Toko faha 5

1 Vatany vao ren'ireo pazakan'i Amorita rehetra tagny amigny ilay asignanan'i Jordana, vo ireo pazakan'i Kanana aby, izay nagnamoro gny sisin'ny Ranomasina lahibe, fa Yaveh dra da nandrisy gny ranon'ny Joedana mandra-pitan'ny vahoakin'Israely, dra nosoniky gny fon'izy ireo , dra sy nisy fagnahy sasy tao amin'izy ireo noho ireo vahoakin'Israely. 2 Tamin'izay fotoa izay dra hoy i Yaveh tamin'i Josoa ho: ''Magnamboara mesa afovato dra forao dray mandeha ireo lahin'Israely aby.'' 3 Dra Josoa nagnamboasy mesa afovato dra namora ireo lahin'Israely aby tao Gilgala Haralota. 4 Iazo gny atony namoran'i Josoa anazy ireo: gny lahy rehetra izay niboaky an'i Egypta, agniak'izay ireo lelahy pialy aby, dra maty an-dala tagny agnefisy, tafaran'ny noboahan'izy ireo avy tagny Egypta. 5 Dra voafora aby koa aza gny lahy aby izay niboaky tamin'ireo zazalahy teraky an-dala tagny agnefisy niboaky an'i Egypta gny voafora. 6 Fa ireo vahoakin'Israely dra nadeha efapolo tao tagny agnefisy mandrapahafaty ireo vahoaky aby, izay ho, gny lelahy pialy aby izay niboaky an'i Egypta, dra maty, satria sy nakato gny fegn'i Yaveh izy ireo. Nianiana tamin'izy ireo Yaveh fa sy hagnenga anazy ireo hahita gny tany izay nianiany tagny razanben'izy ireo fa homeny anazy ireo, dra tany tondra-dronono vo tantely. 7 Gny zanak'izy ireo gny nasangan'i Yaveh teo amigny toeran'izy ireo iazy namoran'i Josoa, satria sy voafora tagny an-dala izy ireo. 8 Gny voafora aby koa izy rehetra, dra nizano tao amin'izay nitobohany izy ireo mandra-pahasitran'izy ireo. 9 Dra hoy i Yaveh tamin'i Josoa ho: ''Androany dra fa nanaisitra tamindrareo gny fahafaham-barakan'i Egyptazaho.'' dra gny agnaran'izay toerana izay dra nitokavy ho Gilgala mandrak'androany. 10 Nitoboky tao Gilgala gny vahoakin'Israely. Nitahirizin'izy ireo ho an'ny harivan'ny fahaefasy ambin'ny folo andron'ny valan'ny Paska, teo amigny lemak'i Jeriko. 11 Nihina gny sasany tamigny vokasy gny tany izy ireo tafaran'ny Paska: mofo sy misy masirasira, dra vary voaendy. 12 Nisahasy tamigny ndro tafaran'ny nihinanan'izy ireo gny vokasy gny tany gny mana. Sy nisy mana ho an'ny vahokin'Israely sasy, fa nihina gny vakasy gny tany Kanana izy ireo tamin'izay tao izay. 13 Gny fa teo agnilan'i Jeriko i Josoa, dra nanandrasy gny masony dra nagnety, dra ingo, nisy lelehy raiky nizoro teo alohany; nosoahiny gny sabany dra tegny atagnany izay. Nagneo am'i Josoa dra nizaka ho: ''Momba anay hanao sa momba gny fahavalonay?'' 14 Hoy izy: ''Sia. Satria pikomandy gny tafik'i Yaveh zaho. Avy zaho ankehitriny.'' Dra Josoa niakohoky tamin'ny tany ba hanopo dra nizaka taminazy ho: ''Ino gny zakan'i topoko amigny panopony?'' 15 Gny pikomandy gny tafik'i Yaveh nizaka tamin'i Josoa ho: ''Alao amigny tombokao gny kapanao, satria gny toera izay izoroanao dra masina.'' Dra izay gny nataon'i Josoa.