toko faha 3

1 Ramy tao faha dimy ambinifolo nazakan'i Tiberie kaisara-fony pontio Pilato gny goveronoran'i Jodia, Herda dra mpanapaky tao Galilia, Filipo rahalahiny dra mpanapaky tao amy farisy Itoria vo Trakonitisy , dra Lysania dra mpanapak'i Abilena, 2 nandrisy gny fisorognam-ben'i Aniasy vo Kaiafa-dra avy tamin'i Jaona zanadahin'i Zakaria tagny agn'efisy gny zakan'Agnahary. 3 Nandeha tagny amin'ereo farisy aby magnodidy an'gny Jordana Izy, nitory gny batisan'gny fibebaha ho famelana gny heloky. 4 Araky gny voasorasy ao amin'gny bokin'gny zakan'gny Isaia mpaminany ho:''Nisy feo raiky nitoka fatrasy laha tagny agn'efisy ho:'Atovy vonona gny lalan'gny Topo, atovy mahisy gny lalan-kandehany. 5 Gny lohasaha aby ho totofa, dra gny tendrombohisy vo gny havoa hahesy, dra gny lala miholaky dra amboary hahisy, dra gny toera mikitoatoadra ho atao lala, 6 dra gny nofo aby dra hahita gny famozenan'Agnahary.''' 7 Koa nizaka tamin'ereo vahoaky ze avy ataony batisa i Jaona ho:''Andrareo ry taranaky gny menarana! Iza gny nampitandry andrareo ba handositry gny fahaoria ze ho avy? 8 Noho zay . mamokara tegnany mendriky gny fibebaha , dra ka manomboky mizaka ao agnatindrareo ho:''zahay mana an'i Abrahama ho ranay,' fa mizaka andrareo zaho fa Zagnahary dra afaky mananga zanaky ho an'i Abrahama baka amin'itahoky vato tahoky. 9 Amizao gny famaky dra mipetraky eo amin'gny fotosy gny hazo. Koa gny hazo aby ze sy mamoa tegnany soa dra voatapaky dra haria agny amin'gny afo.'' 10 Dra gny vahoaky dra nagnontany anazy hatragny , nizaka ho:''Ino gny ataonay?'' 11 Namaly izy dra nizaka tamin'ereo ho:''Raha misy olo mana akazo lava ro, tokony mizara anizay amy olo raiky ze sy mana izy , dra ze mana sakafo koa dra tokony hanao manahaky anizay.'' 12 Reo mpamory hetra koa dra avy ba hatao batisa, dra nizaka taminazy ho: ''Mpampianasy o, ino gny sy maisy ataonay?'' 13 Izy nizaka anazy reo ho:''Ka mamory vola mihoasy noho ze ampangala andrareo.'' 14 Miaramila maromaro koa nagnontany anazy,nizaka ho:''Nanao akory gny momba anay? Ino gny sy maisy ataonay?'' Izy nizaka tamin'ereo ho:''Ka mangalaky vola amin'olo an-keriny, dra ka miapanga vandy olo. Mifalia amy karamandrareo.'' 15 Dra raha niamby fatrasy gny fahavian'i Kristy gny vahoaky, dra nagnontany tao am-pony gny mahakasikan'i Jaona gny kirairaiky, dre mety ho izy dre sy izy gny kristy. 16 Jaona namaly tamy fizaka anazy aby ho:''Raha gny aminahy, dra manao batisa andrareo amy mahery mihoasy anahy, dra sy mendriky zaho dre dra hamaha gny fehi-kapany . Hanao batisa anadrareo amy Fanahy Masy vo gny afo Izy. 17 Eo an-tagnany gny fikororohany ba hagnaliova soa gny ao am-pomoloany vo hanangona gny vary ho agny amy sompiny. Fa ho oroa amy afo sy mety vono gny lila.'' 18 Niaraky tamy fagnanara maro hafa avo koa , Jaona nitory vaovao soa ho agny vahoaky. 19 Heroda mpanapaky gny fa nanary nohon'gny fanambalia gny valin-drahalahiny Herodiasy, vo nohon'gny raha rasy hafa aby ze vitany, 20 dra ho fagnampin'izay aby zay. dra niboaky tagny am-poza Jaona. 21 DRam gny fa vita batisa avo koa gny olo aby,dra natao batisa koa Jesosy , dra raha bo nivavaky izy, dra nisokaky gny lagnisy, 22 dra gny Fanahy Masy nangalaky endriky ka nizoso teo aminazy tahaky gny voromailala,dra nisy feo bak'agny an-dagnisy nanao ho:''Anao gny Zanako. malalako. Faly Zaho nohon'gny aminao.'' 23 Gny fa nanomboky gny asa fanompoany Jesosy, dra teo amin'gny telo-polo tao teo nIzy, Izy gny zanadahin'i ( arakky gny fihevera) Josefa , zanak'i Hely, 24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa. 25 Josefa dra zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata, 26 zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda. 27 Joda dra zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Seltiela, nazak'i Nery, 28 Zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i Kosama, zanak'i Elmadama, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy. 30 Levy dra zanak'i Simeona, zanak'i Joda zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima, 31 Zanak'i Malea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i davida, 32 Zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona. 33 Nahasona dra zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fazera, zanak'i Joda, 34 zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera , zanak'i Nahora, 35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela. 36 Sela dra zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, zanak'i 37 Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana, 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Agnahary.