Toko faha 10

1 Dra gny fa ren'i Adoni-zedeka, pazakan'i Jerosalema, fa fa babon'i Josoa i Ay dra nipotehiny tateraky zay (manahaky gny nanovany an'i Jeriko vo gny pazakany), reny avo koa fa nihava gny vahoakinigny Gibeona vo gny Israely dra nindray nony ereo. 2 Dra raiki-tahosy tateraky gny vahoakin'i Jerosalema akory Gibeona dra tana lahibe, manahaky gny raiky amin'ireo tanan'andria. Lahibe noho i Ay zany, dra gny lelahy dra pialy mahery avokoa. 3 Noho zay Andoni-Zedeka, pazakan'i Jerosalema zay, dra nandefa hafasy tagny amin'i Hohama, pazakan'i Hebrona, tagny amin'i Jafia, pazakan'i Lakisy, dra tagny amin'i Debira, pazakan'i Eglona ho: 4 "Mekara aminahy atiky dra apio zaho. Andeha hotafihisika i Gibeona akory ereo dra fa nihava tamin'i Josoa vo taminigny vahoakin'Israely." 5 Reo pazaka diminigny Amorita, gny pazakan'i Jerosalema, gny pazakan'i Hebrona, gny pazakan'i Lakisy, dra gny pazakan'i Eglona dra niakasy, ereo vo reo tafiny aby. Nanoby gny rafisy hanoheran'an'i Gibeona ereo, dra nanafiky anizay. 6 Nandefa hafasy tagny amin'i Josoa vo tagny aminigny tafiky tagny Gilgala gny vahoakin'i Gibeona. Hoy ereo ho: "Malaky! ka ala eo aminigny panopondrareo gny tagnandrareo. Mekara malaky aminay atiky, dra vozeo zahay. Apio zahay, akory reo pazakanigny Amorita aby monin'egny aminigny tany havoa dra fa nitambasy ho raiky ba hanafiky anay." 7 Niakasy boak'agny Gilgala i Josoa, izy vo reo lelahy pialy aby nindray taminazy, dra reo lelahy panafiky aby. 8 Dra Yaveh nizaka tamin'i Josoa ho: "Ka matahosy anereo. Fa nameko ho eo apelatagnanao ereo. Sy hisy dre raiky amin'ereo hahasaka gny fanafihanao." 9 Avy tapoky teo amin'ereo i Josoa, gny fa nandrisy gny hariva boak'agny Gilgala. 10 Nasafotofoton'i Yaveh teo anoloan'Israely gny fahavalo, dra Israely namono anereo taminigny famonoa lahibe toa Gibeona dra nagneziky magnagny Beti-horona, dra ereo gny namono anereo tegny andala mangagny Azeka vo Makeda. 11 Raha nienga an'i Israely ereo, nizoso gny vohisy boak'agny Beti-horona, Yaveh nagnary vato lahibe boak'egny aminigny lagnisy teo agnabon'ereo taminigny lalan'aby magnagny Azeka, dra maty ereo. Maro reo matinigny havandra noho gny matinigny mesan'ireo lelahin'Israely. 12 Dra i Josoa nizaka tamin'i Yaveh taminigny andro nagnomezan'i Yaveh gny lelahin'Israely fandrese teo agnatrehan'ireo Amorita. Zao gny zakan'i Josoa tamin'i Yaveh teo anoloan'i Israely: "Ry masoandro, mizanogna ao Gibeona, dra gny vola, ao aminigny lohasaka Aialona." 13 Dra nizano gny masoandro, dra nisaha-nihesiky gny vola mandrapamalifatinigny firenena reo fahavalony. Sy vosorasy ao agnaty bokin'i Jasara ra zay? Gny masoandro nizano teo agnevonigny habakabaky; Sy niletiky fa ho andro raiky zay. 14 Sy nisy andro hafa manahaky anizay taloha dre tafaran'io, gny fa nakato gny feonigny olo i Yaveh. Akory Yaveh dra nialy ho an'Israely. 15 Nihery tagny atoby tagny Gilgala i Josoa vo reo Israely aby nindray taminazy. 16 Reo pazaka dimy nienga vo nagnavony gny vatany tao agnaty lava-bato tao Makeda. 17 Dra zinaka tamin'i Josoa zay ho: "Fa hita ereo! ___mivonia ao agnaty lava-bato ao Makeda reo pazaka dimy!" 18 Hoy i Josoa ho: "Manakodiava vato lahibe eo ambavanigny lava-bato dra manobia miaramila ao ba hiambin'anereo. 19 Fa ka mizano handrareo. Hitrifo gny fahavalondrareo dra tafiho boak'ao afara ereo. Ka anga hilisy gny tanany ereo, akory Yaveh zagnaharindrareo fa nanolosy anereo ho eo atagnandrareo." 20 Josoa vo reo zanak'Israely fa nandringan'anereo tamigny famonoa lahibe, mandra-paharingan'anereo tateraky; reo ze sisa velon'avo gny faf-mienga namozy gny tana mimanda. 21 Dra gny miaramila manotolo nihery apilamina tagny amin'i Josoa tao atoby tao Mekeda. Sy nisy dre raiky nahavany nizaka zaka manohisy gny vahoakin'Israely. 22 Dra Josoa nizaka ho: "Sokafo gny lava-bato dra andeso miboaky boak'eo andeso aminahy reo pazaka dimy." 23 Dra nataon'ereo araky ze zinakany. Nandesin'ereo boak'ao an-dava-bato ho eo aminazy reo pazaka dimy__ gny pazakan'i Jerosalema, gny pazakan'i Hebrona, gny pazakan'i Jarmota, gny pazakan'i Lakisy, dra gny pazakan'i Eglona. 24 Gny fa tangan'ereo teo amin'i Josoa reo pazaka, dra nitoka gny lelahin'Israely aby izy. Nizaka tami'ireo pifehy gny miaramila ze nindray taminazy tagny agnaly izy ho: "Apetraho eo aminigny vozony gny tambokao." Dra niakasy ereo dra nanoby gny tombony teo aminigny vozon'ireo. 25 Dra hoy izy tamin'ereo ho: " Ka matahosy vo ka mivali-po. Mahereza vo matazaha. Zaho gny hataon'i Yaveh amireo fahavalonao ze andehananao hialy." 26 Dra Josoa namely vo namono reo pazaka dimy. Nahatony taminigny hazo dimy ereo. Nihato teo aminigny hazoereo mandra-pahariva gny andro. 27 Raha gny moly masoandro igny, dra nagnome baiko i Josoa, dra napizison'ereo boak'eo aminigny hazo reo dra nariany tao agnatigny lava-bato ze nivoniany. Nasian'ereo vato lahibe gny vavanigny lava-bato. Bo ao reo vato reo mandrak'androany. 28 Manahaky anizay, gny nambaboan'i Josoa an'i Makeda tamizay andro zay, vo namonoanay gny olon'aby tao taminigny mesa, Agnisanizay gny pazakany. Naringany tateraky ereo vo reo raha-miain'aby tao. Sy nisy nangany ho velo. Manahaky gny nataony taminigny pazakan'i Jeriko avo gny nataony taminigny pazakan'i Makeda. 29 Niala boak'ao Makeda ho agny Libna i Josoa vo reo Israely aby. Dra nialy tamin'i Libna izy. 30 Namen'i Yaveh ho eo atagnan'Israely avo koa zay__ hatramigny pazakany. Josoa namaly gny raha-miain'aby tao taminigny mesa. Sy nangany hianga tao. Manahaky gny nanovany gny pazakan'i Jeriko avo gny nanovany gny pazaka. 31 Dra niala boak'ao Libna ho agny Lekisy i Josoa vo reo Israely aby nindray taminazy. Nitoby tao izy dra nialy taminazy. 32 Dra natolas'i Yaveh teo atagnan'Israely i Lakisy. Taminigny andro faharo gny nambaboan'i Josoa anazy. Naringany taminigny mesa gny raha-managnay aby tao, manahaky gny nanovany an'i Libna. 33 Dra Horama, pazakan'i Gazera, niakazy ba hagnapy an'i Lakisy. Fa Josoa namely anazy vo gny tafiny mandra-paha sy nisy nianga sasy dre raiky aza. 34 Dra Josoa vo reo Israely aby nindray taminazy niala boak'ao Lakisy ho agny Eglona. Nitoby tao vo nialy taminazy ereo, 35 dra nambabo anazy tamin'io andro io avo. Namely anizay tamigny mesa ereo dra nandringa tateraky gny olon'aby tao, manahaky gny nanovan'i Josoa an'i Lakisy. 36 Dra nandeha boak'ao Eglona i Josoa vo reo Israely aby ho agny Hebrona. Nialy taminazy ereo. 37 Nambabo anazeereo dra namely gny olon'aby tao taminigny mesa, agnisanizay gny pazaka vo reo zanam-bohisy aby magnodidy.Naringanereo tateraky gny raha-managnay aby tao, sy nisy nanga nianga, nanahaky gny nanovan'i Josoa an'i Eglona. Naringany tateraky zay, vo reo raha managnay aby tao aminazy. 38 Dra nihery i Josoa, vo gny tafik'Israely aby nindray taminazy, dra nagnagny Debira ereo dra nialy taminazy. 39 Nambabo anizy vo gny pazakany izy, dra reo zana-bohisy nagneky aby. Namely anereo taminigny mesa ereo, dra nandringa tateraky reo raha managnay aby tao aminazy. Sy nisy nangan'i Josoa hianga, manahaky gny nanovany an'i Hebrona vo gny pazakany, vo manahaky gny nanovany an'i Libna vo gny pazakany. 40 Josoa nandresy gny tany aby, gny tany havoa, Negeva, reo tany iva, dra fitos'havoa. Sy nisy nangany hianga dre raiky tamireo pazakany aby. Naringany tateraky reo raha-managnay aby, manahaky gny fa nandidian'i Yaveh, Zagnaharin'Israely. 41 Josoa namely anereo taminigny mesa nanomboky tao Kedesy-barnea dra hatragny Gaza, vo gny tananigny Gosena aby dra hatragny Gibeona. 42 Josoa nambabo ndray mandeha reo pazaka aby reo vo gny vatany akory Yaveh, ZagnaharinIsraely, gny nialy ho an'Israely. gny nialy ho an'Israely. 43 Dra Josoa, vo reo Israely aby nindray taminazy, dra nihery tagny aminigny toby tao Gilgala.