Toko faha 2

1 Dra Josoa zanadahin'i Nona nagniraky ro lahy mangingina voak'agny Sitima manahaky gny pisikilo. Hoy izy ho: "Mandehana, atio gny tany, indrindra fa i Jeriko:" Dra lasa ereo dra avy tao atragnony pivarotegna raiky ato ho Rahaba, dra nitoby tao ereo. 2 Nizaka taminigny pazakan'i Jeriko ho: "Ingo, avy eto gny lelahin'Israely ba hisikilo gny tany." 3 Dra nandefa hafasy tamin'i Rahaba gny pazakan'i Jeriko dra nanao anizahoky ho: "Andeso miboaky reo lelahy ze avy teo aminao vo nidisy tao atragnonao reo, akory avy ba hisikilo gny tany raiky manotolo ereo." 4 Fa nalan'drapela reo ro lahy dra navoniny. Namaly izy ho: "Eny, avy tato aminahy reo lelahy, Saingy sy nahafatasy ze niavin'ereo zaho. 5 Lasa ereo gny fa hariva, taminigny fotoa nihilianigny vavahadiny gny tana. Sy fataso ze nandehanan'ereo. Mety ho trasinao ereo raha magnaraky malaky anereo hanao." 6 Kanefa napekariny tao atafotragno ereo dra navoniny tao amireo taho zamala ze fa nabelany teo aminigny tafo-tragno. 7 Ko dra nagneziky anereo tegny andala nagnagny aminigny lakandranony Jordana reo lelahy. Vo tafavoaky reo pagneziky dra nihily gny vavahady. 8 Sy bo nandry reo lelahy gny hariva, gny fa avy niakasy tao amin'ereo tao atafotragno gny apela igny. 9 Hoy izy ho: "Fataro fa namen'i Yaveh andrareo gny tany dra avy teto aminay gny tahosy andrareo. Halemy eo agnatrehandrareo reo aby mitoby eto aminigny tany. 10 Renay gny fomba nagnamaignan'i Yaveh an'igny Ranomasy Mena ho andrareo gny fa niboaky boak'ao Egypta handrareo. Renay avo koa gny nataondrareo tamireo pazakanigny Amorita ro tegny apitan'i Jordana__dra Sihona vo i Oga__ze naringandrareo tateraky. 11 Vatany vo renay zay, dra namely gny fonay dra sy nisy anizay, dra namely gny fonay dra sy nisy heri-po tavela tao amin'iza na iza__fa Yaveh zagnaharindrareo, dra zagnahary agny andagnisy agny vo ety atany etiky. 12 Amizao dra, ba ianiano aminahy aminigny alalan'i Yaveh, halemy fagnahy aminigny havandrako handrareo, araky gny hasoa-fagnahiko tamindrareo avo. Omeo famatara azo atoky zaho 13 fa hamindra fo aminigny ainigny rako, gny reniko, reo anadahiko, anabaviko, vo gny fianakaviako aby handrareo, dra hagnavosy anay aminigny fahafatesa." 14 Dra hoy reo lelahy taminazy ho: "Hatakalo aminigny aindrareo gny ainay, ndre ho aminigny fahafatesan'aza! Raha sy mizaka mombanigny rahalahinay hanao, dra ho feno famindrapo vo hahatoky andrareo zahay gny fa omen'i Yaveh anay ty tany ty." 15 Dra namela anereo hizoso hiboaky teo aminigny vatrangara kely taminigny fapesa taly izy. Niory teo aminigny mandanigny tana gny tragno ze nonegnany. 16 Hoy izy tamin'ereo ho: "Mandehana egny aminigny havoa dra mivonia raha sy zay ho hitan'ireo pagneziky handrareo. Mivonia agny mandrisy gny telo andro mandra-piheren'ireo pagneziky. Boak'eo dra tohizo gny lalandrareo." 17 Hoy reo lelahy taminazy ho: "Sy ho voarohy aminigny fapanatenanigny fianianana ze nasainao nianiananay zahay, raha toa ka sy manao anizao hanao. 18 Gny fa avy eto aminigny tany zahay, dra sy maisy fataronao eo ambatrangarakely ty taly mena ze hapizosoanao any ty, dra havorinao ato atragno gny ranao vo gny reninao, reo anadahinao vo gny akohonanigny ranao aby. 19 Na iza na iza miboaky gny vatrangarany tragnonao ho egny andala, dra ho eo andohan'ereo manoko gny liony sy ho meloky zahay. Fa raha misy tana misotra eo amize mindray aminao aby ato atragno, dra ho eo andohany gny liony. 20 Fa raha mizaka momba gny raharahanay hanao, dra ho afaky aminigny fiegna ze napianiananao anay zahay." 21 Dra namaly Rahaba ho: "Hatao anie ze voazakandrareo." Nalefany ereo dra lasa. Boak'eo nandrohy gny taly mena teo ambatrangarakely izy. 22 Lasa ereo dra nandeha niakasy tagny amireo havoa dra nizano tegny nandrisy gny telo andro mandra-piherin'ireo pagnitrik'ereo. Nitalia nagnera gny lalan'aby reo pagnitriky dra sy nahita na ino na ino. 23 Dra nihery reo lelahy ro dra nisaky tafahery tagny amin'i Josoa zanak'i Nona, dra nizakan'ereo taminazy gny raha aby ze nitranga tamin'ereo. 24 Hoy ereo tamin'i Josoa ho: "Fa natolos'i Yaveh asikavatany io tany io. Malemy avokoa reo ponin'aby ao aminigny tany noho gny amisika."