Toko faha 13

1 Dra fa tena atisy vatany i Josoa gny fa nizaka taminazy i Yaveh ho: "Tena atisy vatany hanao, kanefa bo maro reo tany ho babo 2 Tihoky gny tany ze bo tavela: reo farisy aby ao aminigny Filistina, dra reo aby agny Gesriana, 3 (boak'agny Sikora, ze agny asignanan'i Egypta, vo avarasy gny sisinigny Akorona, ze heverinao ho fanagnan'ireo Kananita, reo panapaky dimin'ireo Filistina, reo ze agny Gaza, Azota, Askalona, Geta, dra Akorona___ reo faris'ireo Avita). 4 Agny asimo , dra bo misy gny tanin'ireo Kananita aby, vo Maara ze ho an'ireo Sidoniana, agny Afeka, reo faris'ireo Amorita; 5 gny tanin'ireo Gabalita, reo Libanona aby manoloa gny fiposahanigny masoandro, hatragny Bala-Gada eo ambaninigny tendrombohisy Hermona dra hatragny Lebo Hamata. 6 Fa koa, reo olon'aby agny aminigny tany havoa boak'agny Libanona manahaky gny Mserofotta-Maima, agnisan'izay reo olon'aby agny Sidona. Handroaky anereo alohan'ireo tafik'Israely. Alao atoky gny fagnomeza gny tany an'Israely ho lova raiky, araky gny nandidiako anao. 7 Zarao zay tany zay ho an'ireo foko sivy vo ho an'ireo asasaky gny fakon'i Manase. 8 Midray amin'ereo asasaky gny fokon'i Manase, ireo Reobenita vo ireo Gadita dra ninday gny lova izay namen'i Mosesy anazy ireo tagny asignanan'i Jordana, 9 Agny Aroera, izay eo amoron'i reniranon'i Arnona ( agnatin'izay gny tanana izay eo agnevon'ny renirano), ho an'ny lemaky aby agny medeba dra hatragny Dibona; 10 Ze tana aby agny Sihona, pazakan'ireo Amorita, izay manapaky agny Hesebona, hatragny amin'ireo Amorita; 11 Gileada, vo ireo farisy agny Gesorita vo Makatita, ireo tedrombohisy Hermona, ireo Basana aby hatragny Saleka; 12 Ireo fazakan'i Oga agny Basana, izay nazaka tagny Astarta vo Edrehy____ireo gny sisa tavela tamin'i Refaita___Namono anazy ireo i Mosesy dra nandroaky anazy ireo. 13 Fa ireo olon'Israely dra sy nadroaky ireo Gesorita na Makatita. Fa kosa, Gesora vo Makata dra nitoboky teo amin'ireo Israely tamin'izay andro izay. 14 Tamigny fakon'i Levy gny sy nagnomezan'i Mosesy Lova. Ireo fagnatisy Yaveh, ilay Zagnaharidr'Israely, vita tamigny afo, vo ireo lovan'izy ireo, araky gny nizakan'i Zagnahary an'i Mosesy. 15 Mosesy nagnome lova tamin'ireo fakan'i Robena, isa-poko. 16 Gny faris'ereo dra avy agny amin'i Aroera, agny amoron'ny Reniranon'ny Arnona, dra ilay tanana izay eo agnevon'ny lohasaha, vo agny amin'ireo lemaky agnilan'i Medeba. 17 Nandray an'i Robena avo koa i Hesbona vo ireo tanana aby izay agny amin'i Dibona, vo Bamota-bala, dra Beti-bala-menona, 18 Jahaza, Kedemota, vo Mefata, 19 Vo Karia-taima, vo Sibama, dra Zareta-sahara egny an-tapon-kavoana. 20 Nadray an'i Beti-peora avo koa i robena, ireo hatan'i Pisga, Beti-jesimota, 21 Vo ireo tananan'ny lemaky, dra ireo fazakan'i Sihona pazakan'ireo Amorita, izay nazaka tagny Hesbona, izay niresen'i Mosesy nidray tamin'ireo pitariky Madiana, Evy, Rekema, Sora, Hora, vo Reba, ilay andrian'ny Sihona, izay nitoboky tao amigny tany. 22 Gny vahoakin'Israely avo koa dra namono tamin'ny sabatra an'i Balama zanaky lahin'i Beora, izay nanao sikily, tamigny sisa tamin'ireo izay nivono. 23 Gny onin'i Jordana gny sisin'ny fokon'i Robena; izay gny sisi-tanin'izy ireo. Izay gny lovan'ny fokon'i Robena, nomena tamigny isa-pokon'ny kiraikiraiky, nidray tamin'ireo tanan'izy vo ireo vohisy. 24 Izay gny namen'i Mosesy tamigny fakan'i Gada, isa-poko: 25 Gny faris'Izy ireo dra Jazera, ireo tananan'i Gileada aby vo asasaky gny tanin'ireo Amonita, Aroera, izay agny asignanan'i Raba, 26 Agny Hesbona dra hatragny amin'i Ramata-mizpa vo Betonima, agny Mahanaima agny amigny farisigny Debira. 27 Gny amigny lohasaha, Mosesy dra nameny an'i Beti-harama, Beti-nimra, Sokota, Zafona, ireo sisa tamigny fazakan'i Sihona pazakan'i Hesbona, midray amin'i Jordana ho sisiny, hatramignyfaran'ny ranomasin'i Kinereta, asignanan'ny an-dafin'i Jordana. 28 Izay gny lovan'ny fokon'i Gada, isa-poko, midray amin'ireo tanana vo ireo vihisy. 29 Mosesy nagnome lova taminigny asasaky gny fokon'i Manase. Zay dra nitendre taminigny asasaky gny fokonigny olon'i Manase, araky gny fakon'izy ire. 30 Avy agny Mahamaina gny faris'izy ireo, i Basana aby, gny fazakan'i Oga pazakan'i Basana aby, vo ireo tananan'i Jaira aby, izay tagny Basana, tanana enipolo; 31 asasak'i Gileada, vo Astarta dra Edrehy (ireo tananan'ny pazakan'i Oga agny Basana). Ireo gny voatedry tamin'ilay fakon'i Makira zanaky lahin'i Manase___asasaky gny olon'i Makira, izay nameny gny kiraikiraiky amin'ireo fianakaviany. 32 Izay gny lova izay nitedren'i Mosesy anazy ireo teo amigny lemak'i Moaba, agny an-dafin'ny Jordana asignanan'ny Jeriko. 33 Mosesy dra sy nagnome lova gny fakon'ny Levy. Fa Yaveh, ilay Zagnaharidr'Israely, gny lovan'izy ireo, araky izay nizakany tamin'izy ireo.