toko faha 4

1 Tafaran'i Jesosy, gny feno gny fagnahy masy, dra nihery avy tagny amigny reniranon'i Jordana, dar nandesiny fagnahy masy tagny agnefisy. 2 Izay nangalany devoly fagnahy anazy nandrisy gny efapolo andro. Sy nihina dre ino dre ino izy nandrisy reo andro reo, tamigny fotoa farany dra resy izy. 3 Gny devoly nizaka taminazy ho: ''gny zanak'i Zagnahary hanao, dra didio ho lasa mofo io vato io.'' 4 Jesosy namaly anazy ho: ''voasorasy ho: ''sy gny mofo avo gny ivelomani gnolo.'''' 5 Avy eo nandesiny devoluy tegny amigny toera agnabo dra napotorony anazy malakilaky gny fazakana aby zao totolo zai. 6 Gny devoly nizaka taminazy ho:'' homeko anao gny fahefana aby vo gny famirapiratany aby, satria, fa name anahy reo, dra afaky omeko gny olo izay tiako ome anazy. 7 Noho zay, gny miakohoky vo manopo anahy hanao, dra ho azonao izay.''' 8 Kanefa Jesosy namaly dra nizaka anazy ho:''' Voasorasy ho:'' Hidera gny tompo Zagnaharinao hanao, dra izy raiky avo gny ho tompoinao.''' 9 Avi eo gny devoly dra ninday an'i Jesosy tagny Jerosalema dra nataony tegny amigny fara-tampon'ny tempoly, dra nizaka taminazy ho:''Gny zanak'i Zagnahary hanao, dra azerao avy atiky gny tegnanao. 10 Satria fa voasorasy ho:''hibaiko gny azileny gny aminao izy, ba hiaro anao, 11 Dra'' izy reo hanandrasy anao amigny tagnany, ba sy ho tafitohin'i vato gny tombokao.''' 12 Namaly anazy. Jesosy nizaka ho:'' fa zinaka ho:'' ka mangalaky gny tompo Zagnaharinao.''' 13 Gny vita gny fangalan'ny devoly fagnahy an'i Jesosy, dra nandeha izy dra nagnenga anazy ambara pahavin'ny fotoa hafa. 14 Avy eo Jesosy nihery tagny Galilia tamigny herin'ny fagnahy, dra gny vaovao momba anazy dra fa niely nanera gny farisy magnodidy aby. 15 Dra nanomboky nampianasy tao amigny Synagogan'izy reo izy dra nideran'ny aby. 16 Nandeha tagny Nazareta izy , gny tana nahalahibe anazy, dra araky gny fomba fanaony, dra nilisy tao amigny Synagoga tamigny andro Sabata izy dra nisanga ba hamaky teny fatrasy. 17 Natolony anazy gny horonan-taratasin'Isaia paminany. Nisokafiny gny boky dra hitany gny toera nanoratana anazy, 18 ''Gny fagnahin'ny tompo dra tao aminahy, satria izy nanorasy anahy hizaka gny vaovao mahafaly ho an'ny mahatra. Izy gny nandeha anahy hizaka fahafahana ho an'ireo babo, dra hagnery gny fahitana ho an'ny zamba, hagnafaky reo zay apahoria, 19 Hizaka gny taom-pakasitrahana an'i Zagnahary.'' 20 Avi eo dra naoriny gny taratasy, naheriny tagny amigny pitandry, dra nitoboky izy. Gny mason'ireo aby tao amigny Synagoga dra nibazian anazy. 21 Nanomboky nizaka taminazy reo izy ho:'' androany itiky sarasy masina tiky dra tateraky eo apitenoandrareo.'' 22 Gny aby tao dra nizaka soa gny momba anazy dra gaga tamigny teni-pahasoava izay naloaky gny vavany izy reo, dra nagnotany izy reo ho:'' fa sy gny zanak'i Josefa se tiky?''' 23 Izy nizaka tamin'ereo ho:'' azo atoky fa hizaka itiky ahobolana tiky aminahy handrareo ho;'' dokotera, satria gny vatanao. Na ino na ino renay fa nataonao tao Kapernaomy, dra manova manahaky zay agny amigny taninao.''' 24 Nefa nizaka izy ho:'' zakako marina amindrareo. si misy mpiaminany voaray ao amigny taniny. 25 Kanefa zakako marina amindrareo fa marop gny apela pitai-tegna tagny Israely tamigny andron'ny Elia, gny nihily gny lagnisy mandrisy gny telo tao vo enim-bola, dra nisy mosary lahibe avy teo amigny tany aby. 26 Nefa Elia sy nalefa na tamin'iray tamin'izy reo aza, fa tao Zerapata agny Sidona avo, tagny amigny pinday tegna izay nitoboky tagny. 27 Fa maro reo boka tao Israely tamigny andron'i Elia paminany, nefa sy nisy na dre raiky tamin'izy reo aza sitrany afa-sy Namana gny Syriana.''' 28 Gny olo aby tao amigny Synagoga dra heniky gny hatezerana aby nandre reo raha reo. 29 Nisanga izy reo, nanery anazy hiala gny tanana, dra nandefa anazy tegny an-tepolin'ny havoana izay nioregnany tagnan'izy reo, ba hazera anazy amigny hasana. 30 Nefa nandeha namakivaky teo agnevon'izy reo dra lasa nandeha tagny amigny toera-kafa. 31 Avy eo izy dra nizoso tagny Kapernaomy, tanana raiky agny Galilia, dra nanomboky nampianasy anazy reo tamigny Sabata izy. 32 Izy reo dra nitolagaga tamigny fapianarana nataony, satria nizaka tamigny fahefana izy. 33 Dra tao amigny Synagoga dra nisy lelahy zay nitobohan'i fagnahy maloton'ny demonia, dra izy nihikiaka tamigny feo fatrasy ho:'' 34 Ah! ino gny ifandresanay aminao, dra Jesosy avy agny Nazareta? avy ba hamotiky anay se hanao? fataso ho iza hanao-gny raiky masin'iZagnahary!''' 35 Jesosy nizaka fatrasy gny demony, dra nanao ho:'' Ka mizaka dra miala ao aminazy!'''' Gny nanipy gny lelahy hiazera niala tao agnevon'ereo gny demony, dra niala tao aminazy, dra sy nandrasy anazy sasy. 36 nitolagaga aby koa gny oloaby, dra nanohy nifapizaka gny momba izay. Nizaka izy reo ho:'' fa zaka manahaky gny eza se zay?'' bekoiny amigny fahefana vo hery gny fagnahy maloto dra miboaky.'' 37 Noho izay dra nanomboky niely nanera gny farisy magnodidy gny lazany. 38 Dra nagnenga gny Synagoga Jesosy dra nilisy tao an-tragnon'i Simona. Dra nampizalin'ny tazo mahery gny rafozambavin'i Simona, dra niangavy taminazy ho nazy izy reo. 39 Dra nizoro teo alihany izy dra nizaka fatrasy gny tazo, dra niala taminazy izay. Avy hatrany izy dra nisanga dra nanomboky nanompo anazy reo. 40 Gny fa niletiky gny masoandro, dra ninday gny olo-drehetra nararin'ny arety maro samihafa teo aminy Jesosy gny olo. Nametra-tagna tamigny kiraikiraiky avy amin reo izy dra nagnasitrana anazy reo. 41 Reo demony avo koa dra niala tao amy maro tamin'ereo, nihiakihaky fatrasy vo nizaka ho:''Anao gny Zanak'Agnahary!'' Jesosy nizaka fatrasy gny demonia dra sy nagnenga anazy gny hizaka,satria fatasin'ereo fa Izy gny Kristy. 42 Vao mangiran-drasy , dra nandeha tagny amy toera mangingiky Izy. Vahoaky marobe gny nitalia Anazy dra nagnegny amy toera ze nizy Anazy. Izy reo gny niezaky gny nihazo Anazy ba sy hiala eo amin'ereo. 43 Fa Izy nizaka tamin'ereo ho:''Sy maisy mitory gny vaovao mahafaly momba gny fazakan'Agnahary amy tana maro hafa avo koa zaho, satria zay gny atony nagniraha anahy tetiho. 44 Bak'eo Izy dra nanohy nitory tao amin'ereo Synagoga manera an'i Jodia.