Toko faha 6

1 Dra nihily aby koa gny filira rehetra nagnao Jeriko nohony gny tafik'Israely. Sy nisy niboaky dra sy nisy nidisy tao. Hoy Yaveh tamin'i Josoa ho: ''Ingo, fa natolosy teo atagnanao Jeriko, gny pazakany, dra ireo maramila voaomany. 3 Aoka ianao hanao liabe magnodidy gny tanana, gny lelahy pialy gny mandeha mihodidy gny tanana draiky mandeha. Aoka hanao izay madrisy gny anin'andro hanao. 4 Pisoso fito gny hinday trompetra fito vita amigny tandrok'osy eo alohan'ny fiara. Amigny andro fahafito dra sy maisy manao liabe magnodidy gny tanana ipito handrareo, dra sy maisy misioky gny trompetra ireo pisoro. 5 Avy eo dra sy maisy mampagneno trompetra lavareny amigny tandrok'osy izy ireo, dra gny fa mahare gny feon'i trompetra hanao dra sy maisy mihorakoraky amigny hiaky fatrasy gny vahoaky aby, dra hirodo gny mandan'ny tanana. Sy maisy hanafiky ireo maramila, dra hizotra amigny hisiny avy gny kiraikiraiky.'' 6 Dra nitoka an'ireo pisoro i Josoa zanak'i Nona dra nizaka tamin'azy ireo ho: ''Andeso gny fiaran'ny fifagneke, dra aoka hisy pisoro fito hinday tropetra tandrok'osy ho eo alihan'ny fiaran'ny fifagneken'i Yaveh.'' 7 Hoy izy tami 'ireo vahoaky ho: ''Mandehana dra manova liabe magnodidy gny tanana, dra handeha eo alihan'ny fiaran'i Yaveh ireo lelahy mita-pialia.'' 8 Araky izay nizakan'i Josoa tamin'ny vahoaky, dra ninday tropetra tandrok'osy fito teo agnatrehan'i Yaveh ireo pisoro fito. Raha nadroso igny izy ireo, dra nisioky gny trompetra. Nagnoriky anazy ireo avy ao afarany gny fiaran'ny fifagneken'i Yaveh. 9 Nisy lelahy mita-pialia nandeha teo alohan'ireo pisoro, dra nisioky gny trompetrany izy ireo, fa nandeha niakasy avy ao afaran'izy ireo koa ireo piamby gny vodo-lalana, dra nisioky gny tropetran'izy ireo hatragny ireo pisoro. 10 Fa Jesoa nandidy an'ireo vahoaky, nanao ho: ''Ka mihiaky. Aoka sy hisy feo miboaky amigny vavadrareo ziziky ahaviany gny andro izakako amidrareo ba hihiaky. Amin'izay avo koa hadrareo ba hihiaky.'' DRa nataony nandeha nagnodidy gny tanana draiky mandeha gny fiaran'i Yaveh tamin'io andro io. Dra nidisy gny tobiny izy ireo, dra nitoboky tao an-toby nidrisy gny hariva. 12 Dra nifoha marandraim-be i Josoa, dra nalan'ireo pisoro gny fiaran'i Yaveh. 13 Nandeha fatrasy vo nisioky gny tropetra reo pisoro fito, ze nanday an'ireo tropetra fito zagnon'osy teo alohanigny fiaran'i Yaveh. Nisy miaramila mitafelia nandeha teo alohan'ereo. Fa gny fa nandeha boak'afarany gny fiaran'i Yaveh reo piambin-dala, dra nameko feo sy miato reo tropetra. 14 Nanao liambe nagnodidy gny tana ndray mandeha ereo taminigny andro faharo dra nihery tagny atoby. Nanao anizay nandrisy gny enin'andro ereo. 15 Taminigny andro fahafito gny nandehanan'ereo vo maraindraim-be, dra nanao liam-be nagnodidy gny tana araky gny fomban'ereo avo ereo, fa ipito tamity ndray mitoraky ty. Tamin'io andro io gny nanova'ereo liam-be ipito nagnodidy gny tana. 16 Taminigny andro fahafito, tamireo pisoro nisioky gny tropetra zagnon'osy, gny nandidian'i Josoa an'ireo vahoaky ho: "Mihorakoraha! Fa namen'i Yaveh andrareo gny tana. 17 Natoka ho an'i Yaveh ho fandrava gny tana vo ze ao aminazy aby. Rahaba pivaro-tegna raiky avo gny ho velo__izy vo mindray aminazy ao atragnony aby reo__akory nagnavony reo lelahy nirahisika izy. 18 Gny aminao koa, membena aminigny faka reo raha voatoka ho anigny fandrava, ba sy hangalaky na ino na ino amizay hanao, gny fa avy nasianao mariky ho rava zay. Raha manao anizay hanao, dra hahaavy gny tobin'Israely ho raha sy maisy ho rava dra hinday fikorotagna amizay. 19 Reo volafosy, volamena,dra reo raha aby vita aminigny varahy vo vy dra voatoka ho an'i Yaveh. Sy maisy halefa ao aminigny fitobohan'drakis'i Yaveh reo." 20 Gny fa nienga gny tropetra ereo, dra nihiakiaky fatrasy gny vahoaky dra niroda gny manda, haby ka nihisy nilisy gny olon'aby dra nambabo gny tana. 21 Niringanin'ereo taminigny lela-mesa tateraky ze tao aminigny tanan'aby__gny lelahy vo gny apela, gny tanora vo gny atisy, gny agnomby, gny agnondry dra reo boriky. 22 Boak'eo dra hoy Josoa tamireo lelahiny ro nisikilo tao aminigny tany ho"Mandehana agny atragnonogny pivaro-tegna.Andeso miboaky gny apela ao igny vo ze mindrain'aminazy, araky gny nianiandrareo taminazy." 23 Ko dra nidisy vo nanday an'i Rahaba niboaky reo tovolahy ro pisikilo. Nandesinereo niboaky gny rany, gny reniny, reo anadahiny, dra reo havany ze nindray taminazy. Nandesinereo tagny amigny toera raiky ivelanigny tobin'Israely ereo. 24 Noroan'ereo gny tana vo ze tao aminazy aby. Gny volafosy, volamena, dra reo fitova vita aminigny varahy vo gny vy avo gny natao tao agnatinigny fitobohan'drakisy gny tragna'i Yaveh. 25 Fa nangan'i Josoa ho levo i Rahaba pivaro-tegna, gny ankohonan-drainy, dra ireo aby nidray taminazy. Mitoboha agny Israely mandrak'ankehitriny izy satria nagnavony ireo lelahy izay nirahin'i Josoa hisikilo tao Jeriko. 26 Dra tamin'izay fotoa izay dra nandidy anazy ireo tamigny fiegna i Josoa, dra nizaka ho: ''voaozo eo amason'i Yaveh ze olo magnery magnory ty tana tihoky, dra i Jeriko. Amigny ain'ny zanany lahimatoa gny hametrahany fototra, dra amigny ain'ny zanany faralahy gny hananga gny vavahadiny.'' 27 Dra momba an'i Josoa i Yaveh, dra niely nanerana gny tany gny lazany.