Toko faha 8

1 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa: "Ka matahosy; ka kivy. Andeso mindray aminao gny vahoaky pialy aby. Mandehana miakasy agny Ay. Ingo, fa natolosy eo apelatagnanao gny pazakanigny Ay, gny vahoaky, gny tanany, vo gny taniny. 2 Atovy manahakigny nanovandrareo anigny Jeriko vo gny pazakany gny hanovanan'ireo anigny Ay vo gny pazakanay, saingy halandrareo ho andrareo gny babo vo gny biby teza. Anobeo panafiky mivony ao ambaliky gny tana." 3 Koa dra nisanga i zesosy vo nangalaky an'ereo lelahy mpialy hevisy hiakasy ho agny ay. avy eo i zesosy nifily lelahy telo hariva__lelahy mahery be herim-po__vo nalefany izy ereo gny hariva. 4 Nibeko any ereo ze ho: ''ignihoky, hanao fanafiha mivony gny tana handrareo, ao amba- likizay. ka magnalavisy gny tana, fa samia samia mivony drareo aby. 5 Zaho vo reo lelahy mindray aminahy dra hagnariny gny tana, dra gny fa miboaky hanafiky asika ereo, dra hienga ereo manahaky gny teo aloha isika. 6 Hagneziky boak'afarasika ereo mandra-pitarisika anereo lavisy gny tana. Hizaka ereo ho: 'Mienga lavisy asika ereo manahaky gny nataon'ereo taminigny farany.' Ko henga hagnalavisy anereo sika. 7 Boak'eo dra hiboaky aminigny toera-pierendrareo handrareo, dra hambabo gny tana. Hagnome anizay egny apelatagnandrareo Yaveh zagnaharindrareo. 8 Gny fa azondrareo gny tana, dra horoandrareo zay. Hataondrareo makato gny didy aby ze aby zay nameny taminigny zakan'i Yaveh. Ingo, fa nandidy andrareo zaho." 9 Nalefan'i Josoa ereo, dra lasa tagny aminigny toera fivonia ereo, dra nivony teo agnelagnelan'i Betela vo Ay tao andrefan'i Ay. Fa nandry teo aminigny vahoaky i Josoa gny hariva igny. 10 Nifoha maray i Josoa dra nagnoma reo miaramilany, Josoa vo reo loholon'Israely, dra nanafiky reo vahoak'i Ay ereo. 11 Niakasy reo lelahy pialy aby ze nindray taminazy dra nagnato gny tana. Avy nagnariny gny tana ereo dra nitohy teo avaras'i Ay. Dra nisy lohasaka raiky gny magnelagnela anereo vo i Ay. 12 Nangalaky lelahy teo aminigny dimy arivo teo izy dra nandeha anereo tao amigny fivonia andrefanigny tana teo agnelagnelanigny betela vo i Ay. 13 Nalahas'ereo gny miaramila aby, gny tafiky lahibe nagnao avarasy gny tana, dra gny piamby lala tao andrefanigny tana. Nandeha tao andrefanigny tana. Nandeha tao aminigny lohasaka i Josoa gny hariva igny. 14 Dra raha vo nahita anizay gny pazakan'i Ay, dra nifoha maray izy vo gny tafiny dra niboaky ba hanafiky an'Israely tagny aminigny toera tandrifinigny lohasakany Reniranon'i Jordana. Sy fatany fa nisy fandriky nandigny hanafiky boak'ao ambalikigny tana izy. 15 Nagnenga gny zakan'ereo ho resy teo anoloandrareo i Josoa vo gny Israely aby, dra nienga tagny aminigny tagny efisy ereo. 16 Gny olon'aby ze tao atana dra nifapitoka hagnitriky anereo, ko nagnitriky tafaran'i Josoa ereo dra voaroaky lavisy gny tana. 17 Sy nisy gny ambinigny lelahy gny tany Ay vo Betela ze sy bo niboaky nagnitriky an'Israely. Nagnenga gny tana ereo dra nagnenga anizay hisokaky raha nagnitriky an'Israely. 18 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa ho: "Atondroy eo amin'i Ay gny lefo ze eo atagnanao, fa hatoloso eo apelatagnanao i Ay." Nihazognin'i Josoa nanandrify gny tana gny lefa ze tegny atananay. 19 Reo miaramila nivony tao aminigny fandriky dra nirohasy malaky niboaky gny toera dra niroasy malaky niala gny toera raha nanizisy gny tagnany izy. nihazakazaky ereo dra nidisy tao atana dra nangalaky anizay. noroan'ereo malaky gny tana. 21 Gny fa hitan'i Josoa vo i Israely aby fa azonogny tafiky miafy gny tana nindray taminigny hoto miakasy, dra nihery teo ereo dra namono gny olon'i Ay. 22 Reo miaramilan'Israely hafa, reo ze niboaky gny tana, dra niboaky hanafiky anizay ereo. Dra trasy tao agnelagnelanigny tafik'Israely reo olon'i Ay, gny ilany boak'ao agnilany. Nitafihin'Israely gny olon'i Ay; sy nisy na dre raiky taminereo gny ho velo na nienga. 23 Nalan'ereo gny pazakan'i Ay, ze nisamborin'ereo velo,dra nandesinereo teo amin'i Josoa izy. 24 Gny fa tapisy namono reo panonigny Ay aby tagny asaha agnilanigny tany efisy ze nagnezehanereo anazy i Israely, dra gny fa lavo taminigny lelamesa izy aby, hatraminigny farany , dra nihery tagny Ay gny Israely aby. Nitafihin'ereo taminigny lelamesa zay. 25 Reo ze maty aby tamin'io andro io, lelahy vo apela mitambasy, dra roarivo vo hariva raiky, ze vahoaky aby tao Ay. 26 Sy napihemosy gny tagnany nazihiny gny fa nita gny lefo igny i Josoa, mandra-pandringanany tateraky gny vahoak'aby tao Ay. 27 Gny biby teza vo gny raha babo tao atana avo gny nalan'Israely honereo, araky gny nandidian'i Yaveh an'i Josoa. 28 Noroan'i Josoa i Ay dra navaliny ho atota-tragno rava mandrakizay zay. Lasa toera haolo zay hatramizay. 29 Nahatony teo aminigny hazo gny pazakan'i Ay mandra-pahariva. Gny fa niletiky gny masoandro, dra nognome gny didy i Josoa dra nalan'ereo hizoso aminigny hazo gny fatinigny pazaka dra narianereo teo anoloanigny vavahadinigny tana. Teo gny nanangan'ereo atotam-bato lahibe teo agnabonizay. Bo mitoby eo zay atotam-bato zay hatramizao. 30 Boak'eo i Josoa namboasy alitara ho an'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, tao atendrombohis'i Ebala, 31 araky gny nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh gny vahoakin'i Israely, araky gny fa voasorasy tao aminigny bokinigny lalan'i Mosesy ho: "Alitara raiky honigny vato voavoasy, ze sy nisy na iza na iza napiasa fitova, vy tamizay." Nanolosy soro oroa ho an'i Yaveh teo agnabo alitara izy, dra nanao soro-pihavana ereo. 32 Teo, agnatrehanigny vahoakin'Israely, dra nanorasy gny dika mitovy taminigny lalan'i Mosesy teo aminigny vato izy. 33 Reo Israely aby, reo loholo, reo mana-pahefa, vo reo pisaran'ereo dra nizoro teo aminigny lafinigny fiara ro teo anoloan'ireo pisoro vo Levita ze ninday gny fiaranigny fifagneken'i Yaveh___ gny vahiny manahaky gny topotany___dra nizoro teo anoloanigny tendrom-bohis'i Gerzima gny asasak'ereo dra nizoro teo anoloanigny tendrombohis'i Ebala gny ilany raiky hafa. Nisondrano gny vahoaky an'Israely ereo, araky gny nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh anereo taminigny voalohany. 34 Tafaran'izay, dra nivakin'i Josoa reo zakanigny lalan'aby, reo fitahia vo ozo, araky ze fa voasoras'ereo ao aminigny bokinigny lalana. 35 Sy nisy na dre zaka raiky aka sy nivakin'i Josoa tamin'ireo nandidian'i Mosesy teo agnatrehanigny fivondrognan'Israely, anisan'izay reo apela, reo zaza, dra reo vahiny ze nitoby teo aminereo.