Toko faha 12

1 Dra itahoky reo pazakanigny tany, ze resin'ireo lelahini Israely. Nalan'ireo Israelita gny harenanigny tany tagny aminigny ilany asignanan'i Jordana ze hoposahanigny masoandro, nanomboky teo aminigny lohasakan-driaky Arnona hatraminigny tendrombohisy Hermana, dra gny Araba aby hatragny asignana. 2 Sihona, pazakanigny Amorita, dra nony tagny hesbona. Nazaka hatragny Aroera, ze eo aminigny sisinigny Harambaton'i Arnona boak'eo agnevonigny lohasaka izy, dra gny asasak'i Gileaba misosoriky hatragny aminigny reniranon'i Jabaka agny aminigny sisi-taninigny Amonita. 3 Nazaka tamin'i Araba hatragny aminigny ranomasin'i Kinerota koa i Sihona, hatragny asignana, hatragny aminigny ranomasin'i Araba (Ranomasisira) asignana, gny lalan'aby hatragny Beti-jesimota vo asimo, apotosy gny tendrombohisy Pisga. 4 Oga, pazakan'i Basana, raiky aminigny Refaima sisa, dra nony tao Astarta vo Edrehy. 5 Nazaka taminigny tendrombohis'i Hermona, Saleky, dra Basana aby, hatraminigny faritanigny ponin'i Gesorita vo gny Makatita izy, dra gny asasak'i Gileada, hatraminigny faritanin'i Sihona, pazakan'i Hesbona. 6 Nandresy anero i Mosesy panopon'i Yaveh, vo gny vahoakin'Israely, dra iMosesy panopon'i Yaveh, gny nanolosy gny tany ba ho fanagnan'ireo robenita, vo Gadita, dra gny asasa-pokon'i Manase. 7 Tahoky reo pazakanigny tany ze resin'i Josoa vo gny vahoakin'i Israely tagny andrefan'i Jordana, nanomboky tao Bala-gada ao aminigny lohasaka agnilan'i Libanona hatragny atendrombohisy halaka agnilan'i Edoma. Nagnome tany hon'ireo fokon'Israely i Josoa ba ho fanagnan'ereo. 8 Nameny anereo gny tany havoa, reo tany lemaky, gny Araba, reo sisin'ireo tendrombohisy, gny tany efisy, dra gny Negeva__Dra gny tanin'ireo Hetita, Amorita, Kananita, Perzita, Hivita, dra reo Jebosita. 9 Reo pazaka dra ahita gny pazakan'i Jeriko, gny pazakan'i Ay ze eo agnilan'i Betela, 10 gny pazakan'i Jerosalema, gny pazakan'i Enaima, 11 gny pazakan'i Jarmota, gny pazakan'i Lakisy, 12 gny pazakan'i Eglona, gny pazakan'i Gazera, 13 gny oazakan'i Debira, gny pazakan'i Gadera, 14 gny pazakan'i Horma, gny pazakan'i Arada, 15 gny pazakan'i Libna, gny pazakan'i Adolama, 16 gny pazakan'i Makeda, gny pazakan'i Betela, 17 gny pazakan'i Tapoa, gny pazakan'i Herefa, 18 gny pazakan'i Afeka, gny pazakan'i Lasarona, 19 gny pazakan'i Madona, gny pazakan'i Hazora, 20 gny pazakan'i Simrona-merona, gny pazakan'i Aksafa, 21 gny pazakan'i Tanaka, gny pazakan'i Megido, 22 gny pazakan'i Kadesy, gny pazakan'i Jokneama, 23 gny pazakan'i Dora, gny pazakan'i Goyema agny Gilgala, 24 dra gny pazakan'i tirza. Raikamby telopolo gny isan'ireo pazaka aby.