toko faha 5

1 Dra zao gny nisy, raha nitangoro nagnodidy an'i Jesosy gny olana dra niteno gny zakan'Agnahary, dra nisanga teo amoron'gny farihin'i Genesareta Izy. 2 Nahita Sambokely ro nizano teo amoron'gny farihy Izy. fa niboaky tao gny mpamita dra nanasa gny haratony. 3 Nilisy tao amin'gny raiky tamin'ereo sambokely Jesosy, zay an'i Simona, dra nangataky anazy ba handefa anizay egny amy rano lavidavisy gny tanety. Bak'eo dra nipetraky Izy dra nampianasy gny olo tegny ambalikin'gny sambokely. 4 Gny fa nisahatry nizaka Izy, dra nizaka tamin'i Simona Izy ho:''Andeso gny ho agny amin'gny rano laliky koa gny sambokely dra halasao gny haratondrareo ba ahazoandrareo hazandrano.'' 5 Simona namaly Anazy dra nizaka ho:''Topo o, fa niasa gny hariva totolo zahay, fa sy nahazo dre ino dre ino, fa nohon'gny zakanao, dra ho halasako gny harato.'' 6 Gny fa nataon'ereo zay, dra nahazo hazandrano maro dra maro ereo,dra nitriasy gny haraton'ereo. 7 Koa nanao fihesiky tamin'ereo namany ze tao agnatin'gny sambokely raiky hafa ereo fa ereo fa tokony ho avy dra hagnapy anazy reo. Dra avy ereo dra nameno gny sambokely ro, ka dra nanomboky niletiky ereo. 8 Fa Simona Petera, raha vao nahita anizay, dra nandohaliky teo an-tombon'i Jesosy, nizaka ho:''Miala aminahy, fa lelahy mpanota zaho.'' 9 Fa gaga izy, vo reo zay aby niaraky taminazy, nohon'gny haben'gny hazandrano ze azon'ereo. 10 Tao agnatin'izay Jakoba vo Jaona, zanak'i Zebedio, zay mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy nizaka tamin'i Simona ho:''Ka matahosy , fa manomboky zao dra hagnarato olo anao.'' 11 Gny fa nandesin'ereo tegny an-tanety gny sambokelin'ereo, dra nagnenga gny raha aby ereo dra nagnaraky Anazy. 12 Dra nisanga zao raha bo tao amin'gny raiky tamin'ereo tana Izy,dra nisy lelahy feno haboka teo. Nony nahita an'i Jesosy izy,dra nandohaliky teo aminazy nitalaho taminazy, nanao ho:''Topo, raha mety anao, dra afaky magnalio anahy.'' 13 Dra nanondrosy gny tagnany Jesosy dra nikasiky anazy, nizaka ho:''Mety zaho. Maliova.''Teo noho eo dra afaky taminazy gny habokana. 14 Nirarany izy ba sy hizaka dre amin'iza dre amin'iza, fa nizakany taminazy ho:''Zory gny lalanao, misehoa amin'gny mpisoro dra manolora soro ho an'gny fagnaliova anao, araky ze nandidian'i Mosesy, ba ho fizoroa vavolombelo amin'ereo.''' 15 Kanefa gny tatisy momba Anazy niely lavisy be, dra vahoaky maro be gny niara-niavy ba hitenoa Anazy nampianasy dra ba ho sitrany amin'gny aretin'ereo. 16 Kanefa matetika Izy dra niala nagnagny agny amin'gny tany rava dra nivavaky. 17 Dra tamin'gny andro raiky tamin'ereo andro nampianarany, dra nisy Fariseho vo mpampiara-dala nipetraky teo ze laha tamin'gny tana samihafa ao amy farisy Galilia vo Jodia, dra avy ao amy tanan'i Jerosalema. Gny herin'gny Topo gny tao aminazy ba hagnasitragna. 18 Dra nisy lelahy gn'ilany avy, ninday lelahy raiky ze voan'gny Paralisisa teo amin'gny fandria, dra ereo dra nitalia fomba hinday anazy ao agnatiny ba hametraha anazy ho eo agnoloan'i Jesosy. 19 Sy nahita fomba hampilira anazy tao agnatiny ereo noho gny vahoaky, noho zay dra nagnagny amy tafo-tragno ereo dra nampizoso gny fandrian'gny lelahy bak'eo an-tafo tragno, tamin'gny fandriany, teo agnevon'olo, teo agnoloan'i Jesosy. 20 Gny fa nahita gny finoan'ereo ,dra hoy Jesosy ho:'Ralelahy, voavela gny helokao.'' 21 Nanomboky nagnontany gny mpanora-dalana vo reo Fariseo, dra nizaka ho:''Iza moa itiho ze mizaka rasy itiho? Iza gny afaky mamela gny fahota afa-sy Zagnahary raiky avo?''' 22 Fa Jesosy, nahalala ze nieriseretin'ereo, namaly dra nizaka anazy ho:''Nanao akory andrareo gny magnontany anizay ao am-pondrareo? 23 Ino gny mora zaka koa:'Voavela gny helokao' sa gny mizaka ho:'Misangana dra mandehana?' 24 Nefa ba hahafatarandrareo fa gny Zanak'olo dra manam-pahefana hamela heloky eto an-tany , dra zakako aminao, misangana, andeso gny fandrianao dra mandehana agny an-tragnonao.'' 25 Teo noho eo nisanga teo agnoloan'ereo izy dra nangalaky gny fandria ze nandriany, Bak'eo dra niala nagnagny an-tragnony izy, nagnome voninahisy an'Agnahary. 26 Talazona aby dra nagnome voninahisy an'Agnahary ereo. Feno tahosy ereo, nizaka ho: ''Nahita raha-mahagaga isika androany.'' 27 Tafaran'gny nisian'ereo raha reo, dra niala teo i Jesosy dra nahita mpamory hetra raiky ze tokavy hô Levy nipetraky teo amy tragno lain'gny mpamory hetra. Nizaka taminazy Izy hô:''Magnaraha anahy.'' 28 Dra nisanga i Levy dra nagnaraky Anazy, dra nagnenga gny raha_aby. 29 Dra nanao fanasa lahibe tao an-tragnony ho an'i Jesosy i Levy. Maro gny mpamory hetra vo gny olo hafa ze nipetraky teo amy latabasy dra nihina niaraky tamin'ereo. 30 Kanefa gny Fariseo vo gny mpanora-dalana dra nitaray tamin'ereo mpianany, nizaka ho:''Nanao akory anao gny mihina vo mino miaraky amin'ereo mpamory hetra vo gny olo mpanota hafa?'' 31 Namaly anazy Jesosy ho:''Sy mila dokotera gny olo salama hitokava gny olo-mary avo. 32 Sy avy hitoka gny olo mary ho amin'gny fibebaha Zaho, fa hitoka gny mpanota ho amin'gny fibebaha.'' 33 Dra ho ereo taminazy ho:''Reo mpianasin'i Jaona dra matetiky mifaly hany vo mivavaky, dra gny mpianasin'ereo Fariseo dra manao manahaky anizay koa. Kanrfa gny mpianasy dra mihina vo mino.'' 34 Jesosy nizaka anazy gny ho:''Moa se misy olo mahavita mampifaly hany gny havan'gny mpagnakasy raha manahaky dra bo mitoesy eo amin'ereo gny mpagnakasy? 35 Fa ho avy gny andro ze hangala gny mpagnakasy eo amin'ereo , dra amin'izay andro zay dra hifaly hany ereo.''' 36 Dra nanao fagnohara tamin'ereo koa Jesoay. '' Sy misy olo maniasy tapa-damba baka tamin'gny lamba vaovao dra mampiasa anizay ba hagnamboasy gny lamab rota. Raha manao anizay izy dra hanimba gny lamba vaovao, dra gny tapa-damba avy tamin'gny lamba vaovao dra sy hifagnaraky amin'gny lamba rota. 37 Sy misy olo magnisy divay vaovao ao agnatin'gny siny holisy tota. Raha manao anizay izy, dra hampitriasy gny holisy gny divay vaovao, dra ho koaky gny divay, dra ho simba gny siny holisy. 38 Fa gny divay vaovao dra sy maisy atao ao agnatin'gny siny holisy vaovao. 39 Sy misy olo baka nino gny divay taloha ka hagniry gny vaovao , fa hoy izy ho:'Gny taloha gny soa.''