Toko faha 16

1 Gny zara-taninigny fokon'i Josefa dra nihitasy nanomboky tagny Jordana dra hatragny Jeriko, magnagny agnefisy, niakasy boak'ao Jeriko hatragny aminigny tany havoan'i Betela. 2 Boak'eo zay dra nagnagny Betela dra hatragny lozy dra namakivaky hatragny Atarota, gny fari-tany ny Arkita. 3 Dra nizoso nagnandrefa nahazo gny faritaninigny Jefletita zay hatragny aminigny faritany ambanin'i Bedhora, dra boak'eo nagnagny Gazera; dra nifara tagny aminigny ranomasy. 4 Zay gny fomba nahazoan'ireo fokon'i Josefa, Manase vo i Efraima gny lovan'ereo. 5 Gny faritaninigny fokon'i Efraima ze nitendre ho anigny fokon'ereo dra manahaky anizao magnaraky zao: gny faritaninigny lovan'ereo agny asignana dra niala agny Atarot-adara nagnagny Beti-horona ambony, 6 Dra nitohy hatragny an-dranomasina izay. Avy agny Mikmeta avarasy izay gny nivily niasignana nagnagnyTanata-silo dra nahazo gny sisin'izay agny asignana hatragny Janoha. 7 Dra nizaso Narata izay, dra avy eo nahatrasy an'i Jeriko, dra niafara tagny Jordana. 8 Avy ao Tapao ilay faritany dra nizatra nagnadrefa ho amigny lohasahan'i Kana dra niafara tagny an-dranomasy. Izay gny lovan'ny fokon'i Efraima, voatedry ho an'ny fianakaviamben'izy ireo, 9 Nidray tamin'ireo tanana izay nifily ho an'ny fokon'i Efraima mbanin'ny lovan'ny fokon'i Manase__ireo tanana aby, mbamin'ireo vohis'izy ireo. 10 Sy nadroaky ireo kananita izay nonina tagny Gazera izy ireo, dra miana nidray amin'i Efraima madrak'ankehitriny ireo Kananita, saingy napanoviny asa an-terivozo ireo vahoaky ireo.