israely Anazy, 10 dra ereo nagnome anizay hô agny tanimboly panao volagny tanimanga,araky gny natoron'gny Topo Anahy.'' 11 Dra Jesosy nisanga teo alohan'gny governora,dra gny governora nagnontany Anazy hô,''Ianao se gny Pazakan'ereo Jiosy?'' Jesosy namaly anazy hô:''Voalazanao.'' 12 Fa gny nampangenin'ereo lahiben'gny pisoro vo reo loholo Izy,dra sy namaly dre ino dre ino. 13 Dra nizaka taminazy Pilato hô:''Sy renao se gny fampangena atao aminao?'' 14 Fa sy namaly dre dra zaka raiky Izy,gaga tateraky noho zay gny governora. 15 Dra isakin'gny firavoravoa dra fomban'gny governora gny mamehy gadra raiky voafilin'gny vahoaky. 16 Tamin'io fotoa io,nana gadra malaza rasy tokavy ho Barabasy ereo. 17 Noho zay gny fa niara-niango ereo,dra hoy Pilato tamin'ereo hô:''Iza gny tiandrareo halefako hô andrareo? Barabasy,sa Jesosy ze nitokavy hô Kristy?'' 18 Fatany fa nohon'gny fialona gny nanoloran'ereo an'i Jesosy taminazy. 19 Raha nipetraky teo amin'gny seza fisara izy,dra nandefa zaka tamin'gny valiny dra nanao hô:''sy mana dre ino dre ino atao amin'itiho lelahy sy manasigny itiho zaho.Fa ory loasy zaho androany nohon'gny nofy azoko momba Anazy.'' 20 Dra reo lahiben'gny pisoro vo reo loholo nandresy lahasy gny vahoaky ba hangataky an'i Barabasy ,dra hampamono an'i Jesosy. 21 Nagnotany anazy reo gny Governora hô:''Iza amin'izy ro gny tianao halefako hô andrareo?''Hô ereo hô:''Barabasy.'' 22 Pilato nizaka tamin'ereo hô:''Ino gny tokony ataoko amin'i Jesosy ze nitokavy ho Kristy?''Izy aby namaly hô:''Fasiho amin'gny hazofizalia Izy.'' 23 Dra hô Izy hô:''Nanao akory ,ino gny rasy nataony?''Fa vo maiky ereo nikoraky fatrasy hô:''Fasiho amin'gny hazofizalia Izy.'' 24 Fa gny hitan'i Pilato fa sy afaky hanao dre ino dre ino izy,kanefa nanomboky gny tabataba,dra nangalaky rano izy,nanasa gny tagnany teo alohany vahoaky,dra nanao hô:''Sy manasiny amin'gny lion'itiho lelahy sy manasigny itiho zaho.Fa asandrareo zay.'' 25 Gn'olo aby nizaka ho:''Ho aminay vo gny zanakay seky gny liony.'' 26 Dra nalefany ho an'izay gny Barabasy,fa nively karavasy an'i Jesosy izy dra nanolosy Anazy ho fasihy. 27 Laha teo gny miaramilan'gny gevernora nangalaky an'i Jesosy hangao an-dapa dra namory gny vondro miaramila aby. 28 Nangalaky gny ankazony ereo dra nampanao akazo jaky Anazy. 29 Nanamboasy satro-boninahisy tsilo ereo dra napetany zay teo an-dohany,dra napetraky tehina teo amin'gny tagnany ankavana. Nandohaliky teo anatrehany ereo dra nakizaky Anazy,nanao hô:''Arahaba,ry pazakan'i Jiosy!'' 30 Nandroran'ereo Izy,dra nalan'ereo gny tehina dra nizera Anazy imaro dra be teo amin'gny lohany. 31 Gny fa vay nikizaky Anazy reo,dra nangalaky gny akazo lavany dra napagnisiny Anazy gny akazony,dra ninday Anazy niboaky ba hamasika Anazy amin'gny hazofizalia. 32 Gny fa niboaky ereo,dra nahita lelahy raiky laha tagny Syrena mana agnara hô Simona,ze niteren'ereo hiaraky amin'ereo ba hampitarazo gny hazofizalia. 33 Nagnagny amin'gny toera mana agnara hô Golgota ereo,ze midika hi''Toeran'gny Karandoha.'' 34 Nomen'ereo divay miharo amin'gny afero Izy ba ho nominy.Fa gny nandramany zay,dra sy ninominy. 35 Dra gny nifasihin'ereo tamin'gny hazofizalia Izy,dra nataon'ereo loka gny fizara gn'akazony, 36 dra nipetraky ereo dra nizano niamby Anazy. 37 Teo agn'abonin'gny lohany gny nametrahan'ereo sorasy mizaka gny nagnahia Anazy,ze mivaky ho:''Itiho gny Jesosy,pazakan'ereo Jiosy.'' 38 Nisy Jiolahy ro nifasihiny niaraky taminazy,gny raiky teo ankavanany dra gny raiky teo ankavia. 39 Reo ze niriosy dra nanevateva Anazy,nanivingivina gny lohan'ereo 40 dra nanao:''Anao ze handrava gny fengona dra hanamboasy anizay draiky ao agnatin'gny telo andro,vozeo gny vatanao!Raha anao gny Zanak'Agnahary,mizosoa laha tegny amin'gny hazofizalia!'' 41 Manahaky anizay reo lehiben'gny pisoro nikizaky Anazy,niaraky tamin'ereo panora-dalana vo gny loholo,dra nizaka hô: 42 ''Nagnavosy reo hafa Izy fa sy afaky magnavosy gny vatany.Izy gny pazakan'Israely.Angao Izy hizoso egny amin'gny hazofizalia,dra hino Anazy isika. 43 Natoky an'Agnahary Izy,havelao Zagnahary hamozy Anazy zao,raha makasitraky gny hagnafaky Anazy Zagnahary.Fa dre Izy dra nizaka hô:'Zaho gny Zakan'Agnahary.'''' 44 Manahaky anizay koa reo Jiolahy ze nifasihiny niaraky taminazy nizaka fanevateva taminazy avo koa. 45 Dra nanomboky tamin'gny lera fahaeny dra nandrakosy gny tany aby gny hezy dra hatramin'gny lera fahasivy. 46 Teo amin'gny lera fahasivy,dra nikoraky tamin'gny feo fatrasy Jesosy dra nanao ho:''Ely,Ely,lama sabatany?''Zay midika ho:''Zagnahariko,Zagnahariko,nanao akory gny nagnenga Anahy Anao?''|v 47 Gny fa ren'gn'ilany tamin'ereo ze nisanga teo zay,dra ho izy reo:''Mitoka an'i Elia Izy.'' 48 Teo no eo dra nilomay gny raiky tamin'ereo dra nangalaky spaonjy, namonto anizay tamy vinaingitra, nametraky anizay tamy tohitohy bararata, dra nagnome anizay anazy ba ho nomy. 49 Gny sasany tamin'ereo nizaka ho: ''Angao Izy. Hitasika eo raha ho avy hamozy anazy Elia. '' 50 Dra nihiaky tamy feo fatrasy draiky Jesosy dra nanolosy gny fagnahiny. 51 Indro, gny lamba gny tempoly nitriasy ro hatragny agn'abo ka hatragny ambany, dra nihorohoro gny tany , dra vaky nisasaky reo vatolapy. 52 Nisokasy reo lolo, dra gny fatin'ereo olon'Agnahary maro ze nimaty dra nasanga . 53 Izy reo dra niboaky laha tao amy lolo tafarany fisanganany tamy maty, nilisy gny tana masy, dra niseho tamy maro. 54 Dra reo Kapiteny vo reo ze nagnety an'i Jesosy fa gny nahita gny horohoro-tany vo reo raha ze niseo , dra lasa natahosy fatrasy dra nanao ho: '' Zanak'Andriamanitra marina itio.''55 Nisy ampela maro ze nagnaraky an'i Jesosy hatragny Galilia ba hikarakara anazy teo nagnety lavisy eny. 56 Tamin'ereo Maria Magdalena, Maria renin'i Jakoba vo Josefa, dra gny renin'ereo zanakilahin'i Zebedio. 57 Fa gny hariva gny andro, dra nisy lelahy raiky mana-karena laha tagny Armatia avy , tokavy ho Josefa, zay pianasin'i Jesosy avo koa. 58 Nagnato an'i Pilato izy dra nangataky gny fatin'i Jesosy . Dra nibakon'i Pilato omena anazy zay. 59 Nangalaky gny faty Josefa, namogno anizay tamy gny lamba rongony malio, 60 dra nampandry anizay tamy lolony vaovao ze nihaliny tamy vatolampy. Dra nasia vato lahibe handrindrigna gny vandrangara gny lolo izy dra niboaky. 61 Maria Magdalena vo reo Maria hafa dra teo. nipetraky teo andafiny gny lolo. 62 Gny andro magnaraky, zay andro afarany Fagnomana, dra niara-niango tamin'i Pilato reo lehibe gny pisoro vo reo Fariseo. 63 Hoy ereo ho:''Topoko, tadidinay fa tamy bo velo igny pamitaky igny, dra hoy Izy ho:'Afarany telo andro, dra hisanga draiky zaho.' 64 Dra noho zay, mandidia ba ho ambena gny lolo hatramy andro fahatelo, raha sy zay reo pianany mety ho avy dra hangalaky anazy dra hizaka amy olo ho: 'Nisanga tamy maty Izy, dra gny fitaky farany dra ho rasy noho gny tamy volohany.'' 65 Hoy Pilato tamin'ereo ho: ''Mangala mpiamby. Mandehana dra ambeno soa araky ze vitanandrareo zay. '' 66 Dra nandeha ereo dra niamby gny lolo, nagnisy tombo-kase gny vato dra nametraky gny piamby.