Toko faha 6

1 Tafaranigny raha reo, dra Lasa nisaky gny ranomasin'i Galilia Jesosy, atao ranomasin'i Taberiasy. 2 Nisy vahoaky maro nagnaraky anazy soa hitan'ereo gny famatara ze nataony tamireo narary. 3 Niakasy atendrombohisy Jesosy dra nipetraky tegny niaraky tamireo pianany Izy. 4 (Dra gny Paska, gny andro firavoravonigny Jiosy, dra fa mariny) 5 Gny fa nagnety agnabo Jesosy dra nahita vahoaky maro be nagnaton'Anazy, dra hoy Izy tamin'i Filipo ho: "Eza gny hiviliasika mofo ba hafahan'ereo mihina?" 6 (Fa I Jesosy nizaka anizay ba hisapa an'i Filipo, fa fatany ze hataony.) 7 Dra Filipo namaly Anazy ho: "na dre mofo rozato dinary aza sy ho apy ho anigny sirairay na dre masaiky aby aza ko." 8 Raiky tamireo pianasy, Andrea, rahalahin'i Simona Petera, nizaka tamin'i Jesosy ho: 9 "Misy lelahy raiky eto mana mofo dimy vo fia ro, fa ino reo manoloa any ty olo maro tahoky?" 10 Dra Jesosy nizaka ho: "Atovy mipetraky gny olo" (dra feno ahisy teo amigny toera) Dra nipetraky reo olo, teo amigny dimy arivo teo gny isany. 11 Boak'eo jesosy nangalaky reo mofo dra gny fa boaky nisaotra, dra nizara anizay tamireo ze nipetraky teo. Manahaky anizay avo koa gny nataony tamigny fia igny, maro araky anizay nitalian'ereo. 12 Gny fa visy gny olo, dra hoy Izy tamireo pianany ho: "Avorio ze tavela sy lany, ba sy hisy ho levo." 13 Dra navorin'ereo ray dra nahafeno vaha ro ambiny folo gny tavelany mofo dimy sisa nanganize nihina. 14 Boak'eo, gny fa nahita anizay famatara zay gny olo, dra hoy ereo ho: "Tiky tokony gny paminany avy ho amizao totolo izao zay." 15 Gny fa hitan'i Jesosy fa ho avy ereo hangalaky anazy vo hanandrasy anazy amizao ho pazaka, dra nihery tegny atendrombohisy raiky ndraiky Izy. 16 Gny fa nirava gny andro, dra nilisy tegny amigny ranomasy reo pianany. 17 Nagnao agnaty sambo ereo, dra nisaky gny ranomasy ho a Kapernaomy agny. Fa mezy tamizay, dra Jesosy bo sy avy teo amin'ereo avo koa. 18 Nisy rivosy fatrasy, dra niha-nahery gny ranomasy. 19 Gny fa nivoy teo amigny dimy amby ropolo na telopolo stadio teo ereo, dra nahita an'i Jesosy nandeha teo amigny ranomasy dra nagnariny gny sambo, dra natahosy ereo. 20 Fa hoy Izy tamin'ereo ho: "Izaho avo tiky! Ka matahosy." 21 Boak'eo dra vonona gny hitakasy anazy tao amigny sambokely ereo, dra teo no eo dra avy tegny amigny toera andehanan'ereo gny sambokely igny. 22 Gny maraindray, hitan'ireo vahoaky ze nisanga tegny apitanigny ranomasy fa sy nisy sambo hafa teo afa-sy gny raiky igny avo, dra Jesosy sy nilisy tao niaraky tamireo pianany fa nandeha raiky niviky gny pianany. 23 Kanefa, nisy sambokely maromaro boaky Tiberiasy agny teo agnilanigny toera ze nihinanan'ereo gny mofo gny fa boaky nisaotra gny Topo. 24 Gny fa hitanigny vahoaky fa sy teo Jesosy na gny pianany, dra nilisy tao agnaty sambo ao ereo dra nagna Kapernaomy egny hitalia an'i Jossosy. 25 Gny fa hitan'ereo tegny apitanigny renirano izy, dra hoy ereo taminazy ho: "Raby, ombia hanao gny avy teto?" 26 Jesosy namaly anereo, nanao anizahoky ho: "Zakako amindrareo mary fa mitalia anahy handrareo, sy nohonigny nahitandrareo famatara, fa nohonigny nihanagnandrareo gny mofo dra visy. 27 Ka miasa ho anigny hany maty levo, fa mesa ho anigny hany ze mahary ho anigny fiegna mandrakizay ze hamenigny zakan'Olo andrareo, akory Zagnahary Ray gny nagnisa tombo-kase taminazy." 28 Boak'eo dra hoy ereo taminazy ho: "Ino gny sy maisy hataonay, ba hanovanay reo asan'Agnahary reo.?" 29 Jesosy namaly dra nanao tamin'ereo ho: "Izao gny asan'Agnahary: dra gny hinoandrareo gny ray ze nirahiny. 30 Dra hoy ereo taminazy ho: "Ino moa gny famatara hataonao, ba hahitanay vo hinoanay anao? Ino gny hanaonao? 31 Gny raibeko nihina gny mana tany agnefisy, araky gny voasorasy ho: 'Nameny mofo boaky andagnisy agny ereo hohany." 32 Boak'eo Jesosy namaly anereo ho: :Zakako amindrareo fa sy Mosesy gny nagnome andrareo gny mofo boaky andagnisy, fa gny Rako gny magnome andrareo gny tena mofo boaky andagnisy agny. 33 Akory gny mofon'Agnahary dra gny mizoso boaky andagnisy agny dra magnome fiegna ho an'izao totolo izao." 34 Dra hoy ereo taminazy ho: "Topoko, ameo anay mandrakariva ze mofo zay." 35 Dra hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Izaho gny mofonigny fiegna; ze magnato anahy sy ba ho resy sasy, dra ze mino anahy sy hangetaheta sasy. 36 Kanefa fa nizakako tamindrareo fa nahita anahy avo handrareo, nefa sy mino. 37 Ze olo mino amenigny Rako anahy dra hagnato anahy, dra ze magnato anahy dra sy ba hariako. 38 Fa nizoso boaky andagnisy agny zaho, sy ba hanao gny sitrapoko manoka, fa gny sitrapon'Izy ze nagniraky Anahy. 39 Dra izao gny sitrapon'Izy nagniraky Anahy, dra gny sy hagnirahako ze nameny anahy aby, fa hananga anereo amigny andro farany. 40 Akory izao gny sitraponigny Rako, dra gny ba hahazoanigny maro ze mahita gny zanaky vo mino anazy gny fiegna andro farany Izy. 41 boak'eo nimonomono momna anereo gny Jiosy akory Izy nizaka ho: "Izaho gny mofo nizoso boaka andagnisy agny." 42 Dra hoy ereo ho: "Sy gny Jososy zanak'i Josefa ra io, fatasika gny ray amandreniny? Ino seky zakany ho: 'Nizoso boaky andagnisy agny zaho.' 43 Jesosy namaly dra nanao tamin'ereo ho: "Azanogny gny fimonomonogna eo agnevondrareo. 44 Sy misy olo afaky magnato Anahy raha sy gny Ray ze nagniraky anahy gny mitao anazy, dra hasangako izy amigny andro farany. 45 Izay dra voasorasy ao amigny bokinigny paminany ho: 'Hapian'Agnahary ereo aby.' Ze nahare vo nianasy tamigny Ray gny magnato Anahy. 46 Sy nisy nahita gny Ray, afa-sy ze avy amin'Agnahary, izy gny nahita gny Ray. 47 Zakako amindrareo mary, fa ze mino gny mana fiegna mandrakizay. 48 Izaho gny mofonigny fiegna. 49 Gny Raibendrareo nihina gny mana tany agnefisy, dra maty ereo. 50 Tihoky gny mofo nizoso boaky andagnisy agny, ba sy ho maty ze mihina amin'izay. 51 Izaho gny mofo velo nizoso boak'agny andagnisy. Raha misy olo mihina amity mofo tihoky, dra ho velo mandrakizay izy. Gny mofo ze hameko gny nofoko ho anigny fiegnan'izao totolo izao." 52 Niha-ory reo Jiosy dra nanomboky nialy hevisy, nanao anizahoky ho: "Ino gny ahafan'io lelahi io magnomeasika gny nofony ino?" Dra Hoy Jesosy tamin'ereo ho: 53 "Zakako amindrareo mary vatany fa raha sy mihina gny nofonigny Zanak'olo handrareo vo mino gny liony, dra sy hana fiegna ao amindrareo. 54 Na iza na iza mihina gny nofoko vo mino gny lioko dra mana fiegna mandrakizay, dra hasangako izy amigny andro farany. 55 Fa gny nofoky gny tena fihina, vo gny lioko gny tena finomy. 56 Ze mihina gny nofoko vo mino gny lioko gny mitoby ao aminahy, dra Izaho ao aminazy. 57 Manahaky gny nagnirahanigny Ray velo anahy, vo manahaky gny hivelomako nohonigny Ray, ze mihina anahy, dra ho velo avo koa nohonigny Aminahy. 58 Tihoky gny mofo igny nizoso boaky andagnisy agny, sy manahaky gny Raibe nihina dra maty zay. Ze mihina ty mofo tihoky dra ho velo mandrakizay." 59 Fa Jesosy nizaka reo raha reo amigny Synagoga gny fa napianasy tao Kapernaomy Izy. 60 Dra maro tamireo pianany ze nahare anizay gny nizaka ho: "Fapenara sorasy zao; iza gny afaky hagneky anizay?" 61 Jesosy noho Izy nahay tao aminazy fa nimonomono tamizay reo pianany, nizaka anereo ho: "Manafitohy andrareo ra zay io?" 62 Ko akory raha tokony hahita gny zanak'olo miakasy agny amigny nisy anazy taloha handrareo? 63 Gny Fagnahy gny magnome fiegna; gny nofo sy ahazoa na ino na ino. Reo zaka ze nizakako tamindrareo dra fagnahy, dra fiegna reo. 64 Bo misy ilany amindrareo sy mino." Fa Jesosy fa nahay hatramigny volohany ze sy hino vo ze hamadiky anazy. 65 Hoy Izy ho: "Noho izay gny nizakako tamindrareo fa sy misy olo afaky magnato anahy raha sy namenigny Ray Anazy zay." 66 Noho izay, maro tamireo pianany gny lasa dra sy niara-dia taminazy sasy. 67 Dra Hoy Jesosy tamireo ro ambiny folo lahy ho: "Sy tehandeha ra handrareo sa handeha?" 68 Dra Simona Petera namaly anazy ho: "Topo ho agny amin'iza moa zahay? Ino gny mana gny zakanigny fiegna mandrakizay, 69 dra nino zahay dra magnato ba hahay fa hanao gny Masin'Agnahary." 70 Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Sy Izaho ra gny nifily andrareo, ro ambiny folo, dra gny raiky amindrareo dra devoly?" 71 Dra Jodasy zanak'i Simona Iskariota gny zanany, akory izy, gny raiky amin'izy ro ambiny folo, ze hamadiky an'i Jesosy.