Toko faha 7

1 Fa gny vahoakin' Israely nanoloan'anireo raha natoka ho aminigny fandrava. Hangala zanadahin'i Karmy vo zafin'i Zabdia dra zafiafin'i Karmy vo zafin'i Zabdia dra zafiafin'i Zera, boak'amigny fokon'i Joda dra nangalaky raha tao amizay natoka ho aminigny fandrava, dra nirehisy taminigny vahoakin'Israely gny haorian'agnahary. 2 Josoa dra nandefa lelahy boak'ao Jeriko nagnagny Ay, ze agnilan'i Bety Avena, asignanan'i Betela. Hoy izy taminereo ho: "Mekara dra sikilovy gny tana." Dra niakasy reo lelahy dra nisikilo tao Ay. 3 Gny fa nihery teo amin'i Josoa ereo, dra hoy ereo taminazy ho: "Ka alefa miakas'agny Ay gny vahoak'aby. Lelahy roarivo na teloarovo avo halefa hanafiky an'i Ay. Ka manasasy gny vahoaky aby agny aminigny aly, akory keliky isa ereo.'' 4 Ko teo ho eo aminigny lelahy teloarivo gny niakasy boak'amireo tafiky' fa nisoaky gny lelahin'i Ay ereo. 5 Reo lelahin'i Ay dra nahafaty teo amigny eninambitelopolo lahy teo aby nagnitriky anereo hatreo aminigny teorany famoteha vato, dra nivononereo tegny apizosoa gny havoa reo. Natahosy gny fon'ireo vahoaky dra niala tamin'ereo gny heri-pony. 6 Boak'eo dra nitriarin'i Josoa gny akazony. Izy vo reo loholon'Israely dra nagnisy botany gny lohan'ereo napekohoky gny tavan'ereo teo aminigny tany teo anoloanigny fiaran'Yaveh, nizano teo mandra-pahariva. 7 Dra nizaka Josoa ho: "Oh, ry Yaveh topo, nagnino gny nandesinao nita an'i Jordana reo vahoaky reo? Ba hanolosy anay eo atagnan'ireo Amorita ba haharinga anay? Raha ba nana fanapaha-kevisy samihafa vasa zahay dra nizano tegny apitan'i Jordana! 8 Topo oh, ino gny azoko zaka, fa nemboho teo agnatrehanigny fahavalon'ereo i Israely? 9 Akory reo Kananita vo reo pononigny tany aby dra hahare gny momba anizay. Hagnodidin'anay ereo vo hapagnaligno gny agnaranay amigny olony tany. Dra ino gny hataonao ho anigny agnaranao lahibe?" 10 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa ho: "Misangana! Nagnino hanao gny magnohoky gny tarehinao eo? 11 Nanota Israely. Nandika gny fagnekeko ze nadidiako anazy ereo. Fa nangalasy gny ialany tamin'ireo raha ze voatoka ereo. Fa nangalasy ereo dra boak'eo koa dra nagnavony gny otany taminigny fanobia reo ze fa nalan'ereo ho isanigny fanagnany manoka. 12 Vokas'izay, sy afaky nisanga teo agnatrehan'ireo fahavalon'ereo gny vahoakin'Israely. Nemboho gny fahavalony ereo akory fa natoka ho aminigny fahapoteha gny vatan'ereo. Sy hindray amindrareo sasy zaho raha sy mamotiky gny raha ze tokony nipotehy handrareo, kanefa bo eo amindrareo. 13 Misangana! Hamasigno aminahy gny olo dra zakao ereo ho: 'Hamasigno ho anigny maray gny vatandrareo. Akory Yaveh, gny Zagnaharin'Israely nanao anizahoky ho: "Misy reo raha ze natoka ho potehy bo eo amindrareo, ry Israely. Sy afaky misanga hanohisy reo fahavalondrareo handrareo raha sy manala eo amindrareo reo raha aby ze natoka ho potehy." 14 Aminigny maray, dra sy maisy manolosy gny vatandrareo aminigny fokondrareo handrareo. Gny foko ze nisafidin'i Yaveh dra hagnariny gny fianakavia-ben'ereo. Gny fianakaviam-be ze nisafidin'i Yaveh dra sy maisy magnariny gny isa-tokatragno. Gny tokatragno ze nisafidin'i Yaveh dra sy maisy nifakariny sirairay. 15 Dra gny raiky ze nisafidy vo mana gny raha ze natoka ho aminigny fahapoteha, dra horoa, izy vo ze hanagnany aby, akory nandika gny fagneken'i Yaveh izy dra akory nanao raha mangala-baraka tao Israely."' 16 Noho zay, nifoha maray i Josoa dra ninday an'Israely nagnariny, isa-poko, dra voasafidy gny fokon'i Joda. 17 Nandesin'i Josoa nagnariny reo fokon'i Joda, dra voasafidy gny fokon'i Zeraita. Nandesiny nagnariny isan'olo gny fokon'i Zeraita, dra voasafidy i Zabdia. 18 Nandesiny nagnariny gny akohonan'i Zabdia, nandeha sirairay isan'olo, dra Akana zanadahin'i Karmy, zafin'i Zabdia, zafikelin'i Zera, boak'aminigny fokon'i Joda, gny voasafidy. 19 Dra hoy Josoa tamin'i Akana ho: "Ry zanadahiko, zakao eo agnatrehan'i Yaveh, gny Zagnaharin' Israely gny mary, dra omeo anazy gny fiai-kelokao. Ba zakao anahy re ze nataonao. Ka avony aminahy zay." 20 Namaly an'i Josoa i Akana ho: "Mary vatany, fa nanota tamin'i Yaveh, gny zagnaharin'i Israely zaho. Zao gny nataoko: 21 Gny fa nahita akazo lava soa tarehy teo amireo raha babo boak'ao Babilona, vo volafosy rozato sekely, dra azam-bolamena milaza dimapolo sekely zaho, dra nagniry vo dra nangalaky. Ao agnevonigny laiko ao agnaty tany reo gny navony, dra ao ambaninigny volafosy." 22 Nandefa iraky i Josoa, ze nizakazaka agnagny amigny lay dra tao reo raha reo. Gny fa nagnety ereo, dra nahita anizay navony tao aminigny lainy manoka, dra gny vilafosy teo ambaninizay. 23 Nalan'ereo teo agnevonigny lay reo raha reo dra vahoakin'Israely aby. Nararak'ereo teo agnatrehan'i Yaveh zay. 24 Boak'eo Josoa, vo gny Israely aby nindray taminazy, nangalaky an'i Akana zanadahin'i Zera, vo gny volafosy, gny akazo lava, gny azam-bolamena, reo zanadahiny vo zanakapelany, reo agnombiny, gny lainy, dra ze nanagnany aby, dra nandesiny nindray tagny aminigny havoan'i Akora ereo. 25 Dra hoy i Josoa ho: "Nagnino gny napididoza anay hanao? Hapididoza anao i Yaveh amizao." Nitora-bato anazy gny Israely aby. Dra nitorahin'ereo vato gny sisa dra nagnoro anereotamigny afo. 26 Nanga atotambato lahibe teo agnabony ereo ze bo eo mandrak'androany. Nisahasy taminigny fahoria mirehisy Yaveh. Noho zay gny nitokava gny agnaran'io toera io ho Havoan'i Akora mandrak'izao androany zao.