Toko faha 11

1 Gny fa ren'i Jabina, pazakan'i Hazora zay, dra nandefa hafasy ho an'i Jo baba, pazakan'i Madona, vo gny pazakan'i Simrona, dra gny pazakan'i Aksafa izy. 2 Nalefany tagny amireo pazaka ze agny aminigny tany havoa avarasy, vo tagny aminigny lohasaka aminigny reniranon'i Jordana agny asimon'i Kinerota, vo tagny aminigny tany lemaky, dra tagny aminigny tany havoan'i Dora magnagny andrefan'avo koa gnolon'aby. 3 Nandefa hafasy tagny amireo Kananita magnagny asignana vo andrefa, vo tagny amireo Amorita, reo Hetita, reo Perizita, reo Jebosita agny aminigny tany havoa, vo tagny amireo Hivita agny aminigny tendrombohisy Hermona agny aminigny zakan'i Mizpa avo koa izy. 4 Niboaky nindray tamin'ereo avokoa gny tafik'ereo aby, miaramila maro an'isa, manahaky gny fasy egny amoron-dranomasy. Nanao sovala vo kalesa maro an'isa ereo. 5 Nihao taminigny ora voatondro reo pazaka aby reo, dra nitoby teo aminigny ranon'i Meroma ba hialy amin'Israely. 6 Hoy i Yaveh tamin'i Josoa ho: "Ka matahosy aminigny fagnatrehan'ereo, akory maraindray amizao fotoa zao dra manalosy anereo amin'Israely aby manahaky gny olo maty zaho. Ho vononao gny sovalan'ereo." 7 Dra avy Josoa vo reo lelahy pialy aby. Avy tapoky tagny aminigny ranon'i Meroma ereo, dra nanafiky gny fahavalo. 8 Natolos'i Yaveh teo atagnan'Israely gny fahavalo, dra namely anereo taminigny mesa vo nagneziky anereo tagny Sidona, Misrefota-maima, vo tagny aminigny lohasakan'i Mizpa agny asignanan'ereo. Namono anereo izy mandra-paha sy nisy dre raiky ho sisa tavela. 9 Nataon'i Josoa tamin'ereo arak'ize nizakan'i Yaveh taminazy. Nataony nandringa reo sovala dra noroany reo kalesy. 10 Nihery i Josoa tamizay fotoa zay dra nambabo an'i Hazora. Nisatohiny taminigny mesa gny pazaka tao. (Lohan'ireo fazakan'aby reo i Hazora.) 11 Nivonon'ereo taminigny mesa gny raha-mana'gnay aby ze tao, dra natokany ho rava reo, ko dra sy nisy raha-mana'gnay tavela. Boak'eo noroany i Hazora. 12 Lasan'i Josoa avokoa gny tanan'ireo pazaka aby reo. Nisamboriny avo koa gny pazakan' ireo aby dra nisatohiny taminigny mesa ereo, araky gny nandidian'i Mosesy panopon'i Yaveh. 13 Sy nsgnoro reo tana niory tegny aminigny dongo-tany i Israely, afa-sy Hazora. Io avo gny noroan'i Josoa. 14 Nalanigny tafik'Israely gny babo boak'amin'ireo tana reo nindray taminigny biby teza ba hon'ereo. Nivonon'ereo taminigny mesa gny zanak'olombelon'aby amndra-pahafatiny aby. 15 Sy nisy raha-managnay nangan'ereo ho velo. Araky gny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy panopony, dra manahaky anizay koa, gny nandidian'i Mosesy an'i Josoa, dra nataon'i Josoa zay. Sy nisy raha nangany sy ho vita ze nandidian'i Yaveh hatao. 16 Nalan'i Josoa avokoa zay tany aby zay, gny tany havoa, Negeva raiky manotolo, gny tanin'i Gesena raiky manotolo, reo lemaky amorosiraky, lohasakanigny Renirano Jordana, gny tany havoan'Israely, dra reo tany lemaky. 17 Hatragny aminigny tendrombohisy Halaka agnilan'i Edoma, vo nagnavarasy lavisy toa an'i Bala-gada tagny aminigny lohasaka agnilan'i Libanona ambaninigny tendrambohisy Hermona, dra nisamboriny avokoa gny pazakan'ereo dra nivonony. 18 Fa eia Josoa gny nialy tamireo pazaka aby. 19 Sy nisy tana nanao fihavana taminigny tafik'Israely akoasy reo Hivita ze nony tagny Gibeona. Lasan'Israely avokoa reo tana sisa tavela agnaly. 20 Akory Yaveh gny nagnamafy gny fon'ereo, ba hahafahany mamotiky tateraky anereo sy misy indrafo, araky gny nandidiany an'i Mosesy. 21 Boak'eo avy Josoa tamizay fota zay dra nipotehiny i Anakima. Nataony tagny aminigny tany havoa , tagny Hebrona, Dedira, Anaba, dra reo tany havoan'i Joda aby zay, sy tagny aminigny tany havoan'Israely aby. Nipotehin'i Josoa tateraky ereo vo reo tana. 22 Sy nisy Anakita tavela teo aminigny tani'Israely akoasy an'i Gaza, Gata, dra Asdoda. 23 Noho zay dra lasan'i Josoa avokoa gny tany raiky manotolo, araky gny nizakan'i Yaveh an'i Mosesy. Namen'i Josoa ho lovan'Israely zay, nitendre ho an'ireo foko sirairay. Boak'eo gny tany nisahasy taminigny aly.