Toko faha 18

1 Dra nindray nivory tao Silo gny fengonanigny vahoakin'Israely manotolo. Tao gny nagnoregnan'ereo gny lay fihogna vo nandresen'ereo gny tany nanoloa anereo. 2 Bo nisy fito reo foko teo aminigny vahoakin'Israely ze sy nitendre gny lovany. 3 Dra hoy Josoa taminigny vahoakin'Israely ho: "Mandrak'ombia gny bo hihemorandrareo sy handeha ao aminigny tany ze namen'i Yaveh, Zagnaharin'ireo razandrareo, handrareo? 4 Manendre telo lahy ho andrareo isaky gny foko sirairay, dra zaho koa hagniraky anereo. Dra hiainga vo hitety gny tany agnabo vo ambany ereo. Dra hanorasy gny famarita zay ereo araky ze tiany ho lovany, dra hevery aminahy atiky ereo boak'eo. 5 Dra ho zaran'ereo ho farisy fito zay. Joda hizano agny aminigny faritaniny agny asimo, Dra gny akohonan'i Josefa hanohy gny faritanin'ereo agny avarasy. 6 Farisy fito gny hamaritandrareo gny tany dra aheregno aminahy eto gny famarita. Dra hanao asapaky ho andrareo zaho eto agnatrehan'i Yaveh Zagnaharisika. 7 Reo Levita dra sy manan'azara eo amindrareo, fa gny fisorogna ho an'i Yaveh gny lovan'ereo. Gada, Robena, dra gny asasa-pokon'i Manase dra nahazo gny lovan'ereo, tagny andafin'i Jordana. Zay gny lova ze namen'i Mosesy panopon'i Yaveh anereo." 8 Dra nifoha reo lelahy nandeha. Dra nididin'i Josoa reo ze nandeha namarisy gny tany, nanao anizahoky ho: "Mandehana mitety gny tany dra farito zay dra miheregna aminahy eto. Dra hanao asapaky hoandrareo eto agnatrehan'i Yaveh aty Silo zaho." 9 Dra nandeha reo lelahy dra nitety gny tany agnabo vo ambany dra namarisy anizay tagnaty horogna taratasy araky reo tanany agnaty farisy fito, handahara reo tana isaky gny farisy sirairay. Dra nihery tagny amin'i Josoa tao atoby tao Silo ereo boak'eo. 10 Dra nanao asapaky ho anereo tao Silo teo agnatrehan'i Yaveh i Josoa. Tao gny nanedren'i Josoa gny tany hoanigny vahoakin'Israely, dra gny sirairay samy nome gny azara taniny aby. 11 Gny fanendre gny tany ho anigny fokon'i Benjamina dra name gny isapokon' ereo sirairay, Gny faritaninigny tany ze voatendry ho anereo dra voafarisy teo agnelagnelan'ireo taranak' i Joda vo reo taranak'i Josefa. 12 Tagny aminigny ilany avarasy, tagny Jordana gny nanombohanigny faritaninereo. Gny faritany dra niakasy hatragny aminigny ilany avaras'i Jeriko, dra boak'eo niakasy nanavasava gny tany havoa andrefa. Hatrae zay dra nazohy gny efis'i Betavena. 13 Hatreo dra nandalo nagnasimo nizosy nagnagny Lozy (Betela zay) gny faritany. Boak'eo nizoso hatragny amin'i Atarot-adara gny faritany, ao aminigny tendrombohisy ze magnisaky gny asimon'i Beti-horona. 14 Nizosy nagnaraky lala-kafa gny sisi-tany naho zay: agny aminigny ilany andrefa zay gny miholiky magnasimo, dra mitoli-doha aminigny tendrombohisy apitan'i Beti-horona. Io sisi-tany io dra mifaran'agny Kiriata-bala (Kiriata-jearima zay), tana raiky zy anigny fokon'i Joda. Zay gny avy faritany atgny aminigny farisy andrefa. 15 Nanomboky teo ivelan'i Kiriata-jearima gny lafiny asimo. Niainga teo gny faritany dra nazohy an'i Efrona, hatragny amireo loharanon'i Neftoa. 16 Gny sisi-tany naho zay dra nizoso nazohy gny magnodidy gny tendrombohisy ze tandrifinigny lohasakan'i Ben-hinoma, ze tagny aminigny morony avarasy gny lohasakan'i Refaima. Dra nizoso hatragny aminigny lohasakan'i Hinoma zay, asimanigny hasoan'ireo Jebosita, dra nitohy nizoso hatragny En-Rogela. 17 Dra nitoliky nagnavarasy zay, nizosy nakamin'i En-semesy, dra boak'eo dra niboaky agnagny Gelilota zay, ze tandrifinigny fekaran'i Adomima. Dra nizoso hatragny aminigny vaton'i Bohana zanadahin'i Robena zay. 18 Nandroso hatraminigny ilany avaras'i Beti-araba zay dra nizoso nankamin'i Araba. 19 Dra nandroso nazohy gny ilany avaras'i Beti-Hogla gny faritany. Nifara tagny aminigny helo-drano avarasy gny ranomasisira zay, agny aminigny morony asimon'i Jordana. Zay gny sisi-tany tagny asimo. 20 Dra avy faritanin'i Jordana gny ilany asignana. Zay gny lovanigny fokon'i Benjamina, dra natolosy gny isa-pokon'ereo sirairay zay, faritany isa-pokon'ereo sirairay zay, faritany isa-paritany, gny magnodidin'aby. 21 Dra reo tananigny fakan'i Benjamina araky gny isa-pokon'ereo dra Jeriko, 22 Beti-Hogla, Emeka Keziza, Bet-araba, Zemaraima, Betela, 23 Avima, Para, Ofra, 24 Kefara-hamony, Ofny, dra Geba. Roambiny folo reo tana reo, agnisan'izay reo zana-bohiny. 25 Ao avo koa reo tanan'i Gibeona, Rama, Berota, 26 Mizpa, Kefira, Moza, 27 Rekema, Irpela, Tarala, 28 Zela, Haelefa, Jebosita (Jerosalema zay), Gibea, dra Kiriata. Efasy ambiny folo reo tana reo, agnisan'izay reo zana-bohisy. Zay gny lovan'i Benjamina ho anigny fokon'ereo.