Toko faha 3

1 Nifoha marandray i Josoa, dra nizaka tao Sitima ereo. Nagna Jordana ereo, izy vo reo vahoakin'Israely aby, dra nitoby teo mialohanigny nisahany. 2 Afaky telo andro, reo mana-pahefa dra nandeha teo agnevonogny toby; 3 nandidy gny olo ereo ho: "Gny fa mahita gny fiaranigny fifagneken'i Yaveh Zagnaharindrareo handrareo, vo reo pisoro boak'amireo Levita mizaka anizay, dra aoky hagnenga anty toera ty handrareo dra hagnaraky anizay. 4 Aoky hisy elagnela ro arivo hakiho eo amindrareo vo zay. Ka magnariny anizay, ba hahafahandrareo mahita gny lala handehana, akory bo sy nandeha tamin'io lalan'io handrareo taloha." 5 Hoy Josoa taminigny vahoaky ho: "Hamasino gny vatandrareo maraindray, fa hanao fahagaga eo amindrareo Yaveh:" 6 Dra hoy Josoa tamireo pisoro ho: "Andeso gny fiaranigny fifagneke, dra mandalova eo anoloanigny olo." Ko dra nandray gny fiaranigny fifagneke ereo dra nandeha teo anoloanigny olo. 7 Hoy Yaveh tamin'i Josoa ho: "Amizao dra hataoko lelahy mahery eo imasony Israely aby hanao. 8 Hahafatasy ereo fa manahaky gny nameko an'i Mosesy, gny hombako hanao. Hanao dra handidy reo pisoro ze mizaka gny fiarany fifagneke ho: 'Gny fa avy egny amoronigny ranon'i Jordana handrareo, dra aoky ho tony eo aminigny Reniranony Jordana."' 9 Dra hoy Josoa taminigny olon'Israely ho: "Mandehana atiky, dra tenoy izao zakan'i Yaveh Zagnaharindrareo zao. 10 Aminigny alalanitihoky gny hahafatarandrareo fa gny Zagnahary velo dra eo amindrareo dra handroaky reo Kananita, reo Hetita, reo Hivita, reo Perizita, reo Girgasita, reo Amorita vo reo Jebosita sy ho eo agnoloandrareo. 11 Ingo! gny fiaranigny fifagnekenigny Taponigny tany aby misaky eo alohandrareo ho ao Jordana. 12 Amizao mifiliana olo ro ambinifolo boak'agny aminigny fokon'Israely, lelahy raiky boak'aminigny sirairay. 13 Gny fa mikasiky gny ranon'i Jordana gny faladia-tombok'ireo pisoro ze minday gny fiaran'i Yaveh, Toponigny tany aby, dra ho tapaky gny onin'i Jordana, dre gny rano ze mikoria boak'agnabo agny aza dra hizano hivory ho raiky." 14 Ko gny fa niala ba hisaky an'i Jordana reo olo, dra nandeha teo alohan'ireo olo reo pisoro ze nilaza gny fiaranigny. 15 Raha vo avy teo Jordana reo ze nilaza fiara, dra nirobaky teo amoronigny rano gny tombok'ereo (dra gny ranon'i Jordana dra tondraky hatragny aminigny sisiny aby nandrisy fotoa-panapaha), 16 gny rano ze nikoria nizoso boak'agnabo agny dra nizano nivory ho raiky. Nisahasy boaky lavisy egny gny fikorianigny rano. Nisahasy nikoria boak'agny Adama, gny tana ze agnilan'i Zeretana, hatragny aminigny lala nizoso nagnagny aminigny ranomasin'i Negeva, gny Ranomasy sira, gny rano. Nisaky nagnariny an'i Jeriko gny vahoaky. 17 Reo pisoro ze ninday gny fiaranigny fifagneken'i Yaveh dra nizano teo aminigny tany maiky teo agnevonigny Jordana mandra-pitanigny olon'Israely aby teo aminigny tany maiky.