Toko faha 4

1 Gny fa tafita an'i Jordana gny olo aby, dra nizaka tamin'i Josoa i Yaveh ho: 2 ''Mifilia hanao lelahy ro ambin'ny folo amigny vahoaky, lelahy raiky avy isaky gny foko. 3 Omeo anazy ireo ty didy tihoky: ''Mangala vato ro ambon'ny folo avy ao agnevon'ny Jordana izay izoroan'ireo pisoro eo amigny tany maiky, dra andeso midray andrareo izay dra apetraho eo amigny toerana izay hadriadrareo amizao hariva.'' 4 Dra nitokavin'i Josoa ireo lelahy ro ambin'ny folo izay fa nisafidiny teo amin'ireo fokon'Israely, dra isaky gny foko. 5 Hoy Josoa tamin'izy ireo ho: ''Mandehana mialohan'ny fiaran'i Yaveh Zagnaharidrareo ao agnevony Jordana. Hilaza vato agny amigny sorony avy hadrareo kiraikiraiky, araky gny isan'ireo fokon'ny vahoakin'Israely. 6 Izay dra ho famatarana eo amidrareo rehefa hanotany adrareo gny zanadrareo amin'ireo andro ho avy ho: ''Ino gny dikan'ireo vato ireo amidrareo?' 'v 7Dra hoy hadrareo amin'izy ireo ho: ''Nivaky teo agnatrehan'ny fiaran'ny fifagneken'i Yaveh gny ranon'ny Jordana. Gny fa nandalo teo amin'i Jordana izay, dra vaky gny ranon'ny Jordana. Dra ho fahasiarova madrakizay ho an'ny vahoakin'Israely ireo vato ireo.'' 8 Gny vahoakin'Israely dra nanao araky izay nadidian'i Josoa anazy, dra nagnao vato ro ambin'ny folo teo agnevon'ny Jordana izy ireo, araky gny nizakan'i Yaveh an'i Josoa. Napiakarin'izy ireo araky gny isan'ireo fokon'i Israely gny isan'ireo vato. Nilazan'izy ireo nidray tamin'izy ireo gny vato, nagnagny amigny toerana izay nitobian'izy ireo dra napetrany teo ambany teo. 9 Boak'eo Josoa nametraky vato ro mbin'ny folo teo agnevon'ny Reniranon'ny Jordana, teo amigny toerana izay nizoroan'ny tombon'ireo pisoro izay ninday gny fiaran'ny fifagneke. Agny izay fahasiarovanaizay mandrak'amizao. 10 Ireo pisoro izay nilaza gny fiara dra nozoro teo agnevon'ny Jordana mandra-pahatateraky gny raha aby nadidian'i Yaveh ho lazan'i Josoa tamin'ireo vahoaky, araky ireo rehetra fa nadidian'i Mosesy an'i Josoa. Nisaky malaky ireo vahiaky. 11 Gny fa tapisiy nisaky aby gny olo, dra nisaky teo anoloan'ny vahoaky gny fiaran'i Yaveh vo ireo pisoro. 12 Gny fokon'i Robena, gny fokon'i Gada, dra gny asasaky gny fokon'i Manase dra nagnenga mialohan'ny nilaharan'ireo vahoakin'Israely manahakigny gny maramila, araky gny nizakan'i Mosesy tamin'izy ireo. 13 Lelahy voaomana hialy tokony ho afasy arivo gny nandalo teo alohan'i Yaveh, ba hialy agny amigny tany lemak'i Jeriko. 14 Tamin'io andro io dra nataon'i Zagnahary lahibe teo amason'ny vahoakin'Israely aby i Josoa. Nagnome voninahisy anazy izy ireo___manahaky gny nagnomezan'izy ireo voninahisy an'i Mosesy___nadrisy gny androm- piaignany. 15 Dra nizaka tamin'i Josoa i Yaveh ho: 16 ''Omeo baiko ireo pisoro izay nilaza gny fiaran'ny vavolombelo ba hiala avy ao Jordana.'' 17 Dra nagnnome baiko ireo pisoro i Josoa ho: ''Miboaha ao Jordana.'' 18 Gny niboaky avy tao agnevon'ny Jordana ireo pisoro nilaza ilay fiaran'ny fifagneken'i Yaveh, dra niakasy tagny amigny tany maiky gny faladian-tombon'izy ireo, dra nihery tamin'ny toerana dra nihoasy gny morony gny ranon'ny Jordana, manahaky gny tamigny afasy andro mialoha. 19 Niboaky avy tao Jordana ireo vahoaky tamin'ny andro fahafolon'ny volana volohany. Nizano tao Gilgala izy ireo asignanan'i Jeriko. 20 Ireo vato ro ambin'ny folo izay nalan'izy ireo avy tao Jordana, dra natobin'i Josoa tao Gilgala. 21 Hoy izy tamin'ireo vahoakin'Israely ho: ''Gny magnotany an'ireo babany gny taranakidrareo amigny fotoa ho avy ho: ''Ino ireo vato ireo?' 22 Zakao gny zanadrareo ho:'' Teo gny nisahan'i Israely an'ny Jordana tamigny tany maiky.' 23 Nohamainin'i Yaveh Zagnaharidrareo ho adrareo gny reniranon'ny Jordana, mandrapiampitadrareo tamin'ilay Ranomasia Mena, izay nohamaininy ho asika madrapiapitasika, 24 Ba hahafataran'ny olon'aby eto an-tany fa mahery gny tagnan'i Yaevh, dra ba hagnomezadrareo vininahisy an'i Yaveh Zagnaharidrareo mandrakizay.''