Toko faha 14

1 Itahoky aby gny farisigny tany izay nalan'ny vahoak'Israely ho lovan'izy ireo tany amigny tany Kanana, nitedreny ho anazy ireo tamin'i Eleazara pisoro, tamin'i Josoa zanak'i Nona, dra tamin'ny pitari-pokon'ny fianakavian'ny razan'izy ireo nidray amin'ny vahoakin'Israely. 2 Gny lovan'izy ireo dra voafatina tamigny loka ho an'ireo sivy vo gny asasak'ireo foko, araky izay nadidian'i Yaveh tamigny tagnan'i Mosesy. 3 Fa namen'i Mosesy lova gny amigny ro vo asasak'ireo foko tagny an-dafin'i Joridana, kanefa izy sy nagnime lova ireo Levita. 4 Fa raha gny marina dra foko ro gny fokon'i Josefa, dra Manase vo Efraima. Sy name azara, lova tany amigny tany ireo Levita, fa tany amin'ireo tanana sasany avo ba honenana, mbanin'ireo tanim-bolona ho an'ny biby fiopy vo ireo fotovam-pamokaran'izy ireo. Dra nanao araky gny nadidian'i Yaveh an'i Mosesy gny vahoakin'Israely, dra nitedren'izy ireo gny tany. 6 Dra avy tagny amin'ny Josoa tany amin'ny Gilgala gny fokon'ny Joda. Kaleba zanak'i Jefona Kezinita, nizaka taminazy ho: ''Fatasao ze raha zinakan'i Yaveh an'i Mosesy ho lelahin'iZagnahary makasiky anahy vi hanao tagny Kadesi-barnea. 7 Efapolo tao zaho raha nalefan'i Mosesy panopon'i Yaveh avy agny Kadesi-barnea ba hisafo gny tany. Nitateriko taminazy draiky gny tatisy ba hatao araky gny tian'ny foko hatao. 8 Fa ireo rahalahiko izay nandeha niakasy nidray taminahy napalemy gny fon'ny vahoakiny tamigny tahosy. Nefa narahiko tateraky i Yaveh Zagnahariko. 9 Niania i Mosesy tamin'izay andro izay, dra nanao ho: ''Azo atoky fa gny tany izay nandehanan'ny tomboko dra ho lova ho anao vo gny zanakao madrakizay, satria nagnaraky tateraky an'i Yaveh Zagnahariko hanao.'' 10 Dra, ingo nitan'anahy ho velo nandrisy gny dimy ambiefapolo tao araky ze nizakany___taminigny fotoa ze nizakan'i Yaveh zay zaka zay tamin'i Mosesy, nandrisy gny nandehanan'Israely tagny agnefisy. Dra, ingo! Dimy ambivalopolo tao zaho amizao andro zao. 11 Bo matazaky hatragny zaho amizao andro zao manahaky gny taminigny andro nandroahan'i Mosesy anahy. Gny tazako amizao dra manahaky gny tazako tamizay, taminigny aly vo taminigny nandeha vo nihery. 12 Dra noho zay omeo anahy ty tany havoa ty, ze napanatenain'i Yaveh anahy tamizay andro zay. Akory renao taminizay andro zay i Anakita tagny amireo tana mimanda lahibe. Mety homba anahy Yaveh ba hahafahako mandroaky anereo, araky gny nizakan'i Yaveh." 13 Boak'eo dra niso-ndrano anazy i Josoa dra nagnome an'i Hebrona ho lovan'i Kaleba zanak'i Jefona. 14 Noho zay dra lasa pandova an'i Kaleba zanadahin'i Jefone gny Kenizita i Hebrona mandrak'amizao, akory nagnoriky an'i Yaveh vatany izy, gny Zagnaharin'Israely. 15 Dre dra Kiriata gny agnaran'i Hebrona vatany. (Arba gny lelahy lahibe eo amin'i Anakita.) Dra nisahasy taminigny aly gny tany.