Toko faha 7

1 Tafaranireo raha reo Jesosy dra nandeha ta Galilia agny, fa sy te-ho a Jodia agny anefa Izy noho reo Jiosy mitalia hagnome anazy. 2 Dra fa mariny gny andro firavoravoanigny Jiosy gny Tabernakely. 3 Noho izay reo rahalahy nizaka taminazy ho: "Mela amity toera tihoky dra mandehana a Jodia agny, ba hafahan'ireo pianasao mahita reo asa ataonao avo koa. 4 Sy misy olo mana raha mivony zao raha izy vatany dra te-ho fatasy apahibemaso. raha mana reo raha reo hanao, dra misehoa amin'izao totolo izao." 5 Fa na reo rahalahy aza sy nino anazy. 6 Noho izay Jesosy nizaka anereo ho: "Bo sy avy gny fotoako, fa gny fotoandrareo koa dra vonona lalandava. 7 Sy afaky gny halaiky andrareo izao totolo izao, fa izaho gny halany akory mitalily fa rasy reo asany. 8 Handrareo miakara agny amigny firavoravoa, fa Izaho koa sy handeha amizay akory bo sy avy gny fotoako." 9 Tafaranigny nizakany reo raha reo dra nizano ta Galilia ao Izy. 10 Fa gny fa niakasy tagny amigny firavoravoa reo rahalahiny, dra niakasy tagny avo koa Izy boak'eo, sy nisehoseho fa nivony izy. Nitalia anazy tagny amigny firavoravoa reo Jiosy dra nizaka ho: "Eza Izy?" 12 Nisy zaka marobe momba anazy teo agnevin'ireo vahoaky. Gny ilany mizaka fa: "Lelahy soa Izy." Gny hafa mizaka ho: "Rasy, mitariky gny vahoaky agny amigny fahavereza Izy." 13 Dra sy nisy nahavany nizaka apahibenaso momba anazy nohonigny fatahora reo Jiosy. 14 Gny fa nisasaky gny firavoravoa, dra niakasy tagny amigny Tepoly Jesosy dra nanomboky napianasy. 15 Boak'eo dra gaga reo Jiosy, manao anizahoky ho: "Ino gny hahezan'io lelahy io anizay raha aby zay? Izy sy nandalo fenara mihisy?" 16 Jesosy namaly anereo dra nanao anizahoky ho: "Sy anahy gny fapenarako, fa boaky amin'Izy nagniraky anahy. 17 Raha misy olo mary hanao gny sitrapony, dra hahafatasy momban'io fapenara io izy, na boaky amin'Agnahary zay, na Izaho gny mizaka boaky amigny vatako. 18 Na iza na iza mizaka boaky amigny vatany dra mitalia gny voninahisy gny vatany manoka, fa na iza na iza mitalia gny voninahisi'ze nagniraky anazy, dra io olo io gny mary, dra sy misy sy fahamarigna ao aminazy. 19 Sy namen'i Mosesy andrareo ra gny lalana? Kanefa sy misy amindrareo mitandry gny lalana. Nagnino handrareo tehamono anahy io?" 20 Namaly gny vahoaky ho: Hanao dra misy demonia. Iza koa gny tehamono anao io?" 21 Jesosy namaly dra nizaka anereo ho: "Asa raiky gny nataoko, dra gaga noho izay avokoa handrareo. 22 Namen'i Mosesy gny fanapaha handrareo (sy ho avy amin'i Mosesy zay, fa avy amireo raza.) dra amigny Sabata dra manapaky olo handrareo. 23 Raha amigny Sabata gny anapah gny olo ba sy voadika gny lalan'i Mosesy, dra nagnino handrareo gny ory aminahy raha nagnasitrany olo raiky tamigny Sabata Zaho? 24 Ka misara amigny endriky ivelany, fa misara apahamarigna." 25 Nisy ilany tamireo boaky a Jerosalema agny nizaka ho: "Sy tihoky ra taliavindrareo ho vono io?" 26 Atio, mizaka miharihary Izy, dra sy misy mizaka na ino na ino Anazy ereo. Dra ho fatasigny pinday vatany ra fa Izy gny Kristy, sa ino? 27 Fa fatasika ho boaky eza lelahy hoky io. Fa gny fa avy gny Kristy, dra sy hisy hahafatasy ho boaky eza Izy." 28 Boak'eo nikioko fatrasy Jesosy tao atepoly, napianasy dra nizaka ho: "Handrareo dra samby mahafatasy gny vatako dra mahay gny fitiavako. Sy avy nohonigny vatako manoka zaho, fa gny nagniraky anahy dra mary, dra sy fatandrareo Izy. 29 fataso Izy akory Izaho dra boaky aminazy dra Izy nagniraky Anahy. 30 Niezaky gny hanambosy anazy ereo, fa sy nisy nanangatagna taminazy akory bosy avy gny fotoako. 31 Kanefa mary tamireo vahoako gny nino anazy, dra hoy ereo ho: "Gny fa avy gny Kristy, moa hanao famatara maro noho gny vitan'io lelahy io ra Izy?" 32 Nahare gny vahoaky nibisibiky reo raha momban'i Jesosy reo gny Fariseho dra nagniraky piamby raharaha hanambosy anazy. 33 Hoy Jesosy boak'eo ho: "Kely sisa gny fotoa hiarahako amindrareo, dra handeha ho amigny nagniraky anahy agny zaho. 34 Hitalia anahy handrareo fa sy hahita Anahy; ze handehanako sy ho azondrareo andehana." 35 Noho izay reo Jiosy dra nifapizaka ho: "Fa handeha ho eza io lelahy io gny sy ho vitasika gny hitalia anazy? Handeha ho agny amireo ze niparitaky nagna amin'i Grika agny dra hagnasy reo Grika ra? 36 Dra ino gny dikanigny zaka nizakany ho: 'Hitalia anahy handrareo fa sy hahita anahy; ze handehanako, sy ho azondrareo andehana?" 37 Dra tamigny farany, andro lahibe amigny firavoravoa, dra nisanga Jesosy dra nizaka fatrasy, manao anizahoky ho: "Raha misy mandetaheta, angao izy hagnato anahy dra hino. 38 Ze mino anahy, araky gny voazakanigny Sorasy Masy, dra hikoria boak'ao atrony gny oninigny rano velo. 39 Fa izao gny zakany mombanigny Fagnahy, reo ze nino anazy gny hitakasy anizay, gny Fagnahy dra bo sy name akory bo sy nahazo voninahisy Jesosy. 40 Gny ilany tamireo vahoaky, gny fa nahare reo zaka reo, dra nizaka ho: "41Reo hafa nizaka ho: "Tihoky gny Kristy." Fa gny ilany nizaka ho: "Fa angaha Kristy boaky a Galilia agny? 42 Sy voazakanigny sorasy masy ra fa Kristy dra ho avy amigny taranak'i Davida dra boaky a Betlehema ao, gny tana ze nisy an'i Davida?" 43 Dra nisy fizara teo amigny vahoaky noho Izy. 44 Gny ilany tamin;ereo te-hanambosy aanzy, fa sy nisy nananga tagny taminazy. 45 Boak'eo reo piamby raharaha nihery tagny amireo lohanigny pisoro vo reo Fariseho, ze nizaka tamin'ereo ho: " Nagnino handrareo gny sy ninday Anazy?" 46 Namaly reo piamby raharaha ho: "Sy bo nisy nizaka manahaky anizay mihisy." 47 Noho izay reo Fariseho namaly anereo ho: "Voafily avo koa ra handrareo? 48 Moa nisy tamireo panapaky ba nino anazy, na tamireo Fariseho? 49 Fa reo vahoaky reo dra sy mahay gny lalan voaozo reo." 50 Nikodemosy (raiky amireo Fariseho, ze avy meloha teo aminazy), nizaka ho: 51 "Moa ra gny lalasika misara olo melohanigny handresa anazy dra ahafatara anize nataony?" 52 Namaly ereo dra nizaka taminazy ho: "Boaky a Galilia agny koa vasa hanao? Mikaroha dra atio fa sy misy paminany boaky a Galilia agny." 53 (Fagnamariha: Gny dika zaka taloha soa indrindra dra sy ahita gny Jaona 7: 53-8: 11) [Boak'eo gny sirairay nagnagny atragnony aby.