toko faha 6

1 Vo tamigny sabata dra nandeha nagnagny an-nibary Jasosy vo ereo mpianasy nangalaky gny salohim-bary, nikosoka anizaho tamigny tagnan'izy ereo vo nihina gny voa. 2 Fa gny ilany tamin' ereo Fariseho koa nizaka ho: "Nagnino handrareo gny manao raha sy ara-dalana gny manao anazy amigny adro Sabata 3 namaly anazy reo, Jesosy nizaka ho:''bo sy nivakindrareo kay se izay nataon'i Davida aby izy, izy so reo lelahy izay nindray taminahy? 4 Nandeha nagnao an-tragnon'i Zagnahary izy, dra nangalaky gny mofon'ny fa fagnatreha vo nihina gny ampahany koa gny lelahy izay nindray taminazy ba hihina, na dre gny pisoro avo koa aza gny araky gny lalana gny mihina izay.'' 5 Avy eo izy nizaka tamin'ereo reo ho:''Gny zanak'olona dra tompon'ny sabata.'' 6 Dra tamigny Sabata gny dre nandeha tao amigny Synagoga izy dra napianasy gny vahoaky tao. Nisy lelahy raiky maty tagna havana tao. 7 Nagnety mariny anazy soa reo mpanora-dalana vo reo fariseo ba hahata gny hagnasitrana olo amigny Sababa izy, ba afahan'izy reo mahita atony hiampanga anazy. 8 Kanefa fatany izay tao asain'ireo dra nizaka tamigny lelahy izay maty tanana izy ho:'' misangana, dra nandehana eto agnevon'ny olon'aby eto.'' koa nisanga gny lelahy dra nisanga teo. 9 jesosy nizaka tamin'ereo ho:'' magnotany andrareo zaho, ara-dalana amigny Sabata se gny fanova gny soa sa gny mamatoky anazy?'' 10 Dra nagnety gny magnodidy anazy aby izy dra nizaka tamigny lelahy ho:''ahiziro gny tagnanao.'' Nanao izay izy, dra sitrana gny tagnany. 11 Nefa feno hatezera izy reo dra nifampizaka momba izay mety ho hataon'izy reo amin'i Jesosy. 12 Tamin'izay andro izay dra nandeha nagnagny an-tendrombohisy izy ba hivavaky. Nitohizany nandrisy gny hariva tontolo gny fivavaha tamin'iZagnahary. 13 Gny fa avy gny andro, nitoka gny pianany ho eo aminazy izy, dra nifily ro ambin'ny folo tamin'ireo izy, izay nitokaviny avo koa ho Apostoly. 14 Gny agnaran'ireo Apostoly reo dra Simona (izy izay nitokavy avo koa ho Petera) dra gny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo, 15 Matio, Tomasy,Jakoba zanaky lahin'i Aifa, Simona izay tokavy ho Zelota, 16 Jodasy zanak'i Jakoba, dra Jodasy Iskariota, izay avy pamadiky. 17 Avy eo Jesosy nizoso gny tendrombohisy nindray ramin'ereo dra nisanga tamigny tany marina nindray tamigny pianany maro vo vahoaky maro avy agny Jodia vo Jerosalema dra gny sisin-tanin'ny Tyro vo Sidona. 18 Avy reo ba hiteno anazy dra ba ho sitragny amigny aretin'izy reo. Sitrany avo koa gny vahoaky izay korotagnin'ny fagnahy maloto. 19 Gny olon'aby tamin'ireo vahoaky dra niezaky gny hikasiky anazy hatrany satria niboaky avy taminazy gny hery magnasitrany, dra sitrany aby koa ereo aby. 20 Dra nagnety gny pianany izy, dra nizaka ho:'' sambasy handrareo zay mahatra, fa andrareo gny fazakan'iZagnahary. 21 Sambasy handrareo izay resy amizao, fa ho visy handrareo, Sambasy handrareo izay mitomagny amizao, fa hihomehy handrareo. 22 Sambasy handrareo aby malaiky andrareo gny olo dra gny ahilik'izy reo vo harasin'izy reo handrareo, nohon'ny amigny zanak'olo. 23 Mifalia amin'izay andro izay dra mibitaha akafalia, satria azo atoky fa hahazo valisoa lahibe agny an-dagnisy handrareo, fa mitovy amin'izay gny nandesan'ny razan'ireo an'ireo paminany. 24 fa loza ho andrareo izay mana-kerena fa azondrareo izay mahafam-po andrareo. 25 Loza ho andrareo izay visy amizao, fa bo ho resy handrareo agny afara agny.Loza ho andrareo izay mihomehy akehitriny, fa handala vo hitamagny handrareo agny afara agny. 26 Loza ho andrareo, aby mizaka soa momba andrareo gny olon'aby, fa mitovy amin'izay gny natan'ny razan'izy reo tamin'ireo paminany sandoky. 27 Fa mizaka amindrareo izay miteno anahy, tiavo gny fahavalondrareo gny soa amin'izay malaiky andrareo. 28 Tahio izay magnozo andrareo dra mivavaha ho an'ireo izay manao sinosino andrareo. 29 Gny misy mamelaky gny takolakao raiky, dra omeo anazy koa gny ilany. Gny misy olo mangalaky gny lambanao, ka rasifagnahy na dre gny akazonao koa aza. 30 Omeo izay aby mangataky aminao. Gny misy olo mangalaky gny raha izay anao, ka mangataky gny hameregnany izay aminao. 31 Manahaky izay tianao hataon'ny olo aminao, dra tokony hataondrareo amin'izy reo koa izay. 32 Gny izay olo tia anao avo gny tiavinao, ino gny soa ho azonao amin'izay? fa gny. panota aza ba tia an'izay tia anazy koa. 'v 33Gny amin'izay olo manao soa anao avo koa hanao gny manao soa, ino gny soa ho azonao amin'izay? fa na gny panota aza dra manao manahaky izay. 34 Gny sy mampindra afasy amin'izay olo holignisa fa hagnery izay aminao avo koa hanao, ino gny soa ho azonao amin'izay?fa na gny panota aza mampindra gny panota, ba hahazoana manahakan'izay koa. 35 Fa tiavo gny fahavalondrareo dra manova gny soa ho nazy reo. Mampindrama dra ka mandigny valiny dra ho lahibe gny valisoandrareo dra ho zanaky gny avo indrindra handrareo, fa izy tegnany dra soa fagnahy amin'izay sy misaotra vo gny olo sary fagnahy. 36 Manana famin-drapo manahaky gny babandrareo mpamindra fo. 37 Ka misara, dra sy ho saraina handrareo. ka magnameloky, dra sy ho melohina handrareo. Mamela gny hafa, dra ho anga handraeo. 38 Magnomeza, dra omena andrareo izay. Fahafoeza be_izay atafotafo, miara-voahosana dra mitobaka-gny hararaky eo am-pofoana. Araky gny famaharandrareo, gny hamaharana andrareo manahaky izay koa. 39 Avy eo izy nanao fagnohara tamin'izy reo koa.''Moa se gny olo poaky afaky mitariky olo poaky hafa? gny manao izay izy, dra mety hilasaky agny an-kady izy ro, sa sia? 40 Gny pianasy raiky dra sy lahibe noho gny papianany, fa izay aby nahatateraky gny fiofagna dra hitovy amigny papianany. 41 fa nanaoakory hanao gny magnety gny sombikazo masaisaiky izay ao agnatin'ny mason'ny rahalahinao, kanefa sy mahasikarisy gny vata-kazo ao agnaty masonao? 42 Manaoakory gny hizakao gny rahalahinao ho:''ry rahalahy, mamela anahy hangalaky gny sombo-kazo eo amigny akory gny vata-kazo eo amigny masonao? ry piasaravelasihy! alao eo amigny masonao aloha gny vata-kazo, avy eo dra hahita soa handrareo dra afaky hangalaky gny sombin-kazo eo amigny mason'ny rahalahinao. 43 Fa sy misy hazo soa hamokasy voakazo io, dre ho hazo io hamokasy voakazo soa. 44 Fa gny hazo kirairaiky dra fatasy amy karaza-tegnany ze vokariny. Fa sy afaky gny hioty aviavy amin'gny tsilo gny olo, dre hangalaky voloboky amy hazo voaroy. 45 Gny olo soa mamokasy ze soa avy amin'gny harena soan'gny fony, dra gny olo rasy mamokasy ze rasy laha tamin'gny haren-drasin'gny fony. Fa ze aloaky gny fony gny zakanin'gny vavany. 46 Fa magnino handrareo gny mitoka anahy ho;''tompo, kanefa handrareo sy makato izay raha zakako? 47 Gny olo naby magnotany anahy so mahare gny zakako dra makato izay, dra ho zakako andrareo ho manahaky gny inona izy. 48 Manahaky gny olo izay nanangana tragno izy, izay nandavaky laliky teo amigny tany dra nagnory gny fototry gny tragno teo agnabony vatolapy, Gny avy gny tondra-drano, dra nandriaky nanohisy izay tragno izay gny rano be, fa sy nampiontsona anazy, satria soa afara gny izy. 49 Dra izay olo mahare gny zakako anefa sy makato izay, dra mitovy amigny olo izay nagnory tragno teo agnabon'ny tany dra sy nagnisy fototra.Gny nandriaky namely io tragno io gny rano be, dra nizera avy hatragny izay, dra rava tanteraky izay tragno izay.''