Toko faha 17

1 Itihoky gny zara-taniny fokon'i Masina [ze lelahiben'i josefa] - izay ho,hognan'i Makira, ze lelahin'i Manase sy gny vatany ze baban'i Gileada. Gny tanin'i Gileada sy Basana dra nitedreny hognan'ereo taranaky Makira satria Mirika, dra lelahin'aly. 2 Gny dra nitedreny hognany ambiny Fokon'i Manase, name ereo fokon'izy ereo__dra i Abi-ezera, He-leka, Asriela, sekema, hefera, dra semida. ereo gny taranaky lahin'i Manase zanaky lelahin'i Josefa, natolosereo fokon'ereo. 3 Dra tselofehada zanaky lelahin'i Hefera zanak'i Gileada zanak'i makira zanak' i Manase dra sy nanazanaky lelahy, fa zanak'apelany zay avo.Itahoky aby gny agnaran'ereo zanak'apelany: Mahala, noha, Hogla, Milka, dra i tiriza. 4 nagnato an'i Eleazara i mpisoro, Jesoa zanadahin'i Nona, sy ereo lohanolo ze ereo, dra hoy ereo ho:''' Yaveh gny nandidy an'i Mosesy hagnome asika lova miaraky amereo rahalahisika.'' Nohon'ize, gny nifagnara namin'ereo didin'i Yaveh, gny nagnomezany lova hognanereo apela hoky teo amin'ereo rahalahiny babany ereo. 5 Gny fizara gny tany fola tao Gileada sy Basana dra nitedreny hognany manase, ze egny andafin'i Jordana, 6 satria ereo zanak'apelany Manase dra nitakasy lova niaraky tamin'ereo zanadahiny. Ngy tanin'i Gileada dra nitedreny hognany zmbiny fokon' Manase. 7 Gny faritanin'i Manase dra avy disik'agny Asera dra disikagny Mikmetata, izay agny asignanany i sekema. dra gny sisin-tany dra nandeha nignasimo amereo agny mipetraky marikisy faritan'i Topoa. 8 [Gny tanin'i Topoa dra agny manase, saiky gny tana lahiben' i Topoa eo amigny sisin-tanin'i Manase dra agny fokon'i Efraima.] 9 Gny faritany dra mizesy magnagny amy lohasahan-driakana. ereo tana asimon'ny lohasahan- driaka eo amy tana lahiben'i Manase dra agny avarasy gny lohasahan- driaka, dra mifara agny amy ranomasy. 10 Gny tagny dra asimo dra agn'i Efraima, dra gny tany agny avarasy dra agny i Manase; gny ranoma gny faritany. agny amy morony avarasy Asera, dra disikagny my asignana ,dra i Isakara. 11 Agny Isakara sy agny Asera zay koa, Manase dra nana an'i Beti-sana sy ereo tanany, Ibleama sy ereo tanany, ereo mponin'i Dora sy gny tanany,ereo mponin'i En-dora sy gny tanany, ereo mponin'i Tanaka sy gny tanany, dra ereo mponin'i Megido sy gny tana [ dra gny tana fahatelo dra i Naftea]. bo sy afaky mangalaky ho fanagnan'ereo tanan'ereo gny fokon'i Manase, satria ereo dra naneta dra bo mipetraky ao aminio tany hoky. 13 Raha niha-lahibe gny vahoakin'i Israely, dra niterin'izy ereo hisa ereo kananita, fa sy niroahiny tateraky. 14 Avy eo ereo taranak'i Josefa nizaka tamin'i Josoa, nanao ho:'' nanao akory gny asan'ny tana raiky sinizara raiky amy lova, kanefa vahoaky maro be agnisany zahay, dra fa nitahin'i Yaveh zahay aby? 15 hoy Josoa tamin'ereo: ''Raha vahoky maro be agnisany hadrareo, dra misodrota agny agnaty tany ala gny vatadrareo dra tapaho ereo hazo ao amy tanin'i Perizita sy rahafahita agny. atovy ze, satria gny havoany firenenan'i Efraima dra masaisaiky ho gnadrareo.'' 16 Hoy reo taranak'i Josefa: "Sy apy anay gny havoa. Fa reo Kananita ze mipetraky agny aminigny lohasaka dra mana Kalesy vy, reo agny Beti-sana vo gny tanany, dra reo ze agny aminigny lohasakan'i Jezirela. 17 Dra hoy i Josoa taminigny akohonan'i Josefa tamin'i Efraima vo i Manase: "Vahoaky be agnisa handrareo, dra mana hery lahibe. Sy tokony ho zara-tany raiky avo gny nitendre hondrareo. 18 Gny hovoan'avo koa dra ho andrareo. Na gny lalan'izay, dra ho tapahindrareo vo atovy fanagna hatragny aminigny sisiny lavisy zay. Hamoaky reo Kananita handrareo, na dre mana Kalesy vy aza ereo, na dre matazaky aza ereo."