Toko faha 15

1 Gny azara taninigny fokonigny vahoakin'i Joda, name gny fokon'ereo, dra nihitasy nagnasimo agnagny aminigny sisi-tanin'i Edoma, meraky taminigny efis'i Sina ze fefy lavisy agny asimo. 2 Gny sisi-tanin'ereo agny asimo dra nanomboky teo aminigny faranigny Ranomasisira, dra hatragny aminigny helo-drano ze magnatriky gny asimo. 3 Gny sisi-tanin'ereo magnaraky dra niboaky tao asimonigny havoan'i Akrabima dra nagnaraky an'i Sina, vo niakasy asimon'i Kadesy Barnea, magnaraky an'i Hezrona, dra miakasy agny Adara, eo amize iolagnanizay magnagny Karka. 4 Nagnaraky an'i Azmona, nahazo gny lohasahan-driakin'i Egypta, dra niafara tagny andranomasy zay. Zay gny faritanin'ereo asimo. 5 Gny sisi-tany asignana dra gny Ranomasisira, eo am-bavan'i Jordana. Gny faritany agny avarasy dra boak'eo aminigny lahasaka-driakiny ranomasy dra hatreo am-bavan'i Jordana. 6 Niakasy tao Beti-hogla dra nagnaraky gny avaras'i Bet-araba zay. Boak'eo zay dra niakasy agnagny aminigny vaton'i Bahana zanadahin'i Robena. 7 Gny faritany dra niakasy tagny Debira hatragny aminigny Lohasakan'i Akora, dra nagnavarasy, niody nagnaraky an'i Gilgala, ze tandrifinigny havoan'i Adomina, ze agny aminigny lafy avarasy gny lohasaka. Boak'eo gny faritany nagnaraky gny loharanon'i Ensemesy dra nandeha tagny En-rogela. 8 Dra niakasy gny lohasakan'i Beni-Hinoma dra hatragny aminigny lafy asimonigny tananigny Jebosita (zay, i Jerosalema) gny faritany. Dra niakasy hatragny aminigny tendronigny havoa zay manaro gny lohasakan'i Hinoma, agny avarasy, ze ao aminigny farany avarasy gny lohasakan'i Hinoma, agny avarasy, zay ao aminigny farany avarasy gny lohasakan'i Refaita zay. 9 Dra gny faritany nihitasy hatreo aminigny tendron'ireo havoa dra hatragny aminigny loharanon'i Neftoa, dra niboaky boak'eo dra hatragny amireo tana tao atendrombohisy Efrona. Dra gny faritany dra nagnodidinan'i Bala (mitovy amin'i Kiriata-jearima). 10 Dra gny faritany nagnodidy gny asignana'i Bala hatragny aminigny Tendrombohisy Seira, dra nagnaraky gny lafinigny Tendrombohisy Jearima agny avarasy (mitovy amin'i Kesalona), nizoso hatragny Beti-semesy, dra nanapaky gny Timna. 11 Niboaky agnilanigny avarasy gny havoa Ekrona gny faritany, dra nihodidin'an'i Sikerona vo nagnaraky gny tendrombohisy Bala zay, boak'eo dra nagnagny Jabniela zay. Nifara tao andranomasy gny faritany . Gny sisi--tany andrefa dra gny ranomasy lahibe vo gny morony. Io gny faritany magnodidy gny fokon'i Joda, isam-poko. 13 Aminigny fitandreman'i Josoa gny didin'i Yaveh, dra nagnome an'i Kaleba zanadahin'i Jefona azara aminigny tany eo amireo fokon'i Joda, Kiriata arba, zay, Hebrona (Arba dra ran'i Anaka) i Josoa. 14 Nandroaky gny zanak'i Anaka telo lahy tao i Kaleba: Sesay, Ahimana dra Talmay, reo taranak'i Anaka. 15 Niakasy boak'ao izy hanohisy reo ponin'i Debira (Debira dra natao ho Kiriata-sefera taloha). 16 Hoy Kalaba ho: "Gny olo ze manafiky an'i Kiriata-sefera vo mahazo anizay, dra honazy gny hagnomezako an'i Aksa zanako apela ho valy." 17 Dra Otniela zanadahin'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, gny fa nahazo anizay, dra namen'i Kaleba anazy ho valiny i Aksa zanak'apelany. 18 Fotoa fohy tafaran'izay, dra nagnagny amin'i Otniela i Aksa dra napirisihiny hangataky saka tagny aminigny raiky izy. Gny fa nizoso taminigny borikiny izy, dra hoy Kaleba taminazy ho: "Ino gny taliavinao?" 19 Namaly Aksa ho: "Manova raha miavaky honahy, akory fa nagnome anahy gny tany Negeva hanao: dra omeo anahy koa reo loharano ilany:" Dra namen'i Kaleba anazy reo loharano agnabo vo reo loharano ambany. 20 Zay gny lovanigny fokon'i Joda, namenan'ireo fokony. 21 Reo tana ze anigny fokon'i Joba agny aminigny farany asimo, aminigny faritanin'i Edoma, dra Kabzela, Edera, Jagora, 22 Kina, Dimona, Adada, 23 Kadesy, hazora, Itnana, 24 Zifa, Telema, Bealota. 25 Hazora-hadata, Keriota-hezrona (io avo koa dra fatasy taminigny ho Hazora), 26 Amama, Sema, Molada, 27 Hazara-gada, Hesmona, Beti-paleta, 28 Hazara-soala, Beri-sheba, Biziatia. 29 Bala, le, Azema, 30 Eltolada, Kesily, Horma, 31 Ziklaga, Madmana, Sansana, 32 Lebaota, Silima, Aina, dra Rimona. Reo gny tana sivy ambiropolo gny fitambaray, miaraky amireo vohisy Keliny. 33 Tao aminigny tany havoa iva agny andrefa, dra nisy an'i Estaola, Zora, Asna, 34 Zanoa, En-ganima, Tapoa, Enama, 35 Jarmota, Adolama, Soko, Azeka, 36 Sarima, Aditaima, dra Gadera (zay, Gederotaima). Efasy ambiny falo isa reo tana reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 37 Zenana, Hadasa, Migdala-gada, 38 Dilana, Mizpa, Joktela, 39 Lakisy, Bozkata, Eglona. 40 Kabona, Lamasa, Kitilisa, 41 Gederota, Beti-dagona, Nama, Makeda. Eninambiny folo gny isan'ireo tana reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 42 Libna, Atera, Asana, 43 Jifta, Asana, Neziba, 44 Kila, Maresa. Tana sivy reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 45 Ekrona, miaraky amireo tana vo reo zana-bohisy magnodidin'anizay; 46 boak'eo Ekrona dra hatragny aminigny Ranomasy lahibe, reo fonegnaa'aby ze agnilan'i Asdoda, miaraky amireo vohisy Keliny. 47 Asdoda, reo zay; Gaza, reo tana vo reo zana-bohisy magnodidy anizay; hatragny aminigny lohasakan-driak'i Egypta, dra hatragny aminigny Ranomasy Lahibe miaraky aminigny morosirak'izay. 48 Ao aminigny tany havoa, Samiry, Jatira, Soko, 49 Dana, Kiriata-sana (zay, Debira), 50 Anaba, Estemo, Anima, 51 Gosena, Holona, dra Gilo. Iraika ambinifolo reo tana reo, miaraky amireo vahisy Keliny. 52 Araba, Doma, Esana, 53 Janoma, Beti-tapoa, Afeka, 54 Honta, Kiriat-araba (izy, Hebrona), dra Ziora. Sivy reo tana reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 55 Maona, Karmela, Zifa, Jota, 56 Jezirela, Jokdeama, Zanoa, 57 Kaina, Gibea, timna. Folo reo tana reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 58 Halona, Beti-zora, Gedora, 59 Marata, Bet-anota, dra Elketona. Enina reo tana reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 60 Kiriata-bala (zay, Kiriata-jearima), dra Raba. Ro reo tana reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 61 Ao agnefisy, dra misy an'i Bet-araba, Midina, Sekaka, 62 Nisbana, gny tanasira, dra En-jedy. Enina reo tana reo, miaraky amireo vohisy Keliny. 63 Fa reo Jebosita, reo ponin'i Jerosalema, gny fokon'i Joda dra sy afaky nandroaky anereo, ko dra nitoby tao nindray taminigny fokon'i Joda mandrak'amizao reo Jebosita.