Toko faha 9

1 Dra reo pazaka aby ze niay tagny andafinigny Jordana tagny aminigny tany havoa, vo tagny amireo lemaky amoron'dranomasiny Ranomasy lahibe tandrifin'i Libanona___reo Hitita, reo Jebosita___ 2 reo dra niray hina ho eo ambany fifeheza raiky, ba hanangana aly amin'i Josoa Israely. 3 Gny fa ren'ereo ponin'i Gibeona ze nataon'i Josoa tamin'i Jeriko vo tamin'i Ay, 4 Dra nanao tetiky an-kafetsia izy ireo. Nanday kitapo tota izy reo ary nasapiny tamigny borikiny. izy izy ireo. Ninday siny holitsy izy latsaky, triatsy. sy efa namboarina ihanikoa izy ireo. 5 Kapa latsaky synitapina no tengy an-tombok'izy ereo, vo nifaly tranainy, fitafiany lavo. Ereo mofoaby ato amigny fipetra ham-basin'ize ereo dra kina vo bobongolo. 6 Dra nandeha tagny amn'i Josoa tagny atoby tagny Gilgala ere dra nizaka taminazy vo tamireo lelahin'Israely ho: " Fa nandeha boak'agny aminigny firenena tena lavisy zahay, dra amizao manova fifagneke aminay." 7 Hoy reo lelahin'Israely tamireo Hivita ho: "Angamba handrareo many mariny anay avo. Hataonay akory gny hanao fifagneke amindrareo?" 8 Hoy ereo tamin'i Josoa: "Panoponao zahay." Josoa namaly anereo ho: "Fa iza handrareo? Boak'eza gny nahaviandrareo?" 9 Hoy ereo taminazy: "Avy boak'agny aminigny tany tena lavisy gny panoponao, noho gny agnaran' i Yaveh zagnaharindrareo. Renay gny tatisy momba anazy vo momba anize nataony aby tagny Egypta___ 10 vo ze nataony tamireo pazakanigny Amorita ro tagny andafinigny Jordana__ tamin'i Sihona pazakan'i Hesbona, vo tamin'i Oga pazakan'i Basana ze tagny Astarta. 11 Hoy reo loholonay vo reo ponina aby tagny aminigny firenenay taminay ho: 'Mindesa vasy egny atagnadrareo ho aminigny lia. Mandehana mihao amin'ereo dra zakao ereo ho: "Panopondraeo zahay. Manova fifagneke aminay." 12 Tihoky gny mofonay, bo nafana tiky tamizahay nangalaky anazy tihoky tagny atragnonay taminigny andro nienganay hagnatiky amindrareo. Kanefa zao, ingo, maiky vo bobongolo ty. 13 Kitapo hilisy tahoky dra vaovao taminigny namonoanay anereo, dra ingo, mitete ereo amizao. Reo fitafianay vo reo kapanay dra sola nohonigny lia tena lavisy Dra nangalaky ilany taminigny vasiny reo Israely, nefa sy nangalaky hevisy tamin'i Yaveh taminereo vo nanao fifagneke taminereo, ba hagnengan'anereo ho velo. Reo pitariky gny vahoaky avo ko dra nanao voady taminereo. 16 Telo andro tafaranigny nanovan'ireo Israely zay fifagneke zay tamin'ereo, dra fatas'ereo fa hay mifakariny tragno ereo dra nony nifakariny teo. 17 Boak'eo dra nandeha gny vahoakin'Israely dra avy tagny aminigny tanan'ereo tamigny andro fahatelo. Gny tanan'ereo dra Gibeona, Kefira, Berota, dra Kiriata Jearima. 18 Sy nanafiky anereo gny vahoakin'Israely akory reo pitariky anazy reo dra fa nanao fiegna momba anazy teo agnatrehan'i Yaveh, Zagnaharin'Israely. Nimonomonognan'ireo Israely aby reo pitarikyereo. 19 Dra hoy reo pitariky aby taminigny vahoakymanotolo: "Nanao fiegna nahakasiky anereo tamin'i Yaveh, Zagnaharin'Israely zahay, dra sy afaky hanao rasy anazy reo sika amizao. 20 Zao gny hataosika amin'ereo: Ba hiala aminigny fahoria ze mety hiseho amisika noho gny fiania nianiasika tamin'ereo, dra angasika ho velo ereo." 21 Hoy reo pitariky taminigny vahoak'ereo: "Angao ereo velo." Noho zay, reo Gibeonita dra lasa panapaky hazo vo pasaka rano ho an'ireo Israely aby, araky ze nizakan'ireo pitariky momba anereo. 22 Nitoka anereo Josoa dra nizaka ho: "Nagnino handrareo gny namitaky anay dra nizaka nanao anizahoky ho: 'Tena lavisy andrareo zahay,' nefa handrareo monin'eto aminay? 23 Amizao, naho izay, dra voaozo handrareo dra gny ilany amindrareo dra ho andevo avo, ireo ze manapaky hazo vo masaka rano ho anigny tragnon'agnahary." 24 Namaly an'i Josoa ereo dra nanao anizahoky ho: "Akory nizaka taminigny panoponao fa Yaveh Zagnaharinao nandidy an'i Mosesy panopony ba hagnome anao gny tany aby, dra handringa reo pononigny tany aby eo agnatrehanao___ noho zay dra natahosy fatrasy gny aminigny ainay zahay noho hanao. Zay gny nahavy anay nanao anizao raha zao. 25 Amizao, ingo, tananao aminigny fahefanao zahay. Na ino na ino tao soa vo marin'aminao hatao aminay, dra atovy zay." 26 Dra izao gny nataon'i Josoa hoanereo: nalany sy ho eo ambany fifehezanigny vahoakin'Israely. 27 Nataon'i Josoa panapaky hazo vo pasaka rano ho anigny fiarahamony, vo ho anigny alitaran'i Yaveh reo Gibeonita tamin'io andro io, mandrak'androany, eo aminigny toera ze safidin'i Yaveh.